bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 10
John 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 11 →
1
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry fa mananika ny fefy dia mpangalatra sy jiolahy.
2
Fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ny ondry.
3
Ary izy no vohàn’ny mpiandry vavahady; ary ny ondry dia mihaino ny feony; koa izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ary entiny mivoaka avy tao.
4
Rehefa mamoaka ny ondriny rehetra izy dia mialoha azy ireo; ary manaraka azy ny ondriny satria mahalala ny feony ireo.
5
Ny vahiny dia tsy mba harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ny vahiny.
6
Izany fanoharana izany no nataon’i Jesosy taminy, nefa tsy azon’ireo nihaino, izay tiany nolazainy taminy.
7
Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ondry.
8
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.
9
Izaho no vavahady; raha Izaho no idiran’ny olona dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
10
Ny mpangalatra dia tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be.
11
Izaho no Mpiandry tsara; ny Mpiandry tsara dia manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
12
Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon’ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia kosa dia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy ireo;
13
mandositra izy satria mpikarama ka tsy miraharaha ny ondry.
14
Izaho no Mpiandry tsara; ary fantatro ny Ahy sady fantany Aho,
15
dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
16
Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ireny koa dia tsy maintsy hoentiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy rehetra sady iray ihany ny Mpiandry.
17
Izany no itiavan’ny Raiko Ahy satria manolotra ny aiko Aho mba handraisako azy indray.
18
Tsy misy manaisotra ny aiko Amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ny Raiko.
19
Ary nisy fisarahana indray teo amin’ny Jiosy noho izany teny izany.
20
Maro tamin’ireo no niteny hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo?
21
Hoy kosa anefa ny sasany: Tsy mba tenin’ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason’ny jamba?
22
Tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro.
23
Ary Jesosy nitsangantsangana tao amin’ny tempoly teo amin’ny fialofan’i Solomona.
24
Dia nitangoronan’ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy dia lazao marimarina aminay.
25
Ary Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin’ny anaran’ny Raiko no manambara Ahy.
26
Kanefa tsy mino ianareo satria tsy mba isan’ny ondriko.
27
Ny ondriko dia mihaino ny feoko, mahalala azy Aho, ary manaraka Ahy izy,
28
ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay ka tsy ho very mandrakizay izy, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako.
29
Ny Raiko izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ny tanan’ny Ray.
30
Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
31
Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.
32
Fa hoy Jesosy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin’ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
33
Namaly Azy ny Jiosy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Ianao nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.
34
Dia hoy Jesosy hoe: Tsy voasoratra ao amin’ny lalànanareo va hoe: «Hoy aho: Ianareo andriamanitra» (Sal 82.6)?
35
Raha ireny izay nanaovana izany tenin’Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra, ary ny Soratra Masina dia tsy azo foanana,
36
moa izay nohasinin’ny Ray ka nirahiny ho amin’izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy ianao, satria hoy Aho: Zanak’Andriamanitra Aho?
37
Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho dia aza mino Ahy.
38
Fa raha manao ny asany ihany kosa Aho, na tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato Amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray.
39
Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa niala teo Izy ka tsy voatanany.
40
Dia lasa nankany andafin’i Jordana indray Jesosy, ho any amin’ilay toerana nanaovan’i Jaona batisa voalohany ka nitoetra tany Izy.
41
Maro no nankeo Aminy ka nilaza hoe: Tsy mba nanao famantarana i Jaona, nefa izay rehetra nolazainy ny amin’ity lehilahy ity dia marina avokoa.
42
Ary maro no nino Azy teo.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21