bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 7
Luke 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 8 →
1
Rehefa vitan’i Jesosy teo anatrehan’ny olona izany toriteniny rehetra izany dia nankany Kapernaomy Izy.
2
Narary efa ho faty ny mpanompon’ny kapiteny iray, izay tiany.
3
Koa raha nahare ny amin’i Jesosy ilay kapiteny dia naniraka loholon’ny Jiosy hankeo Aminy mba hangataka Azy ho avy ka hanasitrana ny mpanompony.
4
Rehefa tonga teo amin’i Jesosy ireo dia nangataka mafy Taminy ka niteny hoe: Mendrika ny hanaovanao izany izy
5
satria tia ny firenentsika izy sady izy no efa nanorina ny sinagoga ho antsika.
6
Ary nandeha niaraka taminy Jesosy. Rehefa teo akaikin’ny trano Izy dia naniraka namana hitsena Azy ilay kapiteny ka niteny Taminy hoe: Tompoko, aza misahirana Ianao; fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho.
7
Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy mendrika hankeo Aminao; fa mitenena ihany dia ho sitrana ny mpanompolahiko.
8
Fa izaho koa mba lehilahy manana lehibe ihany ary manana miaramila izay feheziko; koa hoy aho amin’ny iray: Mandehana! Dia mandeha izy, ary amin’ny iray koa: Avia! Dia avy izy, ary amin’ny mpanompoko: Ataovy izao! Dia manatanteraka izy.
9
Nony nahare izany Jesosy dia gaga taminy; ary nitodika Izy ka niteny tamin’ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia teo amin’ny Israely aza.
10
Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.
11
Taoriana kelin’izany Jesosy dia nankany amin’ny tanàna iray atao hoe Naina; ary nanaraka Azy ny mpianany sy vahoaka betsaka.
12
Ary rehefa nanakaiky ny vavahadin’ny tanàna Izy dia indro, nisy fatin’ny lehilahy iray noentina halevina, izay zanaka lahitokan’ny reniny sady mpitondratena Ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.
13
Nony nahita an-dRavehivavy ny Tompo dia onena azy ka hoy Izy taminy: Aza mitomany!
14
Ary nanatona Izy ka nikasika ny tranovorona dia nijanona ireo izay nilanja. Ary hoy Jesosy: Ry zatovo, hoy Aho aminao: Miarena!
15
Dia niarina ny maty sady niteny ka natolony ny reniny.
16
Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.
17
Dia niely nanerana an’i Jodia sy ny tany manodidina rehetra ny lazan’i Jesosy ny amin’izany zavatra izany.
18
Ny mpianatr’i Jaona dia nanambara izany rehetra izany taminy. Ary niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy i Jaona,
19
dia naniraka azy hankany amin’ny Tompo hilaza hoe: Ianao va Ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika?
20
Nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo dia niteny hoe: Naniraka anay hankaty aminao i Jaona Mpanao batisa hanontany hoe: Ianao va Ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika?
21
Tamin’izany ora izany dia nahasitrana olona maro tamin’ny rofy sy ny aretina ary ny fanahy ratsy Jesosy sady nampahiratra ny jamba maro.
22
Dia namaly azy ireo Izy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, diovina ny boka, mahare ny marenina, atsangana ny maty ary ny mahantra dia itoriana ny Filazantsara.
23
Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny Amiko!
24
Nony lasa ny irak’i Jaona dia nilaza ny amin’i Jaona tamin’ny vahoaka Jesosy hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-tany efitra? Volotara nohozongozonin’ny rivotra va?
25
Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba mirentirenty va? Indro, ny mitafy lamba mirentirenty sy miaina amin’ny fahafinaretana dia ao an-dapan’ny mpanjaka.
26
Sa hizaha inona no nalehanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Aho aminareo sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
27
Fa izy ilay voasoratra hoe: «Indro Aho maniraka ny irako hialoha Anao, izay hamboatra ny lalanao eo alohanao» (Mal 3.1).
28
Lazaiko aminareo: Tsy misy lehibe noho i Jaona amin’izay nateraky ny vehivavy; nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia lehibe noho izy.
29
Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre dia nanamarina an’Andriamanitra satria natao batisa tamin’ny batisan’i Jaona izy ireny.
30
Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa dia nandà ny fikasan’Andriamanitra satria tsy mba nanatona hataon’i Jaona batisa.
31
Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin’ity taranaka ity? Tahaka ny inona moa izy?
32
Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao hira fisaonana izahay nefa tsy nitomany ianareo.
33
Fa tonga i Jaona Mpanao batisa, tsy nihinan-kanina na nisotro divay, dia hoy ianareo: Manana demonia izy.
34
Tonga ny Zanak’Olona mihinana sy misotro kosa, dia hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota.
35
Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny zanany rehetra.
36
Nisy Fariseo iray nanasa an’i Jesosy hiara-misakafo aminy; dia niditra tao an-tranon’ilay Fariseo Izy ka nipetraka nisakafo.
37
Ary indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, koa rehefa fantany fa nipetraka nisakafo tao an-tranon’ilay Fariseo Jesosy dia nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra izy;
38
ary nijanona tao aorianany teo anilan’ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ny menaka manitra.
39
Nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy dia niteny anakampo hoe: Raha mpaminany Ity dia ho nahafantatra io vehivavy mikasika Azy io sy ny momba azy; fa mpanota io.
40
Fa hoy Jesosy taminy: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Mpampianatra ô, lazao ary.
41
Nisy roa lahy nananan’ny mpampindram-bola iray trosa: Ny iray dia nananany denaria dimanjato, ary ny iray kosa dia dimampolo.
42
Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy dia samy navelany. Koa iza moa amin’ireo no ho tia azy kokoa?
43
Dia namaly i Simona hoe: Heveriko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.
44
Ary nitodika nijery an-dRavehivavy Jesosy ka niteny tamin’i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa dia nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony ary namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
45
Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; nefa izy, hatrizay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.
46
Ny lohako dia tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa dia nanosotra menaka manitra ny tongotro.
47
Koa amin’izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony marobe, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana.
48
Dia hoy Izy tamin-dRavehivavy: Voavela ny helokao.
49
Ary izay niara-nihinana taminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka?
50
Ary hoy Izy tamin-dRavehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana amin’ny fiadanana.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24