bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 19
John 19
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 20 →
1
Tamin’izay dia nalain’i Pilato i Jesosy ka nasainy nokapohina.
2
Ary nandrandrana satroka tsilo ny miaramila ka nasatrony ny lohany sady nampitafiany lamba volomparasy Izy,
3
dia nanatona Azy ny miaramila ka niteny Taminy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy! Sady namely tehamaina Azy izy.
4
Dia nivoaka nankeo ivelany indray i Pilato ka niteny tamin’izy ireo hoe: Indro, mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo aho mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony na dia kely akory aza.
5
Ary navoaka avy tao Jesosy, misatroka tsilo sy mitafy lamba volomparasy. Dia hoy i Pilato tamin’ny vahoaka: Indro ny lehilahy!
6
Rehefa hitan’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy dia niantso ireo hoe: Homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy ka homboy amin’ny hazofijaliana; fa izaho anefa dia tsy mahita izay helony.
7
Fa namaly azy ny Jiosy hoe: Izahay dia manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy satria nanao ny tenany ho Zanak’Andriamanitra.
8
Nony ren’i Pilato izany teny izany dia vao mainka natahotra izy
9
ka niditra tao an-dapa indray sady niteny tamin’i Jesosy hoe: Avy aiza moa Ianao? Nefa tsy namaly teny azy akory Jesosy.
10
Dia hoy Pilato Taminy: Tsy miteny amiko va Ianao? Tsy fantatrao va fa manana fahefana hanafaka Anao aho sady manana fahefana hanombo Anao amin’ny hazofijaliana koa?
11
Dia hoy Jesosy taminy: Tsy manana fahefana Amiko akory ianao raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.
12
Hatreo dia nitady hanafaka Azy i Pilato; nefa niantsoantso ny Jiosy hoe: Raha afahanao io lehilahy io dia tsy mba sakaizan’i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’i Kaisara.
13
Rehefa ren’i Pilato izany teny izany dia nitondra an’i Jesosy nivoaka avy tao izy ka nipetraka teo amin’ny seza fitsarana teo amin’ny toerana atao hoe Lampivato, na hoe Gabata amin’ny teny hebreo;
14
andro fiomanana amin’ny Paska ny andro tamin’izay, tokony ho tamin’ny ora fahenina; dia hoy izy tamin’ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo!
15
Fa niantsoantso ireo hoe: Vonoy, vonoy, homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Hoy Pilato tamin’izy ireo: Hohomboiko amin’ny hazofijaliana va ny Mpanjakanareo? Dia hoy ireo lehiben’ny mpisorona hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.
16
Ary tamin’izay i Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin’ny hazofijaliana. Dia noraisin’ireo Jesosy;
17
ary Izy nitondra ny hazofijaliany, dia nankany amin’ny toerana atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ny teny hebreo hoe Golgota.
18
Teo no nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka Taminy, iray avy teo an-daniny roa, fa Jesosy no teo afovoany.
19
Ary nanoratra anarana i Pilato ka napetany teo amin’ny hazofijaliana. Izao no voasoratra: jesosy avy any nazareta, mpanjakan’ny jiosy.
20
Ary izany anarana izany dia novakin’ny Jiosy maro, fa akaikin’ny tanàna ny toerana izay nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana; voasoratra tamin’ny teny hebreo sy romana ary grika izany soratra izany.
21
Noho izany ireo lehiben’ny mpisorona tamin’ny Jiosy dia niteny tamin’i Pilato hoe: Aza soratana hoe: Mpanjakan’ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan’ny Jiosy Aho.
22
Fa hoy i Pilato hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.
23
Rehefa voahombon’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Jesosy dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; nalainy koa ny akanjony; tsy nisy vitrana izany akanjony izany fa tenona iray ihany.
24
Dia niresaka izy ireo hoe: Aza triarintsika ity fa aoka hanaovantsika antsapaka ny amin’izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: «Nozarainy ny fitafiako ary nanaovany antsapaka ny akanjoko» (Sal 22.18). Izany zavatra izany no nataon’ny miaramila.
25
Ary nijanona teo akaikin’ny hazofijalian’i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, i Maria, vadin’i Klopa, sy i Maria Magdalena.
26
Nony hitan’i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany fa nijanona teo dia hoy Izy tamin’ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!
27
Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra: Indro ny reninao! Hatramin’izay ora izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy i Maria.
28
Taorianan’izany dia fantatr’i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra mba hahatanteraka ny Soratra Masina ka hoy Izy: Mangetaheta Aho.
29
Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra naraikiny tamin’ny hisopa ka nataon’ny miaramila tamin’ny vavan’i Jesosy.
30
Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy dia niteny hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.
31
Ary satria andro fiomanana ny andro dia nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon’ireo ka hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin’ny hazofijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany.
32
Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany sy ny an’ny iray koa izay niaraka nohomboina tamin’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana.
33
Fa nony nankeo amin’i Jesosy izy dia hitany fa efa maty sahady Izy, koa tsy mba notapahiny ny ranjony.
34
Nisy miaramila iray anefa nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’izay dia nisy ra sy rano nandeha.
35
Ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambaràny; ary fantany fa milaza ny marina izy mba hinoanareo koa.
36
Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: «Tsy hisy hotapahina ny taolany» (Eks 12.46; Sal 34.20).
37
Hoy koa ny teny iray ao amin’ny Soratra Masina: «Hijery izay nolefoniny izy» (Zak 12.10).
38
Taorianan’izany dia nangataka tamin’i Pilato i Josefa avy any Arimatia mba hahazoany manaisotra ny fatin’i Jesosy. Mpianatr’i Jesosy i Josefa, nefa tamin’ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy. Nomen’i Pilato lalana izy. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin’i Jesosy.
39
Tonga koa i Nikodemosy, ilay nankao amin’i Jesosy tamin’ny alina tamin’ny voalohany, ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra.
40
Dia noraisiny ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin’ny zavamanitra, araka ny fanaon’ny Jiosy, raha manamboatra faty halevina.
41
Nisy saha teo amin’ilay nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana; ary teo anatin’ilay saha dia nisy fasana vaovao izay tsy mbola nandevenana olona.
42
Tao no nandevenany an’i Jesosy noho ny andro fiomanan’ny Jiosy satria akaiky teo ny fasana.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21