bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 9
John 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 10 →
1
Raha nandalo toerana iray Jesosy dia nahita lehilahy jamba hatramin’ny nahaterahany.
2
Ary nanontany Azy ny mpianany hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
3
Dia novalìn’i Jesosy hoe: Tsy io lehilahy io no nanota na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’Andriamanitra eo aminy no anton’izao.
4
Isika tsy maintsy manao ny asan’izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina ka tsy mahazo miasa ny olona.
5
Raha amin’izao tontolo izao Aho dia fahazavan’izao tontolo izao.
6
Rehefa avy nilaza izany Izy dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tamin’ny rora, dia nahosony ny mason’ilay jamba.
7
Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao any amin’ny farihy Siloama, izay atao hoe Nirahina, ny masonao. Dia lasa ilay jamba nanasa ny masony, ary niverina nahiratra.
8
Koa izay nifanolo-bodirindrina taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia niteny hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
9
Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany ity. Hoy kosa izy: Izaho no izy.
10
Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan’ny masonao?
11
Ary hoy izy hoe: Ilay lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka niteny tamiko hoe: Mankanesa any Siloama ka sasao ny masonao; dia nandeha aho ka nanasa azy ary nahiratra.
12
Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany lehilahy izany? Hoy Ralehilahy: Tsy fantatro.
13
Dia noentiny tany amin’ny Fariseo ilay jamba taloha.
14
Ary tamin’ny andro Sabata no nanaovan’i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dRalehilahy.
15
Ary mbola nanontany azy ny amin’izay nahiratan’ny masony koa ny Fariseo. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko dia nosasako ka nahiratra aho.
16
Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin’Andriamanitra izany lehilahy izany satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon’ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy ireo.
17
Ary hoy indray izy tamin’ilay jamba: Inona no ilazanao ilay nampahiratra ny masonao? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
18
Fa ny Jiosy dia tsy nino azy ho jamba nahiratra, raha tsy niantso ny ray aman-drenin’ilay nahiratra
19
ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo hoe teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao indray?
20
Dia hoy ny navalin’ireto ray aman-dreniny hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
21
fa tsy fantatray izay fomba nahiratany toy izao; ary tsy fantatray izay olona nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin’ny tenany.
22
Izany teny izany no nolazain’ny ray aman-dreniny satria natahotra ny Jiosy izy ireo; fa efa nifanaiky mantsy ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina tsy ho isan’ny amin’ny sinagoga.
23
Izany no nilazan’ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
24
Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ireo ka niteny taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay dia mahalala fa mpanota izany lehilahy izany.
25
Fa hoy izy hoe: Tsy fantatro na mpanota Izy na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: Jamba aho teo aloha fa mahiratra aho izao.
26
Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana hoe no nampahiratany ny masonao?
27
Dia hoy izy hoe: Efa voalazako taminareo ihany fa tsy nihaino ianareo; nahoana indray no te hihaino ianareo izao? Moa te ho mpianany koa va ianareo?
28
Dia nanevateva azy izy ireo hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay dia mpianatr’i Mosesy.
29
Izahay dia mahalala fa i Mosesy no nitenenan’Andriamanitra; fa ny amin’izany lehilahy izany dia tsy fantatray izay niaviany.
30
Namaly azy Ralehilahy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! Fa tsy fantatrareo izay niaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.
31
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.
32
Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’izay teraka jamba.
33
Raha tsy avy amin’Andriamanitra izany lehilahy izany dia tsy nahefa na inona na inona Izy.
34
Ary hoy ny navalin’izy ireo azy hoe: Tena teraka tamin’ny ota tokoa Ialahy, koa Ialahy indray va no hampianatra anay? Dia noroahiny ho any ivelany izy.
35
Ren’i Jesosy fa efa noroahiny ho any ivelany Ralehilahy; koa rehefa nahita azy Izy dia niteny hoe: Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?
36
Namaly Ralehilahy hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
37
Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao sady izay miresaka aminao izao no Izy.
38
Dia hoy izy: Tompoko, mino aho. Sady niankohoka teo anatrehany izy.
39
Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako eto amin’izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
40
Ary ny Fariseo sasany izay teo Aminy, nony nandre izany, dia niteny taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?
41
Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny miteny hoe: Mahiratra izahay dia tsy afaka ny helokareo.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21