bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 9
Luke 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 10 →
1
Niantso ny roa amby folo lahy hankeo Aminy Jesosy ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demonia rehetra sy hanasitrana aretina.
2
Ary naniraka azy ireo handeha hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary Izy.
3
Hoy Izy taminy: Aza mitondra zavatra eny an-dalana, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
4
Ao amin’izay trano idiranareo no itoero, ary avy ao indray no ialao.
5
Izay tsy mampandroso anareo, raha miala amin’izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin’ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.
6
Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny Filazantsara sady nahasitrana teny rehetra teny.
7
Nandre izay rehetra nitranga i Heroda mpanapaka ka very hevitra noho ny filazan’ny olona; fa hoy ny sasany: I Jaona no nitsangana tamin’ny maty;
8
ary hoy ny sasany: I Elia no niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny iray amin’ny mpaminany fahiny no nitsangana.
9
Fa hoy i Heroda: Raha i Jaona dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa izao, izay andrenesako izao zavatra izao? Ary naniry hahita Azy izy.
10
Rehefa niverina ny Apostoly dia nanambara tamin’i Jesosy izay efa nataony. Ary nitondra azy ireo Izy ka nandeha nitokana nankany amin’ny tanàna atao hoe Betsaida.
11
Nony nahafantatra ny vahoaka dia nanaraka Azy; dia nandray azy ireo tsara Izy ka nilaza taminy ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.
12
Rehefa ho hariva ny andro dia nanatona ny roa amby folo lahy ka niteny Taminy hoe: Ampodio ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ny tanàna manodidina sy any amin’ny vohitra mba hiditra an-trano sy hitady sakafo, fa atỳ an-tany efitra isika.
13
Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy sakafo ho an’ireo olona rehetra ireo.
14
Fa tokony ho dimy arivo lahy ireo. Ary hoy Izy tamin’ny mpianany: Asaivo mipetraka mitsitokotoko tokony ho dimampolo avy izy ireo.
15
Dia nataony izany ka nasainy nipetraka izy rehetra.
16
Ary rehefa noraisin’i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny amin’ny vahoaka.
17
Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany ka nisy roa amby folo harona.
18
Ary raha nivavaka tao amin’ny mangingina Jesosy, sady niaraka Taminy ny mpianany, dia nanontany azy ireo Izy hoe: Iza moa Aho araka ny filazan’ny olona?
19
Dia namaly ireo hoe: I Jaona Mpanao batisa; nefa ny sasany kosa dia mihevitra Anao ho Elia, ary ny sasany indray dia hoe: Ny iray amin’ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
20
Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa dia milaza Ahy ho iza? Dia namaly i Petera hoe: Ny Kristin’Andriamanitra.
21
Ary niteny mafy azy ireo Izy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin’olona
22
ka niteny hoe: Ny Zanak’Olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ny loholona sy ireo lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanoradalàna sady hovonoiny; ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangana.
23
Hoy Jesosy tamin’izy rehetra: Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hazofijaliany isanandro ka hanaraka Ahy.
24
Koa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko, dia izy no hamonjy izany.
25
Fa inona no tombony azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa ho very ny ainy, na ho faty antoka amin’izany izy?
26
Na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko dia ho menatra azy kosa ny Zanak’Olona, raha avy amin’ny voninahiny sy ny an’ny Rainy ary ny an’ny anjely masina.
27
Fa lazaiko aminareo marina: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra.
28
Rehefa tokony ho havaloana taorianan’izany teny izany dia nitondra an’i Petera sy i Jaona ary i Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
29
Raha mbola nivavaka Izy dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady namirapiratra.
30
Ary indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Mosesy sy i Elia,
31
izay niseho tamim-boninahitra ka nilaza ny fialany izay efa ho tanteraka any Jerosalema.
32
I Petera sy ny namany kosa dia navesatry ny torimaso, ary nony nahatsiaro izy ireo dia nahita ny voninahitr’i Jesosy sy izy roa lahy izay niaraka Taminy.
33
Ary rehefa hisaraka Taminy ireo dia hoy i Petera tamin’i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hamboatra tranolay telo: Ny iray dia ho Anao, ny iray dia ho an’i Mosesy ary ny iray dia ho an’i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.
34
Ary raha mbola niteny izany izy dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin’ny rahona ireo dia raiki-tahotra ireo mpianatra telo lahy.
35
Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.
36
Rehefa nitsahatra ilay feo dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin’olona na dia iray akory aza tamin’izany andro izany ny amin’izay zavatra efa hitany.
37
Nony ampitson’iny, raha nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka betsaka nitsena an’i Jesosy.
38
Ary indro, nisy lehilahy iray avy teo amin’ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra ô, miangavy Anao aho mba hijery ny zanako! Fa zanako lahitokana izy.
39
Indro, misy fanahy mahazo azy ka miantsoantso tampoka izy; mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy ilay fanahy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorovana azy.
40
Nangataka tamin’ny mpianatrao aho mba handroaka izany fa tsy vitany.
41
Ary hoy Jesosy: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento atỳ ny zanakao.
42
Rehefa nanatona izy dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Dia niteny mafy ilay fanahy maloto Jesosy ka nanasitrana ilay zazalahy; dia natolony ny rainy izy.
43
Ary talanjona izy rehetra noho ny fahalehibiazan’Andriamanitra. Raha talanjona izy rehetra tamin’izay rehetra nataon’i Jesosy dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
44
Ampidiro ao amin’ny sofinareo izao teny izao, fa ny Zanak’Olona efa hatolotra eo an-tanan’ny olona.
45
Nefa tsy azon’ny mpianatra io teny io sady nafenina azy ireo izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin’io teny io izy.
46
Dia nisy eritreritra tao amin’izy ireo ny amin’izay mety ho lehibe eo aminy.
47
Nahalala ny fisainan’ny fony Jesosy ka nandray zaza iray ary nametraka azy teo anoloany;
48
ary hoy Izy tamin’ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra dia izy no lehibe.
49
Ary hoy i Jaona: Mpampianatra ô! Izahay nahita olona iray nandroaka demonia tamin’ny anaranao, koa noraranay izy satria tsy manaraka antsika.
50
Fa hoy Jesosy taminy: Aza rarana, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
51
Rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an’i Jesosy dia nitodi-doha tamim-pahavononana tanteraka hankany Jerosalema Izy.
52
Ary nandefa iraka hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny vohitra iray izay an’ny Samaritana mba hanomana ny fandraisana Azy.
53
Fa tsy nandray Azy ny olona satria hita ho nandroso ho any Jerosalema Izy.
54
Ary raha hitan’i Jakoba sy i Jaona mpianany izany dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy ireo?
55
Fa nitodika Izy dia niteny mafy azy hoe: Tsy fantatrareo ny toetry ny fanahy izay anareo. Fa ny Zanak’Olona tsy tonga hahavery ny ain’olona fa hamonjy azy.
56
Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo.
57
Nony nandroso teny an-dalana izy ireo dia nisy olona iray nilaza tamin’i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.
58
Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo dia manan-davaka ary ny voromanidina dia manana akany; fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.
59
Ary hoy koa Izy tamin’ny olona iray hafa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa io: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
60
Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa dia mandehana ka mitoria ny fanjakan’Andriamanitra.
61
Hoy koa ny olona iray hafa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko.
62
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana angadinomby sady miherika ka mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24