bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 17
John 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 18 →
1
Rehefa nolazain’i Jesosy izany teny izany dia nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra Izy ka niteny hoe: Ray ô, tonga ny fotoanandro; mankalazà ny Zanakao mba hankalazan’ny Zanaka Anao,
2
araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra nomenao Azy.
3
Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao izay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahinao.
4
Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.
5
Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana Taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
6
Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.
7
Fantany ankehitriny fa avy Taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.
8
Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny ka fantany marina tokoa fa avy Taminao Aho; ary nino izy fa Ianao no naniraka Ahy.
9
Mangataka ho azy Aho; tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy satria Anao izy.
10
Ary izay Ahy rehetra dia Anao ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho.
11
Ary tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’izao tontolo izao, ary Izaho mankany Aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy mba ho iray ihany izy, tahaka ny maha iray Antsika.
12
Raha mbola teo aminy Aho dia nitahiry azy tamin’ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
13
Fa ankehitriny mankany Aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin’izao tontolo izao mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy.
14
Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izao tontolo izao izy satria tsy avy amin’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy avy amin’izao tontolo izao.
15
Izaho tsy mangataka Aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao fa ny mba hiaro azy amin’ilay ratsy.
16
Tsy avy amin’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy avy amin’izao tontolo izao.
17
Manamasìna azy amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana.
18
Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’izao tontolo izao.
19
Ary ho an’ireto no anamasinako ny tenako mba hanamasinan’ny fahamarinanao azy.
20
Nefa tsy ho an’ireto ihany no angatahako fa ho an’izay mino Ahy koa noho ny teniny;
21
mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato Amiko ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao Amintsika koa izy; mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.
22
Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny maha iray Antsika:
23
Izaho ao aminy ary Ianao ato Amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’izao tontolo izao fa efa naniraka Ahy Ianao sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
24
Ray ô, tiako mba ho any Amiko amin’izay misy Ahy ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenana izao tontolo izao.
25
Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto dia mahalala fa Ianao no naniraka Ahy.
26
Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy ary Izaho koa ho ao aminy.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21