bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 20
Luke 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
1
Indray andro, raha nampianatra ny olona teo amin’ny tempoly Jesosy ka nitory ny Filazantsara, dia nanatona ireo lehiben’ny mpisorona sy mpanoradalàna ary ny loholona
2
ka niteny Taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany?
3
Dia namaly azy ireo Jesosy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, koa lazao amiko:
4
Ny batisan’i Jaona avy tany an-danitra va sa avy tamin’ny olona?
5
Dia nikaon-doha izy ireo ka niteny hoe: Raha holazaintsika mantsy hoe: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
6
Fa raha holazaintsika kosa hoe: Avy tamin’ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra satria inoany ho mpaminany i Jaona.
7
Dia namaly ireo fa tsy fantany izay niaviany.
8
Ary hoy Jesosy tamin’izy ireo: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
9
Dia nilaza izao fanoharana izao tamin’ny olona Izy: Nisy olona iray namboly tamin’ny tanim-boaloboka, dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany ka nandeha nitoetra ela tany an-tany lavitra izy.
10
Rehefa tonga ny fotoanan’ny vokatra dia naniraka mpanompo hankany amin’ireo mpiasa tany izy mba handray amin’ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa nikapoka azy ireo mpiasa tany ka nampandeha azy tanam-polo.
11
Dia naniraka mpanompo iray koa izy, izay nokapohin’ireo mafy koa sady nalany baraka ka nampandehaniny tanam-polo.
12
Dia naniraka fanintelony izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
13
Dia hoy ny tompon’ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy ireo.
14
Fa raha nahita azy ireo mpiasa tany dia nikaon-doha ka niteny hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io mba ho antsika ny lova.
15
Dia namoaka azy tany ivelan’ny tanim-boaloboka izy ireo ka namono azy. Hataon’ny tompon’ny tanim-boaloboka ahoana moa izy ireo amin’izany?
16
Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo mpisorona sy mpanoradalàna ary loholona dia niteny hoe: Sanatria izany!
17
Fa Jesosy nijery azy ireo ka niteny hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: «Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izany no efa tonga fehizoro» (Sal 118.22)?
18
Izay rehetra potraka amin’izany vato izany dia ho torotoro; ary na iza na iza no ianjerany dia ho montsamontsana.
19
Ary tamin’izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanoradalàna sy ny lehiben’ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy ireo satria fantany fa ho azy ireo no nilazany izany fanoharana izany.
20
Nanara-maso an’i Jesosy izy ireo ka naniraka mpitsikilo, izay mody niseho ho marina, mba hamandrika Azy amin’ny teniny ka hanolorany Azy ho amin’ny hery sy ny fahefan’ny governora.
21
Ary nanontany Azy izy ireo hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Ianao ka tsy mizaha tavan’olona, fa mampianatra marina ny lalànan’Andriamanitra:
22
Mety va raha mandoa vola hetra ho an’i Kaisara izahay sa tsia?
23
Fa Jesosy nahafantatra ny teti-dratsiny ka niteny taminy hoe:
24
Mampisehoa denaria iray Amiko. An’iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An’i Kaisara.
25
Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.
26
Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan’ny olona izany teny izany, sady gaga izy ireo noho ny famaliny ka nangina.
27
Ary ny sasany tamin’ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy ny fitsanganan’ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
28
Mpampianatra ô, i Mosesy dia nanoratra ho antsika hoe: «Raha misy manana rahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dRavehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny» (Deo 25.5).
29
Koa nisy fito mirahalahy; ary nampaka-bady ny zokiny dia maty momba.
30
Ny faharoa
31
sy ny fahatelo koa dia nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon’izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
32
Ary farany dia maty koa Ravehivavy.
33
Koa amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ho vadin’iza moa Ravehivavy? Fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
34
Ary hoy Jesosy taminy: Ny zanak’izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina;
35
fa izay atao mendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ny maty kosa dia tsy mba mampaka-bady na avoaka hampakarina;
36
ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ny anjely sady zanak’Andriamanitra satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty.
37
Ary i Mosesy aza dia nanambara teo amin’ilay teny milaza ny roimemy fa hatsangana ny maty, raha niantso NY TOMPO hoe: «Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba» (Eks 3.6).
38
Fa tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa an’ny velona; fa velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra.
39
Ary hoy ny mpanoradalàna sasany: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
40
Fa tsy nisy sahy nanontany Azy na inona na inona intsony ireo.
41
Hoy Jesosy tamin’ireo: Nahoana no lazaina fa Kristy no Zanak’i Davida?
42
Nefa i Davida ihany no milaza eo amin’ny bokin’ny Salamo hoe: «NY TOMPO nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako
43
ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran’ny tongotrao» (Sal 110.1).
44
Miantso Azy hoe: Tompo izany i Davida; koa ahoana no maha Zanany Azy?
45
Raha mbola nihaino ny olona rehetra dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
46
Mitandrema ianareo amin’ny mpanoradalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te hoarahabain’ny olona eny an-tsena sady tia ny toerana eny aloha ao amin’ny sinagoga sy ny toerana aloha any amin’ny fanasana,
47
ary mandany ny tranon’ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fisehoana ivelany; ireo dia hahazo fanamelohana mafimafy kokoa.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24