bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 5
John 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 6 →
1
Taorianan’izany dia nisy andro firavoravoan’ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.
2
Any Jerosalema, eo akaikin’ny vavahadin’ondry, dia misy farihy izay antsoina amin’ny teny hebreo hoe Betesda; misy fialofana dimy izy io.
3
Tao no nandrian’ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny maty ila, izay miandry ny fihetsehan’ny rano.
4
Fa nisy anjely nidina tany amin’ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano; koa izay niroboka voalohany, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona aretina nanjo azy.
5
Ary nisy lehilahy iray izay efa narary nandritra ny valo amby telopolo taona teo.
6
Raha nahita azy mandry teo Jesosy ka nahalala fa efa nahazo azy hatry ny ela izany dia hoy Izy taminy: Te ho sitrana va ianao?
7
Dia namaly Azy ilay marary hoe: Tompoko, rehefa hetsehina ny rano dia tsy mba misy olona handroboka ahy ao amin’ny farihy; nefa raha mandeha aho dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.
8
Hoy Jesosy taminy: Mitsangàna, batao ny fandriananao ka mandehana.
9
Ary niaraka tamin’izay dia sitrana Ralehilahy ka nitondra ny fandrianany, ary lasa nandeha. Sabata izay andro izay.
10
Dia hoy ny Jiosy tamin’ilay efa sitrana: Sabata ny andro ka tsy mety raha mitondra ny fandriananao ianao.
11
Fa hoy Ralehilahy hoe: Ilay nanasitrana ahy no niteny tamiko hoe: Batao ny fandriananao ka mandehana.
12
Ary ireo dia nanontany azy hoe: Iza moa izany lehilahy izany, izay niteny taminao hoe: Batao ny fandriananao ka mandehana?
13
Fa ilay sitrana dia tsy nahalala Azy; ary niala teo Jesosy satria nisy vahoaka betsaka teo.
14
Taorianan’izany dia hitan’i Jesosy tao amin’ny tempoly Ralehilahy, ary hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.
15
Dia lasa Ralehilahy ka nanambara tamin’ny Jiosy fa Jesosy no nanasitrana azy.
16
Ary noho izany dia nanenjika an’i Jesosy ny Jiosy satria nanao izany zavatra izany tamin’ny Sabata Izy.
17
Dia hoy Jesosy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.
18
Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho Izy nandika ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy sady nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra Izy.
19
Hoy indray Jesosy tamin’izy ireo: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona avy amin’ny fahefan’ny tenany, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka.
20
Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy mba ho gaga ianareo.
21
Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty dia tahaka izany koa no ameloman’ny Zanaka izay tiany.
22
Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka
23
mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy.
24
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hotsaraina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy.
25
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny fotoana ary tonga ankehitriny, izay handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona.
26
Fa tahaka ny Ray manana fiainana ao Aminy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ao Aminy;
27
ary nomeny fahefana hitsara Izy satria Zanak’Olona.
28
Aza gaga amin’izany; fa avy ny fotoana izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony;
29
dia hiala avy ao izy: Izay nanao ny tsara dia ho amin’ny fitsanganana mitondra amin’ny fiainana; fa izay nanao ny ratsy kosa dia ho amin’ny fitsanganana mitondra amin’ny fitsarana.
30
Raha Izaho dia tsy afaka manao na inona na inona avy amin’ny fahefan’ny tenako; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy.
31
Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambaràko.
32
Misy Iray izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambaràna izay anambaràny Ahy.
33
Ianareo dia nandefa iraka tany amin’i Jaona, ary nanambara ny marina momba Ahy izy.
34
Fa tsy mandray ny fanambaràna avy amin’olona Aho; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy ianareo.
35
I Jaona dia jiro nirehitra ka namirapiratra; ary sitrakareo ny nifaly vetivety tamin’ny fahazavany.
36
Fa Izaho kosa manana fanambaràna lehibe noho i Jaona; satria ny asa nomen’ny Ray Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara ny momba Ahy fa nirahin’ny Ray Aho.
37
Ary ny Ray izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony na hitanareo akory aza ny endriny;
38
ary tsy mba mitoetra ao anatinareo ny teniny satria tsy mino izay nirahiny ianareo.
39
Dinihinareo ny Soratra Masina satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.
40
Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hanananareo fiainana.
41
Tsy mandray laza amam-boninahitra avy amin’olona Aho.
42
Fa fantatro ianareo fa tsy misy fitiavana an’Andriamanitra ao am-ponareo.
43
Izaho dia avy amin’ny anaran’ny Raiko nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin’ny anaran’ny tenany dia horaisinareo ihany izy.
44
Hataonareo izay mifampitady voninahitra ahoana moa no fino, raha ny voninahitra avy amin’ny Andriamanitra tokana aza tsy mba tadiavinareo?
45
Aza heverinareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia i Mosesy izay itokianareo.
46
Fa raha mba nino an’i Mosesy ianareo dia ho nino Ahy satria nanoratra nilaza Ahy izy.
47
Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ireo teniko?
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21