bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 3
Luke 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 4 →
1
Tamin’ny taona fahadimy amby folo nanjakan’i Tiberio Kaisara, fony i Pontio Pilato no governora tany Jodia, i Heroda no mpanapaka tany Galilia, i Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, i Lisaniasy no mpanapaka tany Abilena
2
ary i Anasy sy i Kaiafa no Mpisoronabe, dia tonga tamin’i Jaona, zanak’i Zakaria, tany an-tany efitra ny tenin’Andriamanitra.
3
Ary nankany amin’ny faritra rehetra any amoron’i Jordana izy nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka;
4
araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’Isaia mpaminany hoe: «Injany misy feon’ny miantso mafy any an-tany efitra hoe: Amboary ny lalan’NY TOMPO, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
5
Ny lohasaha rehetra dia hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra dia haetry, ny miolikolika dia hahitsy, ny lalana mikitoantoana dia hohamarinina;
6
Ary ny nofo rehetra dia hahita ny famonjen’Andriamanitra» (Isa 40.3-5).
7
Hoy izy tamin’ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
8
Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana; ary aza miteny anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.
9
Indro, efa mipetraka ao amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
10
Nanontany an’i Jaona ny vahoaka hoe: Inona ary no hataonay?
11
Namaly azy izy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an’ny tsy manana ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa.
12
Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka niteny taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?
13
Hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.
14
Nisy miaramila koa nanontany azy hoe: Inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mampiasa hery amin’ny tsy antony na miampanga lainga, ary aoka ho afa-po amin’ny karamanareo ianareo.
15
Raha mbola niandry ny olona ka samy nieritreritra an’i Jaona tao am-pony, na izy no Kristy na tsia,
16
dia hoy i Jaona tamin’izy rehetra: Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
17
eny an-tanany ny fikororohany hanadiovany tsara ny ao am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho ao amin’ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo dia hodorany amin’ny afo tsy azo vonoina.
18
Fananarana maro hafa koa no notorìny tamin’ny olona.
19
Fa i Heroda mpanapaka, nony nanarin’i Jaona noho ny amin’i Herodiasy, vadin’ny rahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
20
dia nanidy an’i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin’izany rehetra izany koa.
21
Rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
22
ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, koa ny endriny dia tahaka ny voromailala. Dia nisy feo avy tany an-danitra hoe: Ianao no Zanako malalako; Ianao no sitrako.
23
Tokony ho telopolo taona Jesosy, rehefa nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak’i Josefa izay zanak’i Hely,
24
zanak’i Matata, zanak’i Levy, zanak’i Melky, zanak’i Janay, zanak’i Josefa,
25
zanak’i Matatia, zanak’i Amosa, zanak’i Nahoma, zanak’i Esly, zanak’i Nagay,
26
zanak’i Mata, zanak’i Matatia, zanak’i Semeina, zanak’i Joseka, zanak’i Joda,
27
zanak’i Joanana, zanak’i Resa, zanak’i Zerobabela, zanak’i Salatiela, zanak’i Nery,
28
zanak’i Melky, zanak’i Ady, zanak’i Kosama, zanak’i Elmadama, zanak’i Era,
29
zanak’i Jesosy, zanak’i Eliezera, zanak’i Jorima, zanak’i Matata, zanak’i Levy,
30
zanak’i Simeona, zanak’i Joda, zanak’i Josefa, zanak’i Jonama, zanak’i Eliakima,
31
zanak’i Melea, zanak’i Mena, zanak’i Matata, zanak’i Natama, zanak’i Davida,
32
zanak’i Jese, zanak’i Jobeda, zanak’i Boaza, zanak’i Salmona, zanak’i Nahasona,
33
zanak’i Aminadaba, zanak’i Admina, zanak’i Arny, zanak’i Hezroma, zanak’i Fareza, zanak’i Joda,
34
zanak’i Jakoba, zanak’Isaka, zanak’i Abrahama, zanak’i Tera, zanak’i Nahora,
35
zanak’i Seroga, zanak’i Reo, zanak’i Palega, zanak’i Ebera, zanak’i Sela,
36
zanak’i Kenama, zanak’i Arpaksada, zanak’i Sema, zanak’i Noa, zanak’i Lameka,
37
zanak’i Metosela, zanak’i Enoka, zanak’i Jareda, zanak’i Mahalalila, zanak’i Kenama,
38
zanak’i Enosy, zanak’i Seta, zanak’i Adama, zanak’Andriamanitra.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24