bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 18
Luke 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 19 →
1
Ary nilaza fanoharana tamin’izy ireo Jesosy, ny amin’ny tokony hivavahany mandrakariva ka tsy ho reraka,
2
dia hoy Izy: Nisy mpitsara tao an-tanàna iray, izay tsy natahotra an’Andriamanitra sady tsy niraharaha olona.
3
Ary nisy mpitondratena iray tao amin’izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka niteny hoe: Omeo rariny aho eo anoloan’ilay manana ady amiko.
4
Tsy nanaiky ilay mpitsara aloha; fa taorianan’izany dia niteny anakampo izy hoe: Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sady tsy miraharaha olona
5
mba homeko rariny ihany io mpitondratena io fa manahirana ahy, mba tsy ho avy hanorisory ahy tsy misy farany izy.
6
Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain’ilay mpitsara tsy marina.
7
Fa Andriamanitra va tsy hanome rariny ireo olom-boafidiny izay mitaraina Aminy andro aman’alina, ary moa hampiandry azy ireo ela va Izy?
8
Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’Olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?
9
Nilaza ity fanoharana ity tamin’ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa Jesosy:
10
Nisy roa lahy niakatra tao amin’ny tempoly mba hivavaka; Fariseo ny iray ary mpamory hetra ny iray.
11
Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
12
Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny ampahafolony amin’izay azoko rehetra aho.
13
Fa ilay mpamory hetra kosa dia nijanona teny lavitra eny sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory fa niteha-tratra ka niteny hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota!
14
Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany rehefa nody tany an-tranony dia efa nohamarinina, fa tsy mba toy izany ilay iray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
15
Nisy nitondra zazakely koa ho eo amin’i Jesosy mba hokasihiny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra dia nandrara azy ireo.
16
Nefa nasain’i Jesosy noentina teo Aminy ireo ary hoy Izy hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.
17
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza dia tsy ho tafiditra ao aminy velively.
18
Nisy manampahefana iray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko mba handovako fiainana mandrakizay?
19
Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no lazainao fa tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.
20
Fantatrao ny didy hoe: «Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga, manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12-16).
21
Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
22
Rehefa nandre izany Jesosy dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: Amidio ny fanananao rehetra ka zarao ho an’ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
23
Ary rehefa nandre izany Ralehilahy dia nalahelo tokoa; tena nanankarena mantsy izy.
24
Raha nahita azy nalahelo fatratra Jesosy dia niteny hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
25
Fa ho moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
26
Ary izay nandre dia niteny hoe: Iza indray ary no ho azo vonjena?
27
Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain’ny olona dia hain’Andriamanitra.
28
Dia hoy i Petera: Indro izahay, efa nahafoy ny fanananay ka nanaraka Anao.
29
Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano na vady na rahalahy na ray na reny na zanaka, noho ny fanjakan’Andriamanitra,
30
ka tsy handray be lavitra noho izany amin’izao andro ankehitriny izao, ary amin’ny fotoana ho avy dia fiainana mandrakizay.
31
Naka ny roa amby folo lahy Jesosy ka niteny taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin’ny Zanak’Olona.
32
Fa hatolotra ho amin’ny Jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
33
ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin’ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
34
Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany sady tsy fantany izay nolazainy satria nafenina taminy izany.
35
Raha nanakaiky an’i Jeriko Jesosy dia indro jamba iray, nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
36
Raha nandre ny vahoaka mandalo izy dia nanontany hoe: Inona izany?
37
Dia hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
38
Dia niantso mafy Ralehilahy hoe: Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!
39
Ireo izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.
40
Dia nijanona Jesosy ka nasainy noentina teo aminy Ralehilahy; ary rehefa nanatona Azy izy dia nanontany azy Jesosy hoe:
41
Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hahitako indray.
42
Dia hoy Jesosy taminy: Aoka ianao hahita indray! Ny finoanao no efa nahavonjy anao.
43
Ary niaraka tamin’izay dia nahita izy ka nanaraka an’i Jesosy sady nankalaza an’Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita izany, dia nidera an’Andriamanitra.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24