bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 5
Luke 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 6 →
1
Koa satria nifanizina Taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra dia nijanona teo amoron’ny farihin’i Genesareta Jesosy;
2
ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ny farihy Izy; fa ny mpanarato dia efa niala taminy ka nanasa ny haratony.
3
Dia niditra teo amin’ny sambokely iray izay an’i Simona Izy, ary nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.
4
Rehefa nitsahatra niteny Jesosy dia hoy Izy tamin’i Simona: Mandrosoa ho any amin’ny lalina dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.
5
Fa namaly i Simona hoe: Tompoko, nandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato.
6
Rehefa nataony izany dia nahazo hazandrano be dia be izy ireo ka efa nisy triatra ny haratony.
7
Ary niantso ny namany izay teo amin’ny sambokely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saika nilentika.
8
Rehefa hitan’i Simona Petera izany dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy izy ka niteny hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olona mpanota aho.
9
Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben’ny hazandrano izay azony.
10
Ary toy izany koa i Jakoba sy i Jaona, zanak’i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin’i Simona. Dia hoy Jesosy tamin’i Simona: Aza matahotra; hatramin’izao ankehitriny izao dia olombelona kosa no ho azonao.
11
Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy ireo dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesosy.
12
Raha tao an-tanàna iray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana. Nony nahita Azy io dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Ianao, dia afaka manadio ahy.
13
Ary nanatsotra ny tanany Jesosy dia nikasika azy ka niteny hoe: Mety Aho; madiova ianao. Ary niala taminy niaraka tamin’izay ny habokany.
14
Ary nandrara azy Jesosy tsy hilaza amin’olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin’ny mpisorona, ka manaova fanatitra noho ny fanadiovana anao, araka ny nandidian’i Mosesy, ho vavolombelona amin’ireo.
15
Fa vao mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy mba ho sitranina tamin’ny aretiny.
16
Dia niala nankany an-tany efitra Izy ka nivavaka.
17
Indray andro, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampianatra ny Lalàna, izay tonga avy tamin’ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary Jerosalema; ary ny herin’ny Tompo dia tao Aminy mba hanasitranany.
18
Indro, nisy nitondra lehilahy iray izay malemy, tamin’ny fandriana, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany.
19
Koa satria tsy hitan’izy ireo izay hampidirany azy noho ny habetsahan’ny vahoaka dia niakatra teo an-tafontrano ireo ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy Ralehilahy mbamin’ny fandrianany ho eo afovoan’ny olona, dia teo anatrehan’i Jesosy.
20
Ary raha hitan’i Jesosy ny finoan’ireo dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao.
21
Fa ny mpanoradalàna sy ny Fariseo niady hevitra hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?
22
Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra izany ao am-ponareo?
23
Inona moa no moramora kokoa, ny milaza hoe: Voavela ny helokao sa ny milaza hoe: Mitsangàna ka mandehana?
24
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, batao ny fandriananao ary modia any an-tranonao.
25
Niaraka tamin’izay dia nitsangana teo anatrehan’ny olona izy ka nibata ny fandrianany, dia lasa nody sady nankalaza an’Andriamanitra.
26
Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an’Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka niteny hoe: Efa nahita zava-mahagaga isika androany.
27
Taorianan’izany dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra iray antsoina hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
28
Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana dia nanaraka Azy.
29
Nanao fanasana lehibe ho an’i Jesosy tao an-tranony i Levy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay nipetraka niara-nisakafo taminy.
30
Fa ny Fariseo sy ny mpanoradalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin’ny mpianatr’i Jesosy hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?
31
Fa Jesosy namaly hoe: Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary;
32
tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota mba hibebaka.
33
Ary hoy izy ireo Taminy: Ny mpianatr’i Jaona dia mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an’ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa dia mihinana sy misotro ihany.
34
Hoy Jesosy taminy: Azonareo atao va ny mampifady hanina ny havan’ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ny mpampakatra?
35
Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’izay andro izay vao hifady hanina izy.
36
Ary nilaza fanoharana taminy koa Izy hoe: Tsy misy olona mandrovitra akanjo vaovao hanalany tapa-damba hanampenana akanjo tonta; fa raha izany dia maharovitra ny vaovao izany, ary ilay tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao dia tsy hifanaraka amin’ny tonta.
37
Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao, dia handoaka ny siny hoditra ka ho raraka ny divay sady ho simba foana ny siny hoditra;
38
fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
39
Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24