bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 4
John 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 5 →
1
Tamin’izay, rehefa fantatr’i Jesosy fa ny Fariseo efa nahare hoe: Jesosy mahazo mpianatra maro sy nanao batisa be noho i Jaona,
2
kanefa tsy Jesosy tenany no nanao batisa fa ny mpianany,
3
dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.
4
Ary tsy maintsy namakivaky an’i Samaria Izy.
5
Tonga tao an-tanàna iray any Samaria, izay atao hoe Sikara, Jesosy; izy io dia akaikin’ny tany izay nomen’i Jakoba ho an’i Josefa zanany.
6
Ary teo ilay fantsakan’i Jakoba. Koa satria sasatra tamin’ny nalehany Jesosy dia nipetraka teo am-pantsakana, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina.
7
Ary nisy vehivavy samaritana iray avy hantsaka rano; dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko.
8
Fa efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany.
9
Fa hoy Ravehivavy samaritana Taminy: Jiosy Ianao ka nahoana no mangataka amiko rano hosotroina nefa aho vehivavy samaritana? Fa ny Jiosy dia tsy manan-draharaha amin’ny Samaritana.
10
Ary hoy Jesosy: Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra sy izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko dia ianao no ho nangataka Taminy ka nomeny rano velona.
11
Hoy Ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Ianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no hahazoanao izany rano velona izany?
12
Ianao va lehibe noho i Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin’ny bibiny no nisotro teto?
13
Fa Jesosy namaly azy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray;
14
fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; satria ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao aminy ho fiainana mandrakizay.
15
Dia hoy Ravehivavy Taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.
16
Ary hoy Jesosy taminy: Andeha ary antsoy ny vadinao dia mankanesa atỳ.
17
Namaly Azy Ravehivavy hoe: Tsy manambady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manambady aho;
18
fa efa nanambady indimy ianao sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.
19
Hoy Ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany ianao.
20
Ny razanay dia nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity; ianareo anefa dia milaza fa any Jerosalema ihany no tokony hivavahana.
21
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray.
22
Ianareo dia mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; izahay kosa dia mivavaka amin’izay fantatray satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena.
23
Fa avy ny fotoana sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; satria ny Ray koa mitady ny mpivavaka Aminy ho tahaka izany.
24
Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.
25
Dia hoy Ravehivavy taminy: Fantatro fa ho avy ny Mesia, ilay atao hoe Kristy; koa rehefa tonga Izy dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
26
Hoy Jesosy taminy: Izaho izay miresaka aminao no Izy.
27
Tamin’izay dia tonga ny mpianany ka gaga satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nahateny hoe: Inona no tadiavinao? Na hoe: Nahoana no miresaka aminy Ianao?
28
Dia nandao ny sininy Ravehivavy ka nankany an-tanàna ary nilaza tamin’ny olona hoe:
29
Andeha isika hizaha lehilahy iray, izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; izao angaha no Kristy!
30
Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’i Jesosy.
31
Nandritra izany fotoana izany kosa dia niangavy Azy ny mpianany hoe: Hano, Raby ô.
32
Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanina izay tsy fantatrareo.
33
Dia niresaka ny mpianatra hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?
34
Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
35
Moa tsy ianareo va no milaza hoe: Efa-bolana no sisa dia ho tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo ka jereo, fa efa masaka sahady ho amin’ny fijinjana ny eny an-tsaha.
36
Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
37
Ary amin’izany dia marina ilay teny hoe: Mamafy ny iray, mijinja kosa ny iray.
38
Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin’izay nisasarany.
39
Maro ny Samaritana avy tao amin’izany tanàna izany no nino an’i Jesosy noho ny filazan-dRavehivavy izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.
40
Rehefa nanatona Azy ny Samaritana dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; koa nitoetra tao roa andro Izy.
41
Ary maro koa no nino noho ny teniny
42
ka nilaza tamin-dRavehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
43
Rehefa afaka ny roa andro dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.
44
Fa Jesosy tenany no nanambara fa tsy misy mpaminany omen-kaja ao amin’ny taniny.
45
Koa rehefa tonga tany Galilia Izy dia nandray Azy ny Galiliana satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ny andro firavoravoana; fa mba niakatra tamin’ny andro firavoravoana koa izy ireo.
46
Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin’ilay nampodiany ny rano ho divay. Nisy tandapa iray tany Kapernaomy izay nanana zanakalahy narary.
47
Rehefa nahare izy fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia dia nankany Aminy izy ka nangataka Azy mba hidina any aminy sy hanasitrana ny zanany izay efa ho faty.
48
Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo dia tsy mba hety hino mihitsy.
49
Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midìna re dieny tsy mbola maty ny zanako.
50
Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary nino ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy Ralehilahy ka lasa nody.
51
Nony nidina izy dia nitsena azy ireo mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.
52
Ary nanontany azy ny ora izay nahasitranany izy. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny tazo taminy.
53
Koa fantatry ny rainy fa tamin’izay indrindra no ora nitenenan’i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin’ny ankohonany rehetra.
54
Izany no famantarana faharoa nataon’i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21