bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 2
John 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 3 →
1
Tamin’ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin’i Jesosy.
2
Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nasaina ho ao amin’izany fampakaram-bady izany.
3
Ary rehefa lany ny divay dia hoy ny renin’i Jesosy Taminy: Tsy manana divay izy.
4
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? Tsy mbola tonga ny fotoanandroko.
5
Fa hoy ny reniny tamin’ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.
6
Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy, nipetraka teo ho fanadiovana, araka ny fanaon’ny Jiosy.
7
Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin’ny molony.
8
Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin’izao ka ento ho eo amin’ny mpandahatra ny fanasana. Dia noentiny izany.
9
Nony nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay niaviany, fa ny mpanompo izay nanovo ny rano ihany no nahalala izany, dia niantso ny mpampakatra izy
10
ka niteny taminy hoe: Araka ny fanaon’ny olona dia ny divay tsara aloha no arosony; fa rehefa mitady ho mamo ny olona dia izay vao ny ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.
11
Izany no nataon’i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana. Nasehony ny voninahiny, ary nino Azy ny mpianany.
12
Rehefa afaka izany dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy sy ny reniny ary ny rahalahiny mbamin’ny mpianany; nefa tsy dia nitoetra ela tany izy ireo.
13
Nony akaiky ny Paska an’ny Jiosy dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
14
Ary hitany nipetraka tao amin’ny tempoly ireo mpivarotra omby sy ondry ary voromailala, tao koa ireo mpanakalo vola;
15
dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala tao amin’ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary naparitany ny volan’ny mpanakalo vola sady nazerany ny latabatra;
16
dia hoy Izy tamin’ny mpivarotra ny voromailala: Ento mivoaka any ireto zavatra ireto; aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.
17
Ary tsaroan’ny mpianany fa voasoratra hoe: «Ny firehetako ny amin’ny tranonao no haharìtra aina ahy» (Sal 69.9).
18
Fa hoy ny Jiosy Taminy: Inona no famantarana asehonao aminay no manao izao zavatra izao Ianao?
19
Jesosy namaly azy ireo hoe: Ravao ity tempoly ity, fa ao anatin’ny hateloana dia hatsangako indray.
20
Nefa hoy ny Jiosy: Nandritra ny enina amby efapolo taona no efa nananganana ity tempoly ity, koa Ianao va hahatsangana azy amin’ny hateloana?
21
Ny tenany anefa no tempoly nolazainy.
22
Koa rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy dia tsaroan’ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain’i Jesosy izy ireo.
23
Nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ny Paska, izany hoe tamin’ny andro firavoravoana, dia maro no nino ny anarany raha nahita ny famantarana izay nataony.
24
Nefa Jesosy tsy natoky azy satria fantany avokoa ny olona rehetra;
25
ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany no nahalala izay tao am-pon’ny olona.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21