bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 20
John 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 21 →
1
Tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia nandeha vao maraina mbola maizimaizina hankany amin’ny fasana i Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin’ny fasana.
2
Dia nihazakazaka nankany amin’i Simona Petera sy ilay mpianatra tian’i Jesosy izy ka niteny tamin’ireo hoe: Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, koa tsy fantatray izay nametrahany Azy.
3
Dia nandeha i Petera sy ilay mpianatra iray ka nankany amin’ny fasana.
4
Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra iray dia nihazakazaka nihoatra an’i Petera ka tonga taloha tao amin’ny fasana.
5
Nony niondrika nitsirika izy dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.
6
Ary avy koa i Simona Petera nanaraka azy dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,
7
ary tsy mba nipetraka teo amin’ny lambam-paty ny lamba izay nafehy ny lohany fa voavalona mitokana.
8
Tamin’izay dia niditra koa ilay mpianatra iray izay tonga taloha teo amin’ny fasana ary nahita ka nino.
9
Tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty Jesosy.
10
Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.
11
Fa nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana i Maria; ary raha mbola nitomany izy dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
12
ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny iray dia teo an-doha tamin’ilay nandrian’ny fatin’i Jesosy ary ny iray dia teo an-tongotra.
13
Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain’olona ny Tompoko ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
14
Rehefa nilaza izany izy dia nitodika ka nahita an’i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy Izy.
15
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy ka hoy izy Taminy: Tompoko, raha Ianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, fa izaho no haka Azy any.
16
Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny Taminy tamin’ny teny hebreo hoe Rabonỳ! Izany hoe: Mpampianatra ô.
17
Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
18
Dia tonga i Maria Magdalena ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho sady izany teny izany no nolazainy tamiko.
19
Nony harivan’ilay andro voalohany amin’ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’ny toerana izay niangonan’ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany sady niteny taminy hoe: Fiadanana ho anareo!
20
Rehefa nilaza izany Izy dia nasehony azy ny tanany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra raha nahita ny Tompo.
21
Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
22
Rehefa nilaza izany Izy dia nanisy fofonaina ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina;
23
na helok’iza na helok’iza no avelanareo dia voavela izany; ary na an’iza na an’iza kosa no tsy avelanareo dia tsy voavela izany.
24
Fa i Tomasy, iray tamin’ny roa amby folo lahy, ilay antsoina hoe Kambana, dia tsy mba teo amin’izy ireo raha tonga Jesosy.
25
Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy: Raha tsy hitako eo amin’ny tanany ny holatra navelan’ny fantsika ka atehiko eo amin’ny holatra navelan’ny fantsika ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tanako dia tsy mba hino aho.
26
Nony afaka havaloana dia tafangona teo indray ny mpianany ary teo koa i Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany sady niteny hoe: Fiadanana ho anareo!
27
Ary hoy Izy tamin’i Tomasy: Atehefo eto ny rantsantananao ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao ka ataovy amin’ny lanivoako; ary aza ho isan’izay tsy mino fa minoa.
28
Dia namaly i Tomasy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
29
Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita nefa mino.
30
Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon’i Jesosy teo imason’ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ity boky ity;
31
fa voasoratra izao mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21