bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 16
Luke 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 17 →
1
Hoy koa Jesosy tamin’ny mpianatra: Nisy olona mpanankarena iray nanana mpitantana ny fananany; izy io dia nampangain’olona taminy ho mandany ny fananany.
2
Dia nampiantso azy izy ka niteny taminy hoe: Inona izao reko momba anao izao? Manaova tatitra ny amin’ny fitantananao ny fananako; fa tsy mahazo mitantana ny fananako intsony ianao.
3
Niteny anakampo ilay mpitantana ny fananana hoe: Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitantanana ny fananany aho? Ny miasa tany dia tsy tratry ny aiko, ny mangataka dia mahamenatra ahy.
4
Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa esorina amin’ny fitantanana fananana aho.
5
Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony izy hankao aminy ka nilaza tamin’ny voalohany hoe: Ohatrinona no trosan’ny tompoko aminao?
6
Ary hoy izy: Diloilo injaton’ny bata. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha haingana, ka dimampolo no soraty.
7
Dia hoy izy tamin’ny iray koa: Ohatrinona kosa no trosa aminao? Vary injaton’ny kora, hoy izy. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ka valopolo no soraty.
8
Ary ny tompony dia nidera ilay mpitantana fananana tsy marina satria nampiseho hakingan-tsaina izy; fa ny zanak’izao tontolo izao dia kinga saina kokoa ny amin’ny karazany noho ny zanaky ny mazava.
9
Ary hoy Aho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina no hoentinareo mahazo namana, mba horaisin’ireo ho any amin’ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany.
10
Izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be.
11
Koa raha tsy mahatoky amin’ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin’ny tena harena?
12
Ary raha tsy mahatoky amin’izay an’olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?
13
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny iray dia ho halany ary ny iray dia ho tiany; na ny iray dia hombany ary ny iray dia hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo.
14
Ary ireo Fariseo izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izany, dia naneso an’i Jesosy.
15
Dia hoy Jesosy taminy: Mpanamarin-tena eo anatrehan’ny olona ianareo, nefa Andriamanitra mahafantatra ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra.
16
Ny Lalàna sy ny Mpaminany dia hatramin’i Jaona; hatramin’izany no efa nitoriana ny Filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, ary miditra an-keriny izay rehetra miditra ao.
17
Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan’ny tendron-tsoratra iray monja aza amin’ny Lalàna.
18
Izay rehetra misao-bady ka mampakatra hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.
19
Nisy lehilahy mpanankarena iray niakanjo volomparasy sy lamba rongony fotsy manify sady nanaram-po fatratra isanandro tamin’ny fahafinaretana.
20
Ary nisy mahantra ferena iray antsoina hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ny vavahadiny;
21
izy dia naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena, nefa ny amboa kosa no avy ka nilelaka ny feriny.
22
Ary maty ilay mahantra, dia noentin’ny anjely ho any an-tratran’i Abrahama; ary maty koa ilay mpanankarena, dia nalevina;
23
ary raha nijaly tao amin’ny fitoeran’ny maty izy ka niandrandra dia nahita an’i Abrahama teny lavitra eny sy i Lazarosy teo an-tratrany.
24
Dia niantso izy hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko! Mba iraho i Lazarosy hanatsoboka ny tendron’ny rantsantanany amin’ny rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ity lelafo ity.
25
Fa hoy i Abrahama: Anaka, tsarovy fa efa nahazo ny zava-tsoanao ianao tamin’ny andro niainanao, ary i Lazarosy kosa dia ny zava-dratsy; fa ankehitriny dia izy no ampiononina atỳ ary ianao kosa no fadiranovana.
26
Ary amin’izany rehetra izany, misy tevana lehibe manelanelana antsika mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te hiala etỳ ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny.
27
Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: Mba iraho i Lazarosy hankany amin’ny tranon’ny raiko,
28
fa manana rahalahy dimy aho, ka hilaza tsara amin’izy ireo mba tsy ho tonga atỳ amin’ity fijaliana ity koa izy.
29
Fa hoy i Abrahama taminy: Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino azy ireo izy!
30
Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy avy amin’ny maty hankany aminy dia hibebaka izy.
31
Fa hoy i Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’i Mosesy sy ny mpaminany izy dia tsy hety hino izy na dia misy mitsangana amin’ny maty aza.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24