bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 21
John 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
1
Taorianan’izany, dia niseho tamin’ny mpianatra indray Jesosy teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiasy. Toy izao no fomba nisehoany:
2
Niaraka i Simona Petera sy i Tomasy, izay atao hoe Kambana, teo koa i Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak’i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa.
3
Hoy i Simona Petera: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, nefa tamin’iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy ireo.
4
Nony efa nazava ratsy ny andro dia nitsangana teo amoron-drano Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy.
5
Dia hoy Jesosy tamin’izy ireo: Anaka, manan-kanina va ianareo? Dia namaly Azy izy ireo hoe: Tsia.
6
Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin’ny sisiny havanan’ny sambokely ny haratonareo dia hahazo ianareo. Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano.
7
Ary hoy ilay mpianatra izay tian’i Jesosy tamin’i Petera: Ny Tompo irỳ. Vao ren’i Simona Petera fa ny Tompo iny dia nisikinany ny akanjo ivelany, fa tsy niakanjo izy, dia nirotsaka tao amin’ny rano izy.
8
Fa ireo mpianatra sasany dia nandeha tamin’ny sambokely ihany ka nisarika ny harato feno hazandrano; satria tsy lavitra ny tany izy fa tokony ho roanjato hakiho ihany.
9
Rehefa niakatra teo an-tanety izy ireo dia nahita afon’arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo.
10
Hoy Jesosy taminy: Mitondrà hazandrano amin’ireo vao azonareo teo.
11
Dia niakatra i Simona Petera ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimampolo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza ny hazandrano dia tsy triatra ny harato.
12
Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Ianao? Satria fantany ihany fa ny Tompo io.
13
Ary tonga Jesosy dia nandray ny mofo ka natolony azy, avy eo dia ny hazandrano indray.
14
Izany no fanintelony nisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy.
15
Rehefa nisakafo izy ireo dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto? Hoy izy Taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
16
Hoy indray Izy taminy fanindroany: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy Taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.
17
Hoy Izy fanintelony: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo i Petera satria Izy niteny intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy Taminy: Tompoko, Ianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
18
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao dia nisikina ka nandeha tamin’izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao dia hanatsotra ny tananao ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin’izay tsy tianao.
19
Ary izany no nolazainy mba hanambarana ny fomban’ny fahafatesana izay hankalazany an’Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
20
Dia nitodika i Petera ka hitany manaraka azy ilay mpianatra tian’i Jesosy, dia ilay niankina tamin’ny tratrany tamin’ny fisakafoanana ka niteny hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
21
Rehefa nahita azy i Petera dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin’ity lehilahy ity?
22
Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, ahoanao izany? Fa ianao manaraha Ahy.
23
Ary niely tamin’ny rahalahy ny resaka fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako haharitra izy mandra-piaviko, ahoanao izany?
24
Izy no ilay mpianatra izay vavolombelon’izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambaràny.
25
Misy zavatra maro hafa koa izay nataon’i Jesosy, koa raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza tsy omby ny boky voasoratra.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21