bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 1
Luke 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 2 →
1
Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin’ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa
2
araka izay efa natolotra antsika avy tamin’ireo vavolombelona nahita maso hatramin’ny voalohany sady efa tonga mpanompon’ny Teny,
3
dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,
4
mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
5
Tamin’ny andron’i Heroda, mpanjakan’i Jodia, dia nisy mpisorona iray atao hoe Zakaria, isan’ny antokon’i Abia; ny vadiny dia avy tamin’ny taranak’i Arona, Elizabeta no anarany.
6
Samy marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady sady nandeha tsy nanan-tsiny tamin’ny fanarahana ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ny Tompo.
7
Tsy nanan-janaka izy satria momba i Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
8
Nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan’Andriamanitra i Zakaria, araka ny fifandimbiasan’ny antokony,
9
araka ny fanao amin’ny fisoronana, dia anjarany araka ny antsapaka, ny hiditra ao amin’ny tempolin’ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.
10
Ary ny vahoaka rehetra dia nitoetra teo ivelany nivavaka tamin’ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.
11
Dia nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy teo ankavanan’ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
12
Nony nahita azy i Zakaria dia taitra loatra ka raiki-tahotra.
13
Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria fa efa nohenoina ny fangatahanao, koa i Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao ary Jaona no hataonao anarany.
14
Ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin’ny hahaterahany.
15
Fa ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon’ny reniny aza.
16
Ary maro amin’ny Zanak’Israely no hampodiny amin’NY TOMPO Andriamaniny.
17
Handeha eo alohany amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia izy mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny marina, ary hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo (Mal 3.23, 24).
18
Dia hoy i Zakaria tamin’ilay anjely: Ahoana no hahafantarako izany? Fa izaho efa antitra ary efa antitra koa ny vadiko.
19
Namaly azy ilay anjely hoe: Izaho no Gabriela izay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hanambara aminao izany vaovao mahafaly izany.
20
Koa indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’ny andro hisehoan’izany zavatra izany, ho valin’ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin’ny fotoanany.
21
Ary ny olona dia niandry an’i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin’ny tempoly.
22
Kanjo rehefa niala tao izy dia tsy nahay niteny tamin’izy ireo; koa fantatry ny olona fa nahita fahitana tao amin’ny tempoly izy; nampiasa baiko moana taminy izy, ary mbola moana ihany.
23
Rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana dia lasa nody tany an-tranony izy.
24
Taorianan’izany andro izany dia nitoe-jaza i Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nilaza hoe:
25
Izao no nataon’ny Tompo tamiko tamin’ny andro izay niheverany manokana ny hahafa-tondro-maso ahy amin’ny olona.
26
Tamin’ny fahenim-bolana dia nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna iray any Galilia antsoina hoe Nazareta,
27
ho any amin’ny virijiny iray, izay voafofo ho vadin’ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin’ny taranak’i Davida; ny anaran’ilay virijiny dia Maria.
28
Nony niditra tao aminy ilay anjely dia niteny hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.
29
Taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.
30
Hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fahasoavana tamin’Andriamanitra ianao.
31
Indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy ary ny anarany dia hataonao hoe JESOSY.
32
Izy ho lehibe ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra; NY TOMPO Andriamanitra hanome Azy ny sezafiandrianan’i Davida rainy;
33
hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
34
Dia hoy i Maria tamin’ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy nahalala lahy aho?
35
Ilay anjely namaly azy hoe: Ho tonga aminao ny Fanahy Masina, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina izay haterakao dia hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra.
36
Ary indro i Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; efa mandray ny fahenim-bolana izy, izay natao hoe momba, izao.
37
Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra lazain’Andriamanitra.
38
Dia hoy i Maria: Inty ny mpanompovavin’ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.
39
Ary niainga i Maria tamin’izany andro izany ka nandeha haingana ho any amin’ny faritra be havoana, ho ao an-tanàna iray any Joda.
40
Dia niditra tao an-tranon’i Zakaria izy ka niarahaba an’i Elizabeta.
41
Rehefa ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina i Elizabeta
42
ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: Notahìna amin’ny samy vehivavy ianao ary notahìna ny hateraky ny kibonao!
43
Avy aiza no ahatongavan’izao amiko no mba vangìn’ny renin’ny Tompoko aho?
44
Fa indro, raha vao ren’ny sofiko ny feon’ny fiarahabanao dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ato an-kiboko.
45
Sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ny Tompo taminao.
46
Dia hoy i Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo
47
ary ny fanahiko dia ravoravo tamin’Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
48
fa efa nijery ny fahambanian’ny toetry ny mpanompovaviny Izy. Fa indro, hatramin’ny ankehitriny dia hataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
49
Fa ny Mahery efa nanatanteraka zavatra lehibe tamiko; masina ny anarany.
50
Ny famindrampony dia amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.
51
Nanatanteraka asa lehibe tamin’ny sandriny Izy; nampihahaka ny mpiavonavona tamin’ny fiheveran’ny fony Izy.
52
Nampiala ny lehibe tamin’ny sezafiandrianany Izy ary nanandratra ny ambany kosa.
53
Ny noana dia novokisany soa; ny manankarena kosa dia nampialainy maina.
54
Niahy ny Israely mpanompony Izy sady nahatsiaro ny famindrampony,
55
Araka ny voalazany tamin’ny razantsika, tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
56
Ary nitoetra teo amin’i Elizabeta tokony ho telo volana i Maria vao nody tany an-tranony.
57
Nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta dia niteraka zazalahy izy.
58
Ary nandre ny mpiaramonina taminy sy ny havany fa efa nohalehibeazin’ny Tompo ny famindrampony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.
59
Tamin’ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy ireo, koa efa saika hantsoiny araka ny anaran’ny rainy hoe Zakaria, izy.
60
Fa hoy ny reniny: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
61
Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin’ny havanao izay manana izany anarana izany.
62
Ary nanao baiko moana tamin’ny rainy izy ireo ka nanontany ny amin’izay tiany hatao anarany.
63
Dia nangataka solaitra iray izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
64
Ary nisokatra niaraka tamin’izay ny vavany ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an’Andriamanitra.
65
Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin’ny tany be havoana any Jodia rehetra ny lazan’izany rehetra izany.
66
Izay rehetra nandre koa dia nandatsaka izany tao am-pony ka niteny hoe: Ho zaza toy inona re io? Fa ny tanan’ny Tompo no nomba azy.
67
Dia feno ny Fanahy Masina i Zakaria rainy ka naminany hoe:
68
Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Israely; fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
69
ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika ao amin’ny taranak’i Davida mpanompony Izy,
70
araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin’ny fahagola,
71
dia famonjena antsika amin’ny fahavalontsika sy amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika.
72
Manefa famindrampo amin’ny razantsika Izy sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
73
dia ny fianianana izay nianianany tamin’i Abrahama razantsika
74
mba hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, satria afaka amin’ny fahavalontsika isika,
75
amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany, amin’ny andro rehetra hiainantsika.
76
Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe Mpaminanin’ny Avo Indrindra; satria hialoha eo anatrehan’ny Tompo ianao, hamboatra ny lalany.
77
Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ny famelàna ny helony,
78
noho ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitsika. Izany no hiposahan’ny mazava avy any amin’ny avo ho antsika
79
mba hanazava izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana sady hanitsy ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.
80
Ary nihalehibe ny zazakely ka nitombo hery am-panahy; nitoetra tany an-tany efitra izy ambara-pahatongan’ny andro nisehoany tamin’ny Israely.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24