bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 6
John 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 7 →
1
Taorianan’izany dia lasa Jesosy nita ny ranomasin’i Galilia, dia ny ranomasin’i Tiberiasy izany.
2
Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin’ny marary.
3
Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao Izy mbamin’ny mpianany.
4
Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan’ny Jiosy.
5
Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy dia hoy Izy tamin’i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?
6
Nataony izany mba hizahany toetra azy; fa Izy nahalala ihany izay efa hataony.
7
Dia namaly Azy i Filipo hoe: Na dia mofo vidìna amin’ny denaria roanjato aza tsy ho ampy azy rehetra hananany kely avy.
8
Ny mpianany iray, i Andrea, rahalahin’i Simona Petera, dia nilaza taminy hoe:
9
Misy zazalahy manana mofo varimbazaha dimy sy hazandrano madinika roa atỳ, fa ho ampy inona moa izany amin’izao olona betsaka izao?
10
Fa hoy Jesosy: Asaivo mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Dia nipetraka ireo ka tokony ho dimy arivo ny isan’ny lehilahy.
11
Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra Izy dia nizara izany tamin’izay nipetraka hihinana; ary ny hazandrano koa dia araka izay nilainy.
12
Rehefa voky ny olona dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany mba tsy hisy ho very.
13
Dia nangoniny ka nahafeno harona roa amby folo ny sombintsombin’ny mofo varimbazaha dimy, izay ambiny tsy lanin’ny mpihinana.
14
Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’i Jesosy: Ity tokoa no ilay Mpaminany izay tonga eto amin’izao tontolo izao.
15
Rehefa fantatr’i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka dia lasa niala indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.
16
Rehefa hariva ny andro dia nidina ho eny amin’ny ranomasina ny mpianany.
17
Niondrana an-tsambokely izy ireo dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Efa maizina sahady ny andro tamin’izay nefa Jesosy tsy mbola tonga teny aminy.
18
Ary nanonja be ny ranomasina, fa mafy ny fifofofofon’ny rivotra.
19
Rehefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stadio izy ireo dia nahita an’i Jesosy nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina ary nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy ireo.
20
Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany ity; aza matahotra.
21
Dia ta handray Azy ho eo an-tsambokely izy ireo; ary niaraka tamin’izay ny sambokely dia tonga tamin’ny tany izay nalehany.
22
Nony ampitson’iny, ny vahoaka izay nijanona teny ampitan’ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin’ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,
23
kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin’ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,
24
koa nony hitan’ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ireo ka nankany Kapernaomy mba hitady an’i Jesosy.
25
Rehefa nahita Azy teny ampitan’ny ranomasina izy ireo dia niteny Taminy hoe: Raby ô, oviana no tonga teto Ianao?
26
Dia hoy Jesosy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
27
Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ny Zanak’Olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase.
28
Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?
29
Dia novalin’i Jesosy hoe: Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
30
Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?
31
Ny razantsika dia nihinana ny mana tany an-tany efitra, araka ny voasoratra hoe: «Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny» (Sal 78.24).
32
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy i Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
33
Fa ny mofon’Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao.
34
Dia hoy ireo Taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
35
Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy dia tsy mba hangetaheta intsony.
36
Efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo nefa tsy mino.
37
Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
38
Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy.
39
Ary izao no sitrapon’izay naniraka Ahy dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ny andro farany izy ireny.
40
Fa izao no sitrapon’ny Raiko dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.
41
Dia nimonomonona tamin’i Jesosy ny Jiosy satria Izy nilaza hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
42
Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, zanak’i Josefa, izay fantatsika ny ray aman-dreniny? Koa ahoana indray no ilazany ankehitriny hoe: Izaho ilay nidina avy tany an-danitra?
43
Fa hoy Jesosy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
44
Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.
45
Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: «Ary izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra» (Isa 54.13). Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ny Ray no manatona Ahy.
46
Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
47
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay mino no manana fiainana mandrakizay.
48
Izaho no mofon’aina.
49
Ny razanareo dia nihinana ny mana tany an-tany efitra nefa maty ihany.
50
Inty kosa dia mofo midina avy any an-danitra mba tsy ho faty izay mihinana azy.
51
Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko mba ho fiainan’izao tontolo izao.
52
Dia nifandìtra ny Jiosy ka niteny hoe: Hataon’Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
53
Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’Olona sy misotro ny rany ianareo dia tsy manana fiainana ao aminareo.
54
Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.
55
Fa ny nofoko no tena fihinana ary ny rako no tena fisotro.
56
Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao Amiko ary Izaho kosa ao aminy.
57
Tahaka ny nanirahan’ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ny alalan’ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amin’ny alalako.
58
Inty no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.
59
Izany teny izany no nolazainy tao amin’ny sinagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
60
Maro tamin’ny mpianany izay nandre Azy no niteny hoe: Sarotra izany teny izany, iza no afaka hihaino izany?
61
Ary fantatr’i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona ny amin’izany ny mpianany, koa hoy Izy tamin’izy ireo: Mahatafintohina anareo va izany?
62
Mainka raha mahita ny Zanak’Olona miakatra ho any amin’izay nitoerany taloha ianareo.
63
Ny fanahy no mahavelona; ny nofo dia tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
64
Kanefa misy tsy mino ny sasany aminareo. Fantatr’i Jesosy hatramin’ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.
65
Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany.
66
Hatramin’io dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha Taminy intsony.
67
Dia hoy Jesosy tamin’ny roa amby folo lahy: Ianareo koa va mba te hiala?
68
Hoy i Simona Petera Taminy hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.
69
Ary mino izahay ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra.
70
Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa amby folo lahy, nefa ny iray aminareo aza dia devoly?
71
Fa nilaza an’i Jodasy, zanak’i Simona iskariota, Izy tamin’io; izy io no ilay efa hamadika Azy, nefa isan’ny roa amby folo lahy.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21