bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 6
Luke 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 7 →
1
Indray Sabata dia nandeha namakivaky tanimbary iray Jesosy; ary nanoty salohim-bary ny mpianany, koa rehefa nokosokosohiny tamin’ny tanany dia nohaniny.
2
Fa ny Fariseo sasany dia niteny hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy azo atao amin’ny Sabata?
3
Ary Jesosy namaly azy hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’izay niaraka taminy,
4
fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra izy dia nandray ny mofo atao fanatitra ka nihinana sady nanome ho an’izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy mihinana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany?
5
Ary hoy Izy taminy: Tompon’ny Sabata ny Zanak’Olona.
6
Nony tamin’ny Sabata hafa koa dia niditra tao amin’ny sinagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy iray maty tanana havanana tao.
7
Ary ny mpanoradalàna sy ny Fariseo dia nanara-maso Azy, na hanasitrana amin’ny Sabata Izy na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.
8
Nahalala ny hevitr’ireo Jesosy dia niteny tamin-dRalehilahy maty tanana hoe: Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.
9
Ary hoy Jesosy tamin’ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin’ny Sabata sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va sa ny mamono?
10
Ary nijery ireo rehetra nanodidina azy Izy dia niteny tamin-dRalehilahy hoe: Atsory ny tananao. Dia nataony izany ka sitrana ny tanany.
11
Dia feno hatezerana izy ireo ka nifampidinika ny amin’izay hataony amin’i Jesosy.
12
Tamin’izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy.
13
Nony maraina ny andro dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa amby folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,
14
dia i Simona izay nataony hoe Petera, i Andrea rahalahiny, i Jakoba, i Jaona, i Filipo, i Bartolomeo,
15
i Matio, i Tomasy, i Jakoba zanak’i Alfeo, i Simona izay atao hoe Zelota,
16
i Jodasy zanak’i Jakoba ary i Jodasy iskariota, ilay tonga mpamadika.
17
Niara-nidina tamin’izy ireo Jesosy, dia nijanona teo amin’ny tany marin-tampona iray Izy sy ny mpianany maro mbamin’ny vahoaka betsaka avy tany Jodia manontolo sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tiro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin’ny aretiny;
18
ary izay nampahorin’ny fanahy maloto dia nositranina.
19
Nitady hikasika Azy ny vahoaka rehetra satria nisy hery niala Taminy ka nahasitrana azy rehetra.
20
Ary nanopy ny masony tamin’ny mpianany Jesosy ka nilaza hoe: Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra.
21
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.
22
Sambatra ianareo, raha halan’ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’Olona.
23
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ka mibitaha; fa indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.
24
Lozanareo izay manankarena kosa! Fa efa azonareo izay naha afa-po anareo.
25
Lozanareo izay voky ankehitriny! Fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny! Fa mbola ho ory sy hitomany ianareo.
26
Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! Fa izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.
27
Kanefa hoy Aho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo;
28
misaora izay manozona anareo; ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
29
Raha misy mamely ny takolakao iray dia atolory azy koa ny iray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.
30
Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka izay anao dia aza mitaky izany aminy.
31
Ary araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo no mba ataovy aminy kosa.
32
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no fankasitrahana ho azonareo? Fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy.
33
Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no fankasitrahana ho azonareo? Fa na dia ny mpanota aza mba manao toy izany koa.
34
Raha mampisambotra amin’izay olona antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no fankasitrahana ho azonareo? Fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra amin’ny mpanota, handraisany toraka izany indray.
35
Koa tiava ny fahavalonareo ary manaova soa, dia mampisambora ka aza manantena valiny, dia ho lehibe ny valim-pitianareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin’izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.
36
Aoka ho mpamindra fo ianareo tahaka ny Rainareo izay Mpamindra fo.
37
Aza mitsara dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka dia tsy hohelohina ianareo; mamelà dia mba havela ianareo;
38
omeo dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho eo ampofoanareo. Fa izay fatra amaranareo no hamarana ho anareo kosa.
39
Nilaza fanoharana taminy koa Jesosy hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa?
40
Tsy mihoatra noho ny mpampianatra ny mpianatra; fa izay rehetra tsara fiofanana dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.
41
Nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory?
42
Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.
43
Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara.
44
Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo na voaloboka amin’ny voaroy.
45
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vavany.
46
Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko! Tompoko! Nefa tsy manatanteraka izay lazaiko?
47
Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatò azy dia hasehoko aminareo izay tahaka azy:
48
Tahaka ny olona nanorina trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin’ny vatolampy; koa nony tondraka ny rano dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy satria tsara fanorenana izy.
49
Fa izay mandre, nefa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanorina trano teo ambonin’ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka ka nirodana niaraka tamin’izay izy; ary loza ny faharavan’izany trano izany.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24