bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 16
John 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 17 →
1
Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo mba tsy hahatafintohina anareo.
2
Handroaka anareo tsy ho isan’ny sinagoga izy; eny, ho avy ny fotoana ka hataon’izay rehetra mamono anareo fa manao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra izy.
3
Ary izany no hataony satria tsy fantany ny Ray na Izaho.
4
Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoanandro, fa efa nilaza izany taminareo Aho. Tsy mba nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany izany satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.
5
Fa ankehitriny, mankany amin’Izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Ho aiza Ianao?
6
Satria nilaza izany taminareo Aho dia vonton’alahelo ny fonareo.
7
Fa milaza ny marina aminareo Aho; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy miala Aho dia tsy ho avy atỳ aminareo ny Mpananatra; fa rehefa mandeha Aho dia hirahiko ho atỳ aminareo Izy.
8
Ary rehefa tonga Izy dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana:
9
Ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;
10
ny fahamarinana, satria mankany amin’ny Ray Aho ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;
11
ny fitsarana, satria ny andrianan’izao tontolo izao dia efa voatsara.
12
Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho nefa tsy zakanareo izany ankehitriny.
13
Fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny avy amin’ny fahefan’ny tenany Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
14
Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
15
Izay rehetra ananan’ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
16
Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo.
17
Ary ny mpianany sasany dia niresaka hoe: Inona ary izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo satria mankany amin’ny Ray Aho?
18
Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy amin’izany.
19
Ary Jesosy nahalala fa ta hanontany Azy ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Mifanontany ianareo satria hoy Aho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo.
20
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary halahelo ianareo, nefa ny alahelonareo dia hody fifaliana.
21
Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka satria tonga ny ora; fa rehefa velon-jaza izy dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho amin’izao tontolo izao.
22
Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; nefa hahita anareo indray Aho dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona afaka manaisotra ny fifalianareo aminareo.
23
Ary amin’izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany.
24
Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ny anarako ianareo; mangataha dia hahazo ianareo mba ho feno ny fifalianareo.
25
Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny fotoana izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin’ny Ray.
26
Amin’izany andro izany dia hangataka amin’ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin’ny Ray ho anareo;
27
fa ny Ray mihitsy no tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin’ny Ray Aho.
28
Eny, nivoaka avy tamin’ny Ray Aho ka tonga amin’izao tontolo izao; ary hiala amin’izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin’ny Ray.
29
Hoy ny mpianany: Indro, milaza mazava Ianao ankehitriny fa tsy manao fanoharana intsony.
30
Ankehitriny, fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin’Andriamanitra Ianao.
31
Dia hoy Jesosy hoe: Mino va ianareo ankehitriny?
32
Indro, avy ny fotoana; eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin’ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato Amiko.
33
Izany teny izany no efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana Amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21