bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 14
Luke 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 15 →
1
Raha niditra mba hisakafo tao an-tranon’ny loholona iray amin’ny Fariseo Izy tamin’ny Sabata dia nanara-maso Azy ireo.
2
Ary indro, nisy olona manirano iray teo anatrehany.
3
Ary hoy Jesosy tamin’ireo mpahay lalàna sy ny Fariseo: Mety va ny manasitrana amin’ny Sabata sa tsia?
4
Fa tsy nahateny izy ireo. Ary nandray ilay marary Izy dia nanasitrana azy ka nandefa azy handeha.
5
Ary nilaza tamin’ireo Izy hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy avy hatrany na dia amin’ny andro Sabata aza?
6
Ary tsy nahavaly ny amin’izany zavatra izany izy ireo.
7
Ary nilaza fanoharana tamin’izay nasaina Jesosy, raha nahita azy ireo nifidy ny toerana teny aloha, ka niteny taminy hoe:
8
Raha misy manasa anao ho any amin’ny fampakaram-bady, aza mipetraka amin’ny toerana eny aloha, fandrao hisy olona nasaina izay mihaja kokoa noho ianao,
9
ary ho avy izy sy ilay nanasa anao ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io, dia ho menatra ianao ka hifindra ho amin’ny toerana any aoriana indrindra.
10
Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha amin’ny toerana any aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao dia hiteny aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’izay rehetra miara-misakafo aminao ianao.
11
Fa izay rehetra manandra-tena no haetry ary izay manetry tena kosa no hasandratra.
12
Hoy kosa Jesosy tamin’ilay nanasa Azy: Raha manasa olona amin’ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao dia aza ny namanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpiaramonina manankarena no asainao, fandrao hanasa anao koa ireo ka ho voavaliny izay nataonao taminy.
13
Fa raha manao fanasana ianao dia asao ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;
14
dia ho sambatra ianao satria tsy mba manana havaly izay nataonao ireo; fa hovalìna kosa ianao amin’ny fitsanganan’ny marina.
15
Ary ny iray tamin’izay niara-nisakafo Taminy dia nandre izany ka niteny taminy hoe: Sambatra izay hisakafo ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
16
Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona iray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
17
Ary naniraka ny mpanompony izy tamin’ny fotoana fisakafoanana mba hilaza amin’ireo efa nasaina hoe: Andeha, fa efa vonona izao ny fanasana.
18
Fa nitovy saina izy rehetra ka samy niala tsiny. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; miangavy anao aho, ekeo ny fialan-tsiniko.
19
Ary hoy koa ny iray: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; miangavy anao aho, ekeo ny fialan-tsiniko.
20
Ary hoy koa ny iray: Efa nampaka-bady aho, koa noho izany dia tsy afaka mankany.
21
Nony tonga ilay mpanompo dia nambarany tamin’ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nilaza tamin’ilay mpanompony hoe: Mandehana haingana ho eny amin’ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna ka ampidiro ny mahantra sy ny kilemaina, ny jamba sy ny mandringa.
22
Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa tanteraka izay nampanaovinao, nefa mbola tsy feno ihany ny trano.
23
Dia hoy ny tompony tamin’ilay mpanompo: Mandehana ho eny amin’ny lalambe sy ny sisim-boly ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko.
24
Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.
25
Nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’i Jesosy, dia nitodika Izy ka niteny taminy hoe:
26
Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ny vadiny sy ny zanany, ny rahalahiny sy ny anabaviny; eny, ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
27
Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazofijaliana ka tsy manaraka Ahy dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
28
Fa iza moa aminareo, raha ta hanangana tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy na tsia?
29
Fandrao, rehefa mametraka ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita
30
ka hilaza hoe: Io olona io dia nanomboka nanorina trano fa tsy nahavita.
31
Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na ho vitany na tsia, miaraka amin’ny olona iray alina, ny hifanandrina amin’ilay mitondra roa alina?
32
Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka iray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana.
33
Toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.
34
Tsara ny sira; fa raha ny sira no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?
35
Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian’ny olona. Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24