bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 15
John 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 16 →
1
Izaho no tena voaloboka ary ny Raiko no mpamboly.
2
Ny sampany rehetra eo Amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia dioviny mba hamoa bebe kokoa.
3
Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko izay nolazaiko taminareo.
4
Tomoera ao Amiko ary Izaho ao aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy mitoetra amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy mitoetra ao Amiko.
5
Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona.
6
Raha misy tsy mitoetra ao Amiko dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao amin’ny afo dia ho may.
7
Raha mitoetra ao Amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany.
8
Izany no ankalazana ny Raiko mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
9
Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako ianareo.
10
Raha mitandrina ny didiko ianareo dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany.
11
Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo mba ho ao aminareo ny fifaliako ka ho feno ny fifalianareo.
12
Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
13
Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
14
Ianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.
15
Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo dia tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa nataoko hoe sakaiza ianareo satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.
16
Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona.
17
Izany zavatra izany no andidiako anareo mba hifankatiavanareo.
18
Raha halan’izao tontolo izao ianareo dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.
19
Raha avy amin’izao tontolo izao ianareo dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy avy amin’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.
20
Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo dia tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy dia hitandrina ny anareo koa.
21
Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako satria tsy mahalala izay naniraka Ahy izy.
22
Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialana azony atao ny amin’ny helony.
23
Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.
24
Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon’olon-kafa dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia efa hitany sady efa halany Aho sy ny Raiko koa;
25
fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin’ny lalànany hoe: «Halany tsy amin’antony Aho» (Sal 69.4; 109.3).
26
Fa raha tonga ny Mpananatra, izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
27
Ary ianareo koa dia ho vavolombelona hanambara satria ianareo dia efa teto Amiko hatramin’ny voalohany.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21