bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 15
Luke 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 16 →
1
Nanatona hihaino Azy ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota.
2
Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanoradalàna ka niteny hoe: Mandray ny mpanota Ilehio ka miara-misakafo aminy.
3
Fa nilaza izao fanoharana izao tamin’izy ireo Izy hoe:
4
Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato ka very ny iray no tsy mandao ny sivy amby sivifolo any an-tany efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?
5
Rehefa hitany iny dia lanjainy eo an-tsorony ka faly izy;
6
ary rehefa tonga ao an-trano izy dia manasa ny namany sy ny mpiaramonina aminy ka milaza aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.
7
Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka mihoatra noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivifolo izay tsy misy tokony hibebahany.
8
Ary iza moa no vehivavy manana drakma folo ka very ny iray no tsy mampirehitra jiro ka mamafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?
9
Ary rehefa hitany ilay izy dia mamory ny vehivavy namany sy ny mpiaramonina aminy izy ka miteny hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay drakma iray izay very.
10
Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ireo anjelin’Andriamanitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka.
11
Hoy Jesosy: Nisy olona iray nanana zanaka mirahalahy.
12
Ary hoy ilay zandriny tamin’ny rainy: Raiko ô! Omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin’izy mirahalahy ny fananany.
13
Nony afaka andro vitsivitsy dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin’ny fiainana feno fanaranam-po amin’ny ratsy tany.
14
Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, ka nisy mosary mafy tamin’izany faritra izany, dia nanomboka ho sahirana izy.
15
Dia nandeha izy ka niankina tamin’ny tompon-tany iray tamin’izany faritra izany, ary nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa.
16
Satriny hamoky tena tamin’ny voankazo fihinan’ny kisoa, saingy tsy nisy nanome azy.
17
Ary rehefa nody ny sainy dia hoy izy: Indrisy! Maro ny olona karamain’ny raiko manana sakafo be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto!
18
Hiainga aho dia hody any amin’ny raiko ka hiteny aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho
19
ka tsy mendrika hatao hoe: zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny iray amin’ny olona karamainao.
20
Dia niainga izy ka nankany amin’ny rainy. Fa raha mbola lavitra izy dia tazan’ny rainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.
21
Ary hoy ilay zanany taminy: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony.
22
Fa rainy kosa dia nilaza tamin’ny mpanompony hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny tanany ary kapa ny tongony;
23
ento atỳ ny zanak’omby nafahy ka vonoy; ary aoka isika hisakafo sy hifaly;
24
fa ity zanako ity efa maty fa velona indray, ary efa very fa hita indray. Dia nanomboka niara-nifaly izy ireo.
25
Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka nanakaiky ny trano dia nandre zavamaneno sy dihy.
26
Dia niantso mpanompo iray izy ary nanontany azy izay anton’izany zavatra izany.
27
Hoy ilay mpanompo taminy: Tonga ny rahalahinao ka namono ny zanak’omby nafahy ny rainao satria efa tafaverina soa amantsara ato aminy izy.
28
Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy.
29
Fa namaly ny rainy izy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho dia tsy mbola nomenao na dia zanak’osy aza mba hifaliako amin’ny sakaizako;
30
fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia novonoinao ho azy ny zanak’omby nafahy.
31
Fa hoy rainy taminy: Anaka, ianao dia eto amiko mandrakariva ary anao avokoa izay rehetra ananako.
32
Fa mety ny mifaly sy miravoravo satria ity rahalahinao ity efa maty fa velona indray, ary efa very fa hita indray.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24