bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 11
John 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 12 →
1
Nisy lehilahy iray narary, dia i Lazarosy avy any Betania, tanànan’i Maria sy i Marta rahavaviny.
2
I Maria dia ilay nanosotra menaka manitra ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ary i Lazarosy anadahiny ity narary ity.
3
Nandefa iraka tany amin’i Jesosy izy mirahavavy mba hilaza hoe: Tompoko, indro, marary ilay tianao.
4
Ary rehefa ren’i Jesosy izany dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’Andriamanitra.
5
Ary Jesosy tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary i Lazarosy.
6
Nony ren’i Jesosy fa narary i Lazarosy dia mbola nitoetra roa andro teo amin’izay nitoerany ihany Izy.
7
Taorianan’izany, vao hoy Izy tamin’ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
8
Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan’ny Jiosy hitora-bato Anao, koa hankany indray va Ianao?
9
Dia hoy ny navalin’i Jesosy hoe: Tsy roa amby folo va ny ora amin’ny indray andro? Raha misy mandeha amin’ny antoandro dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’izao tontolo izao.
10
Fa raha misy kosa mandeha amin’ny alina dia ho tafintohina izy satria tsy misy mazava ao aminy.
11
Izay no nolazainy; ary taorianan’izany dia hoy Izy taminy: Matory i Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.
12
Dia hoy ny mpianatra Taminy: Tompoko, raha matory izy dia azo vonjena ihany.
13
Nefa Jesosy tamin’io dia nilaza ny fahafatesan’i Lazarosy; saingy nataon’izy ireo kosa fa ny fialan-tsasatra amin’ny torimaso no nolazainy.
14
Tamin’izay Jesosy vao nilaza mazava taminy hoe: Maty i Lazarosy.
15
Ary faly Aho noho ny aminareo satria tsy tany, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.
16
Dia hoy i Tomasy, izay atao hoe Kambana, tamin’ny mpianatra namany: Andeha koa isika mba hiara-maty aminy.
17
Nony tonga Jesosy dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
18
Ary Betania dia tao akaikin’i Jerosalema, tokony ho dimy amby folo stadio no elanelany.
19
Ary maro tamin’ny Jiosy no efa tonga teo amin’i Marta sy i Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny amin’ny anadahiny.
20
Ary i Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa i Maria kosa dia nitoetra tao an-trano.
21
Ary hoy i Marta tamin’i Jesosy: Tompoko, raha teto Ianao dia tsy maty ny anadahiko.
22
Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza, na inona na inona no hangatahinao amin’Andriamanitra, dia homen’Andriamanitra Anao.
23
Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.
24
Fa hoy i Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.
25
Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
26
Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
27
Hoy izy Taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ilay ho tonga amin’izao tontolo izao.
28
Rehefa nilaza izany izy dia nandeha niantso mangingina an’i Maria rahavaviny ka hoy izy hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.
29
Raha vao nandre izany i Maria dia nitsangana haingana ka nankeo Aminy.
30
Nefa tsy mbola tonga tao an-tanàna Jesosy, fa mbola teo amin’ilay toerana nitsenan’i Marta Azy ihany.
31
Ary ny Jiosy izay tao amin’i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana haingana ka nivoaka avy tao dia nanaraka azy satria nataony fa nankany amin’ny fasana hitomany any izy.
32
Ary i Maria, rehefa tonga teo amin’izay nisy an’i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ny tongony ka niteny Taminy hoe: Tompoko, raha teto Ianao dia tsy maty ny anadahiko.
33
Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa dia vonto ny fanahiny ka nangorohoro ny tenany;
34
ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo Taminy: Tompoko, andeha hizaha.
35
Jesosy nitomany.
36
Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben’ny fitiavany azy!
37
Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain’Ilehity izay nampahiratra ny mason’ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dRalehilahy ity?
38
Dia vonto indray ny fanahin’i Jesosy ka nankeo amin’ny fasana Izy, ary zohy izany sady nisy vato narindrina teo.
39
Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy i Marta, anabavin’ny maty, Taminy: Tompoko, efa maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.
40
Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?
41
Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka niteny hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Ianao.
42
Raha Izaho dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy.
43
Rehefa nilaza izany teny izany Izy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!
44
Dia nivoaka tao ny maty, ny tanany sy ny tongony dia nisy fehim-paty sady voasarona lambam-paty koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ny olona: Vahao izy ka avelao handeha.
45
Ary maro tamin’ny Jiosy, izay nankeo amin’i Maria ka nahita ireo zavatra nataon’i Jesosy ireo, no nino Azy.
46
Fa ny sasany tamin’ireo kosa dia lasa nankany amin’ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataon’i Jesosy.
47
Ary ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo dia nanangona ny Sinedriona ka niteny hoe: Ahoana no hataontsika? Fa iny lehilahy iny dia manao famantarana maro.
48
Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.
49
Ary ny iray taminy, dia i Kaiafa mpisoronabe, tamin’izany taona izany, dia niteny taminy hoe: Ianareo dia tsy mahalala na inona na inona,
50
na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho levona avokoa ity firenena ity.
51
Ary tsy niteny izany tamin’ny hevitry ny tenany izy, fa satria Mpisoronabe tamin’izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
52
ary tsy hamonjy io firenena io ihany fa mba hanangona ny zanak’Andriamanitra izay efa niely mba ho tafangona ho iray.
53
Koa hatramin’izany andro izany dia nikendry hahafaty Azy ry zareo.
54
Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin’ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin’ny tany akaikin’ny tany efitra, ho any amin’ny tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianatra.
55
Ary efa akaiky ny Paska an’ny Jiosy; ary maro ny avy tany ambanivohitra no niakatra ho any Jerosalema nialoha ny Paska mba hanadio ny tenany.
56
Dia nitady an’i Jesosy ireo, raha nijanona tao amin’ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin’ny andro firavoravoana va Izy?
57
Ary ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo dia efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany dia tsy maintsy milaza amin’izy ireo mba hisamborany Azy.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21