bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 22
Luke 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 23 →
1
Efa akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay atao hoe Paska.
2
Ary ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna dia nitady izay hamonoany an’i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy ireo.
3
Fa i Satana dia niditra tao anatin’i Jodasy, ilay atao hoe iskariota, iray tamin’ny roa amby folo lahy,
4
ka nankao amin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina izy ary niresaka taminy ny amin’izay hanolorany an’i Jesosy amin’ireo.
5
Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy.
6
Ary nanaiky izy ka nitady izay fotoana azony hanolorana Azy amin’ireo, tsy ho fantatry ny olona.
7
Tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.
8
Ary Jesosy naniraka an’i Petera sy i Jaona ka niteny hoe: Mandehana, manomana ny Paska hohanintsika.
9
Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanomananay azy?
10
Dia hoy Izy tamin’izy ireo: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin’ny trano izay hidirany.
11
Dia lazao amin’ny tompon-trano hoe: Izao no lazain’ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro?
12
Ary hanoro anareo efitrano malalaka ambony rihana, izay efa misy izay ilaina rehetra izy; any no ataovy ny fanomanana.
13
Dia nandeha izy ireo ka nahita araka izay efa nolazainy taminy, ary nanomana ny Paska izy ireo.
14
Nony tonga ny fotoana dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny Apostoly.
15
Ary hoy Izy taminy: Naniry koa Aho raha naniry hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
16
Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’izany ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
17
Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka hoy Izy: Raiso ity ka zarao aminareo;
18
fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra.
19
Dia nandray mofo Izy, koa rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.
20
Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako izay aidina ho anareo.
21
Fa indro ny tanan’izay mamadika Ahy dia eto Amiko eto ambonin’ny latabatra.
22
Fa ny Zanak’Olona dia mandeha tokoa, araka izay efa voatendry; nefa lozan’izay olona nahatonga Azy ho voatolotra!
23
Ary nifanontany ny amin’izay iray eo aminy mety hahavita izany izy ireo.
24
Nisy fifandirana koa teo amin’ny mpianatra ny amin’izay iray amin’izy ireo hatao ho lehibe indrindra.
25
Dia hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan’ny Jentilisa dia mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.
26
Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe indrindra aminareo dia aoka ho toy ny zandriny indrindra; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.
27
Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka misakafo va sa izay manompo? Tsy izay mipetraka misakafo va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
28
Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra Tamiko;
29
koa Izaho dia manendry anareo, tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy ny fanjakana,
30
mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony sezafiandrianana hitsara ny fokon’ny Israely roa amby folo.
31
Hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro i Satana efa nitaky anareo hokororohiny toy ny vary.
32
Nefa Izaho nangataka ho anao mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao.
33
Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na dia ho any an-tranomaizina aza, na dia ho any amin’ny fahafatesana aza.
34
Nefa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio dia handa intelo ho tsy mahafantatra Ahy ianao.
35
Hoy koa Izy tamin’izy ireo: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.
36
Fa hoy Izy taminy: Amin’izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka izy hitondra; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa dia aoka izy hivarotra ny lambany ka hividy.
37
Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka Amiko izao voasoratra izao hoe: «Ary natao ho isan’ny mpanota Izy» (Isa 53.12); fa efa ho tanteraka ny Amiko.
38
Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Ampy izay.
39
Dia niala teo Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankany an-tendrombohitra Oliva Izy, ary nanaraka Azy koa ny mpianatra.
40
Ary raha vao tonga tao amin’izany toerana izany Izy dia niteny taminy hoe: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.
41
Ary nihataka tokony ho indray mitora-bato tamin’izy ireo Izy, dia nandohalika ka nivavaka hoe:
42
Raiko ô, raha sitrakao dia esory Amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao.
43
Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho Taminy ka nampahery Azy.
44
Ary fadiranovana Izy ka nivavaka mafimafy kokoa; koa ny hatsembohany dia tahaka ny vaingan-dra nitete tamin’ny tany.
45
Nony nitsangana avy nivavaka Izy dia nankeo amin’ny mpianatra ka nahita azy ireo resin-tory noho ny alahelo.
46
Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna ka mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.
47
Raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan’ny roa amby folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an’i Jesosy mba hanoroka Azy.
48
Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no anoloranao ny Zanak’Olona?
49
Ary izay teo Aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia niteny hoe: Tompoko, hamely amin’ny sabatra va izahay?
50
Ny iray teo aminy dia namely ny mpanompon’ny Mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny havanana.
51
Fa Jesosy namaly hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nikasika ny sofiny Izy ka nanasitrana azy.
52
Ary hoy Jesosy tamin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ireo lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ireo loholona izay tonga hisambotra Azy: Tonga mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
53
Raha teo aminareo isanandro teo amin’ny tempoly Aho dia tsy nanatsotra tanana Tamiko ianareo; fa izao no fotoananareo sy ny herin’ny maizina.
54
Dia nisambotra an’i Jesosy izy ireo ka nitondra Azy ho ao an-tranon’ny Mpisoronabe. Ary i Petera dia nanaraka teny lavidavitra teny.
55
Raha nandrehitra afo teo an-kianja ireo ka nipetraka dia mba nipetraka teo aminy koa i Petera.
56
Ary ny mpanompovavy iray, nony nahita azy nipetraka teo anilan’ny hazavana, dia nandinika azy ka niteny hoe: Ity koa niaraka Taminy.
57
Fa nandà izy ka niteny hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.
58
Vetivety foana taorianan’izay dia nisy olona hafa koa nahita azy ka niteny hoe: Ianao koa mba naman’ireny. Fa hoy i Petera: Ralehilahy, tsy izy aho.
59
Rehefa tokony ho ora iray no lasa dia nisy olona iray koa nanizingizina hoe: Izy io dia niaraka Taminy marina tokoa fa Galiliana izy.
60
Fa hoy i Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin’izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.
61
Ary nitodika ny Tompo dia nibanjina an’i Petera. Ary nahatsiaro ilay tenin’ny Tompo taminy i Petera hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio dia handa Ahy intelo ianao.
62
Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany mafy tokoa.
63
Ary ireo lehilahy izay nitana an’i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.
64
Rehefa notampenan’izy ireo ny masony dia nanontaniany hoe: Maminania; iza moa no nikapoka Anao?
65
Teny ratsy maro hafa koa no nataony hanaratsiany Azy.
66
Raha vao nazava ny andro dia nivory ny filankevitry ny loholona dia ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ka nitondra an’i Jesosy ho eo amin’ny Sinedrionany
67
ary niteny hoe: Raha Ianao no Kristy dia lazao aminay. Dia hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho dia tsy hino ianareo.
68
Ary na dia hanontany aza Aho dia tsy hamaly akory ianareo.
69
Fa hatramin’izao ny Zanak’Olona dia hipetraka eo ankavanan’ny herin’Andriamanitra.
70
Hoy izy rehetra: Zanak’Andriamanitra ary va Ianao? Dia hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
71
Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilàntsika vavolombelona? Fa ny tenantsika no efa nandre tamin’ny vavany.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24