bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 8
John 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 9 →
1
Fa Jesosy kosa nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.
2
Raha vao maraina dia nankao amin’ny tempoly indray Jesosy, ary satria ny vahoaka rehetra nanatona Azy dia nipetraka Izy ka nampianatra azy.
3
Ary nisy vehivavy iray, tratra nijangajanga, noentin’ny mpanoradalàna sy ny Fariseo; ary rehefa avy napetrany teo afovoany izy
4
dia hoy ireo Taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity dia tratra nijangajanga.
5
Ary ao amin’ny lalàna, i Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo 22.22-24); fa ahoana kosa hoy Ianao?
6
Izany no nolazainy hakany fanahy Azy mba hahazoany antony hiampangana Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsantanany.
7
Ary raha nitohy nanontany Azy ry zareo dia nitraka Izy ka niteny taminy hoe: Izay tsy nanota aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.
8
Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsantanany.
9
Raha nandre izany izy ireo dia niala tsirairay, hatramin’ny zokinjokiny ka hatramin’ny zandrinjandriny; ary Jesosy sy ilay vehivavy, izay natao teo afovoany, irery no sisa teo.
10
Rehefa nitraka Jesosy dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ry zareo teo? Tsy nisy nanameloka anao va?
11
Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.
12
Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.
13
Dia hoy ny Fariseo Taminy: Ianao izao dia manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.
14
Hoy Jesosy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho dia marina ny fanambaràko satria fantatro izay niaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa dia tsy mahalala izay niaviako na izay alehako.
15
Mitsara araka ny nofo ianareo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.
16
Ary na dia mitsara aza Aho dia marina ny fitsarako satria tsy irery Aho, fa ao Izaho sy ny Ray izay naniraka Ahy.
17
Fa voasoratra ao amin’ny lalànanareo fa marina ny teny ijoroan’ny olona roa vavolombelona (Deo 19.15).
18
Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa.
19
Dia hoy ireo taminy: Aiza izay Rainao? Dia hoy Jesosy hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho na ny Raiko; raha nahalala Ahy ianareo dia ho nahalala ny Raiko koa.
20
Teo akaikin’ny fandatsahan-drakitra izany teny izany no nolazain’i Jesosy, raha nampianatra tao amin’ny tempoly Izy; ary tsy nisy olona nisambotra Azy satria tsy mbola tonga ny fotoanandrony.
21
Hoy indray Jesosy taminy: Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; izay halehako dia tsy ho azonareo aleha.
22
Dia hoy ny Jiosy: Hamono tena va Izy no milaza hoe: Izay alehako dia tsy azonareo aleha?
23
Fa hoy Izy taminy: Ianareo dia avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony; ianareo dia avy amin’izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin’izao tontolo izao;
24
koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo.
25
Dia hoy ireo taminy: Iza moa Ianao? Hoy Jesosy tamin’izy ireo: Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany.
26
Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho satria marina izay naniraka Ahy; ary izay zavatra reko Taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao.
27
Tsy fantany fa ny Ray no nolazainy taminy,
28
koa hoy Jesosy: Rehefa asandratrareo ny Zanak’Olona dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona amin’ny fahefan’ny tenako Aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.
29
Ary izay naniraka Ahy dia eto Amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.
30
Rehefa nilaza izany teny izany Jesosy dia maro no nino Azy.
31
Dia hoy Jesosy tamin’ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin’ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa;
32
koa ho fantatrareo ny marina ary ny marina no hanafaka anareo tsy ho andevo.
33
Ary ireo dia namaly Azy hoe: Taranak’i Abrahama izahay fa tsy mba andevon’olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?
34
Hoy Jesosy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota.
35
Fa ny andevo dia tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva; fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva.
36
Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo.
37
Fantatro ihany fa taranak’i Abrahama ianareo nefa mitady hamono Ahy satria tsy mitombo ao anatinareo ny teniko.
38
Izay efa hitako tamin’ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa dia manao izay renareo tamin’ny rainareo.
39
Dia hoy ireo hoe: I Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak’i Abrahama ianareo dia ny asan’i Abrahama no hataonareo.
40
Fa ankehitriny ianareo dia mitady hamono Ahy, izay lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin’Andriamanitra; tsy mba nanao izany i Abrahama.
41
Ianareo dia manao ny asan’ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin’ny fijangajangana izahay; iray ihany ny Rainay dia Andriamanitra.
42
Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo dia ho tia Ahy ianareo satria avy tamin’Andriamanitra no niaviako sy nankanesako atỳ; fa Izaho tsy tonga amin’ny fahefan’ny tenako fa Izy no naniraka Ahy.
43
Nahoana no tsy azonareo ny teniko? Satria tsy afaka mihaino ny teniko ianareo.
44
Ianareo avy tamin’ny devoly rainareo, koa izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy dia ny azy no lazainy satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.
45
Fa satria milaza ny marina Aho dia tsy inoanareo.
46
Iza aminareo moa no hampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy?
47
Izay avy amin’Andriamanitra dia mihaino ny tenin’Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo satria tsy mba avy amin’Andriamanitra ianareo.
48
Dia namaly Azy ny Jiosy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana ianao sady manana demonia?
49
Fa hoy Jesosy hoe: Tsy manana demonia Aho, fa mankalaza ny Raiko, nefa kosa ianareo dia manala baraka Ahy.
50
Fa Izaho tsy mitady ny voninahitro; misy iray mitady sy mitsara.
51
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko dia tsy mba hahita fahafatesana mandrakizay.
52
Dia hoy ny Jiosy Taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Ianao. Efa maty i Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Ianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko dia tsy mba hanandrana fahafatesana mandrakizay izy.
53
Moa Ianao va lehibe noho i Abrahama rainay izay efa maty? Sady efa maty koa ny mpaminany; koa manao Anao ho iza moa Ianao?
54
Dia novalin’i Jesosy hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho dia tsinontsinona ny voninahitro; ny Raiko, izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy.
55
Tsy fantatrareo Izy fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Aho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny.
56
Miravoravo i Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.
57
Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao izao dia ho efa nahita an’i Abrahama va Ianao?
58
Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary i Abrahama dia efa Izy Aho.
59
Dia naka vato hitorahana Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala tao amin’ny tempoly.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21