bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 12
John 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 13 →
1
Rehefa henemana no sisa tsy hahatongavan’ny Paska, Jesosy, dia tonga tao Betania izay nitoeran’i Lazarosy, ilay natsangany tamin’ny maty.
2
Nanao fanasana ho an’i Jesosy tao izy ireo; i Marta no nanompo; fa i Lazarosy no iray tamin’izay niara-nipetraka nihinana taminy.
3
Ary rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no sarobidy, lanjana iray livatra, i Maria, dia nanosotra ny tongotr’i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany; koa feno ny hanitry ny menaka ny trano.
4
Ary hoy i Jodasy iskariota, iray tamin’ny mpianany, dia ilay efa hamadika Azy:
5
Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telonjato ka nomena ny mahantra?
6
Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny mahantra, fa noho izy mpangalatra sady izy koa no mpitondra ny kitapom-bola ka naka izay tao anatiny.
7
Dia hoy Jesosy: Avelao izy mba hotehiriziny ho amin’ny andro hanamboarany Ahy halevina.
8
Fa ny mahantra dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva.
9
Betsaka tamin’ny vahoaka Jiosy no nahafantatra fa teo Jesosy, ary tonga teo ireo, nefa tsy noho Jesosy ihany fa mba hahita an’i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin’ny maty.
10
Fa nikendry hahafaty an’i Lazarosy koa ireo lehiben’ny mpisorona
11
satria noho ny aminy no nialan’ny maro tamin’ny Jiosy ka ninoany an’i Jesosy.
12
Ny ampitson’iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin’ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy,
13
dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ny Israely, Ilay avy amin’ny anaran’NY TOMPO (Sal 118.26).
14
Ary Jesosy nahita zana-boriky iray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
15
«Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky» (Zak 9.9).
16
Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin’ny voalohany; fa rehefa niditra tamin’ny voninahiny Jesosy, izay vao nahatsiaro izy ireo fa voasoratra hilaza Azy io zavatra io, sady efa nataony taminy izany.
17
Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teo Aminy, fony Izy niantso an’i Lazarosy hivoaka avy tao amin’ny fasana ka nanangana azy tamin’ny maty.
18
Izany koa no nitsenan’ny vahoaka Azy satria efa reny fa nanao ilay famantarana iny Izy.
19
Ary tamin’izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.
20
Nisy Grika ny sasany tamin’ireo niakatra hivavaka tamin’ny andro firavoravoana,
21
ary izy ireo dia nankany amin’i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy hoe: Tompoko, mba ta hahita an’i Jesosy izahay.
22
Dia lasa nilaza tamin’i Andrea i Filipo; avy eo kosa dia lasa nilaza tamin’i Jesosy i Andrea sy i Filipo.
23
Ary hoy Jesosy: Tonga ny fotoanandro hankalazana ny Zanak’Olona.
24
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-bary ka maty dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy dia hahavokatra be.
25
Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry izany ho amin’ny fiainana mandrakizay.
26
Raha misy olona manompo Ahy dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy dia hankalaza azy ny Ray.
27
Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko; ary inona no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity? Nefa izao no niaviako ho amin’ity ora ity;
28
Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra hoe: Efa nankalaza Azy Aho ary mbola hankalaza Azy indray.
29
Ary ny vahoaka izay nijoro teo ka nahare dia niteny hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny Taminy.
30
Fa hoy Jesosy hoe: Tsy noho ny Amiko no nahatongavan’izany feo izany fa noho ny aminareo.
31
Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan’izao tontolo izao dia horoahina any ivelany.
32
Ary Izaho rehefa hasandratra hiala amin’ny tany dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
33
Izany no nolazainy mba hanambarana ny fomban’ny fahafatesana izay efa hiaretany.
34
Dia hoy ny vahoaka Taminy hoe: Efa renay tamin’ny lalàna fa Kristy dia haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’Olona? Iza moa izany Zanak’Olona izany?
35
Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no itoeran’ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
36
Raha mbola manana ny mazava ianareo dia minoa ny mazava mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa avy nilaza izany Jesosy dia niala Izy ka niery azy ireo.
37
Na dia efa nanao ireo famantarana betsaka ireo teo anatrehany aza Izy dia tsy mba nino Azy izy ireo
38
mba hahatanteraka ny teny nataon’Isaia mpaminany hoe: «Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’NY TOMPO?» (Isa 53.1)
39
Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
40
«Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy mba tsy hahita ny masony na hahalala ny fony, dia tsy hibebaka izy ka tsy hahasitrana azy Aho» (Isa 6.10).
41
Izany teny izany no nolazain’Isaia satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
42
Kanefa na dia maro aza ny mpitondra no nino Azy dia tsy nanaiky izy ireo noho ny Fariseo, fandrao horoahina tsy ho isan’ny ao amin’ny sinagoga.
43
Fa aleon’izy ireo voninahitra avy amin’ny olona toy izay ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.
44
Ary Jesosy niantso hoe: Izay mino Ahy dia tsy Izaho no inoany fa izay naniraka Ahy.
45
Ary izay mahita Ahy dia mahita izay naniraka Ahy.
46
Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.
47
Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina izany, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho fa hamonjy izao tontolo izao.
48
Izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko dia manana izay mitsara azy: Ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ny andro farany,
49
satria Izaho tsy niteny amin’ny fahefan’ny tenako, fa ny Ray izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy ny amin’izay holazaiko sy izay hambarako.
50
Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ny Ray Tamiko.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21