bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 21
Luke 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 22 →
1
Nanopy ny masony Jesosy ka nahita ny mpanankarena nandrotsaka rakitra tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
2
ary nahita mpitondratena mahantra iray koa Izy izay nandrotsaka lepta roa tao.
3
Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena mahantra io no nandrotsaka be noho izy rehetra.
4
Fa ireo rehetra ireo dia tamin’ny haben’ny fananany no nandrotsahany tao amin’ny rakitra; fa izy kosa tamin’ny fahantrany no nandrotsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
5
Nisy nilaza fa voaravaka vato tsara sy fanatitra ny tempoly; fa hoy Jesosy:
6
Ny amin’ireo zavatra hitanareo ireo dia ho avy ny andro, koa tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
7
Ary nanontany Azy izy ireo hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? Ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?
8
Dia hoy Izy: Mitandrema fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin’ny anarako sady hilaza hoe: Izaho no Izy, ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.
9
Raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola miaraka amin’izay akory ny farany.
10
Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.
11
Hisy horohoron-tany lehibe sy mosary ary areti-mandringana any amin’ny tany samihafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
12
Raha tsy mbola tonga izany rehetra izany dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ny sinagoga sy any an-tranomaizina ka hoentina eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny manampahefana ianareo noho ny anarako.
13
Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.
14
Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra mialoha izay ho fiarovan-tenanareo;
15
fa Izaho no hanome anareo teny sy fahendrena izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra toherina na valìna.
16
Hatolotry ny ray sy ny reny, ny rahalahy sy ny havana aman-tsakaiza koa aza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
17
Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
18
Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ny lohanareo aza.
19
Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
20
Rehefa mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila ianareo dia aoka ho fantatrareo fa efa manakaiky ny fandravana azy.
21
Ary izay any Jodia amin’izany andro izany, aoka handositra ho any an-tendrombohitra; izay ao Jerosalema, aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha, aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.
22
Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
23
Fa loza no hanjo ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany! Satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ny tany ary fahatezerana amin’ity firenena ity.
24
Dia ho ringana amin’ny lelan-tsabatra izy ka hoentina ho babon’ny firenena rehetra, ary hohitsahin’ny Jentilisa i Jerosalema mandra-pahatanteraka ny andron’ny Jentilisa.
25
Hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hitebiteby ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany,
26
koa ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ireo herin’ny lanitra dia hohozongozonina.
27
Amin’izany dia hahita ny Zanak’Olona tonga eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
28
Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
29
Ary nilaza fanoharana tamin’izy ireo Izy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.
30
Raha hitanareo fa vao mitsiry ny rantsany dia fantatrareo ihany fa efa akaiky ny lohataona.
31
Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.
32
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho tapitra ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.
33
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko dia tsy mba ho levona.
34
Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
35
Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany.
36
Fa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo ka ho afa-mandositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’Olona.
37
Nony antoandro dia nampianatra tao amin’ny tempoly Izy; ary nony alina dia niala tao izy ka nitoetra teny amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva.
38
Ary ny vahoaka rehetra dia tonga vao maraina teo Aminy, tao amin’ny tempoly, mba hihaino Azy.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24