bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 13
John 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 14 →
1
Talohan’ny andro firavoravoana tamin’ny Paska, satria fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ary tia ny Azy izay ao amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany.
2
Raha mbola teo amin’ny fisakafoanana hariva izy ireo, ary i Jodasy iskariota, zanak’i Simona, dia efa nomen’ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy,
3
sady fantatr’i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tanany, ary Andriamanitra no niaviany, sady Andriamanitra koa no iverenany,
4
dia nitsangana niala teo am-pisakafoanana Izy ka nametraka ny akanjony ivelany ary naka lamba famaohana ka nisikinany;
5
avy eo dia nampidina rano tamin’ny koveta Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ny lamba famaohana izay nisikinany.
6
Dia nankeo amin’i Simona Petera Izy; fa hoy i Petera Taminy: Tompoko, Ianao va no hanasa ny tongotro?
7
Dia hoy Jesosy: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny fa ho fantatrao aorianan’izao.
8
Fa hoy i Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Ianao. Dia hoy Jesosy hoe: Raha tsy hosasako ianao dia tsy manana anjara Amiko.
9
Dia hoy i Simona Petera Taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary fa ny tanako sy ny lohako koa.
10
Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro dia tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.
11
Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra.
12
Rehefa voasasany ny tongony dia nandray ny akanjony ivelany Izy ka nipetraka indray sady niteny taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?
13
Ianareo dia miantso Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo fa izany tokoa Aho.
14
Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra.
15
Fianarana no nomeko anareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.
16
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo dia tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho izay maniraka azy.
17
Raha fantatrareo izany dia sambatra ianareo raha manao izany.
18
Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: «Izay homana ny mofoko no nanainga ny voditongony hamely Ahy» (Sal 41.9).
19
Hatramin’izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany mba hinoanareo rehefa tonga, fa Izaho no Izy.
20
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
21
Rehefa nilaza izany Jesosy dia nangorohoro ny fanahiny ka nanambara Izy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny iray aminareo no hamadika Ahy.
22
Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy.
23
Ary nisy mpianatra iray nipetraka nihinana teo anilan’i Jesosy, dia ilay tian’i Jesosy.
24
Niantso azy i Simona Petera ka nanontany azy hoe: Iza no lazainy amin’izany.
25
Raha mbola nipetraka tahaka izany izy dia niraika ho amin’ny tratran’i Jesosy ka niteny Taminy hoe: Tompoko, iza moa izany?
26
Dia namaly Jesosy hoe: Ilay homeko ny sombi-mofo izay hatsoboko no izy. Ary rehefa natsobony ny sombi-mofo dia noraisiny ka nomeny an’i Jodasy, zanak’i Simona iskariota.
27
Taorianan’izany no nidiran’i Satana tao aminy, koa hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy haingana.
28
Fa tsy nisy tamin’izay nipetraka nihinana no nahalala ny anton’ny nilazany izany taminy.
29
Fa nataon’ny sasany hoe satria i Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana na mandehana manome zavatra ho an’ny mahantra.
30
Ary rehefa nandray ny sombi-mofo izy dia niala teo niaraka tamin’izay. Ary efa alina ny andro tamin’izay.
31
Nony efa tafavoaka izy dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak’Olona; ary Andriamanitra no ankalazaina ao Aminy.
32
Ary Andriamanitra hankalaza Azy amin’ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin’izay Izy.
33
Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy ianareo, nefa araka ny voalazako tamin’ny Jiosy hoe: Izay alehako dia tsy ho azonareo aleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny.
34
Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa.
35
Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.
36
Hoy i Simona Petera taminy: Tompoko, ho aiza moa Ianao? Dia novalìn’i Jesosy hoe: Izay alehako dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny, fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay.
37
Hoy i Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao aho ankehitriny? Na ny aiko aza anefa dia hafoiko noho ny Aminao.
38
Fa hoy Jesosy: Ny ainao va hafoinao noho ny Amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno dia handa Ahy intelo ianao.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21