bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
John 18
John 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 19 →
1
Rehefa voalazan’i Jesosy izany teny izany dia nandeha Izy mbamin’ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran’Izy sy ny mpianany.
2
Ary i Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahafantatra izany toerana izany satria mpankao matetika Jesosy mbamin’ny mpianany.
3
Ary rehefa nahazo miaramila iray toko sy mpiambina avy tamin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo i Jodasy dia nankao nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.
4
Ary satria fantatr’i Jesosy izay rehetra hanjo Azy dia nanatona azy ireo Izy ka niteny tamin’ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo?
5
Ary novalin’ireo hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa i Jodasy, ilay namadika Azy.
6
Raha vao nilaza taminy Jesosy hoe: Izaho no Izy, dia nihemotra ireo ka lavo tamin’ny tany.
7
Ary nanontany azy indray Jesosy hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta.
8
Dia hoy Jesosy hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo dia avelao handeha ireto;
9
mba hahatanteraka ny teny izay nolazainy hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.
10
Ary nanana sabatra i Simona Petera dia nanatsoaka izany ka nikapa ny sofin’ny mpanompon’ny Mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny havanana. Malko no anaran’ilay mpanompo.
11
Dia hoy Jesosy tamin’i Petera: Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Raiko Ahy?
12
Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiambina tamin’ny Jiosy dia nisambotra an’i Jesosy ka namatotra Azy,
13
dia nitondra Azy tany amin’i Anasy aloha, fa izy no rafozan’i Kaiafa, Mpisoronabe tamin’izany taona izany.
14
I Kaiafa dia ilay nanome saina ny Jiosy hoe mahatsara raha maty ny olona iray hamonjena ny firenena.
15
Ary i Simona Petera sy ny mpianatra iray koa dia nanaraka an’i Jesosy; ary fantatry ny Mpisoronabe io mpianatra io, dia niara-niditra tamin’i Jesosy ho ao an-kianjan’ny tranon’ny Mpisoronabe izy.
16
Fa i Petera dia nijanona teny ivelan’ny vavahady. Dia nivoaka avy tao ilay mpianatra iray izay fantatry ny Mpisoronabe ka niteny tamin’ny mpiandry vavahady, dia nitondra an’i Petera niditra.
17
Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin’i Petera: Moa ianao mba isan’ny mpianatr’io lehilahy io? Hoy izy: Tsy izy aho.
18
Ary namelona afon’arina ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary mba nijanona niara-namindro taminy koa i Petera.
19
Ary nanadina an’i Jesosy ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany ny Mpisoronabe.
20
Fa Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin’izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagoga sy tao amin’ny tempoly, izay iangonan’ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin’ny takona;
21
koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo izay nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko.
22
Rehefa nilaza izany teny izany Izy dia namely tehamaina an’i Jesosy ny mpiambina iray izay nitsangana teo sady niteny hoe: Izany va no famalinao ny Mpisoronabe?
23
Dia hoy Jesosy: Raha ratsy no nolazaiko, ambarao izay maha ratsy azy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
24
Ary nasain’i Anasy noentina am-patorana ho any amin’i Kaiafa izay Mpisoronabe Izy.
25
Ary nijanona namindro teo i Simona Petera. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan’ny mpianany? Fa nandà izy hoe: Tsy izy aho.
26
Hoy ny iray tamin’ny mpanompon’ny Mpisoronabe, havan’ilay nokapain’i Petera sofina: Tsy efa hitako niaraka Taminy tao anaty saha va ianao?
27
Dia nandà indray i Petera; ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.
28
Ary noentiny niala tao amin’i Kaiafa ho ao anaty lapa Jesosy; vao maraina ny andro tamin’izay; nefa tsy niditra tao anaty lapa ireo, fandrao ho voaloto satria hihinana ny Paska izy ireo.
29
Ary nivoaka ho eo aminy teo ivelany i Pilato ka niteny hoe: Inona moa no iampanganareo io lehilahy io?
30
Dia namaly ireo hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, tsy mba natolotray anao.
31
Ary hoy i Pilato taminy: Entonareo Izy ka tsarao araka ny lalànanareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay dia tsy manam-pahefana hahafaty olona;
32
izany dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jesosy izay nolazainy ka nanambarany ny fomban’ny fahafatesana izay efa hiaretany.
33
Niditra tao anaty lapa indray i Pilato, dia niantso an’i Jesosy ka niteny Taminy hoe: Ianao va no Mpanjakan’ny Jiosy?
34
Dia novalin’i Jesosy hoe: Hevitrao ihany va no ilazanao izany sa nisy hafa nilaza Ahy taminao?
35
Namaly i Pilato hoe: Moa Jiosy va aho? Ny firenenao sy ireo lehiben’ny mpisorona no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao?
36
Hoy Jesosy hoe: Ny fanjakako dia tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako dia ho niady ny mpanompoko mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa amin’izao fotoana izao tsy avy amin’izany ny fanjakako.
37
Ary hoy i Pilato taminy: Mpanjaka ary va Ianao? Dia namaly Jesosy hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no niaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.
38
Hoy Pilato taminy: Inona ny marina? Rehefa avy nanontany izany izy dia nivoaka nankeo amin’ny Jiosy indray ka niteny taminy hoe: Tsy hitako izay helony na dia kely akory aza.
39
Fa misy fomba fanaonareo amin’ny Paska dia ny hanafahako olona iray ho anareo; koa tianareo va raha hafahako ho anareo ny Mpanjakan’ny Jiosy?
40
Nefa ireo niantso indray hoe: Tsy Ilehio, fa i Barabasy; kanefa i Barabasy dia jiolahy.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21