bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 23
Luke 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 24 →
1
Ary nitsangana ny olona rehetra ka nitondra an’i Jesosy tany amin’i Pilato.
2
Dia nanomboka niampanga Azy izy ireo hoe: Izy ity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’i Kaisara ary nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
3
Ary nanontany Azy i Pilato hoe: Ianao va no Mpanjakan’ny Jiosy? Dia namaly azy Izy hoe: Voalazanao.
4
Hoy i Pilato tamin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity.
5
Fa vao mainka nanizingizina ireo hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra manerana an’i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatratỳ.
6
Raha nandre izany i Pilato dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.
7
Rehefa fantany fa avy tamin’ny tany tapahin’i Heroda Izy dia nampanateriny tany aminy, fa tany Jerosalema koa i Heroda tamin’izany andro izany.
8
Faly dia faly i Heroda raha nahita an’i Jesosy; fa efa ela no naniriany hahita Azy satria efa nandre ny Aminy sy nanantena hahita Azy hanao famantarana izy.
9
Nametraka fanontaniana maro Taminy izy; nefa tsy namaly teny azy akory Jesosy.
10
Ary ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna nijanona teo dia nitompo teny fantatra hiampanga Azy.
11
Ary namingavinga Azy i Heroda sy ny miaramilany ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo marevaka ka namerina Azy tany amin’i Pilato.
12
Ary nanjary mpinamana i Heroda sy i Pilato tamin’izany andro izany; kanefa nifankahala izy roa lahy taloha.
13
Rehefa nasain’i Pilato novorina ireo lehiben’ny mpisorona sy ireo manampahefana ary ny vahoaka
14
dia hoy izy tamin’izy ireo: Noentinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity fa hoe nampiodina ny vahoaka; ary indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity amin’izay iampanganareo Azy;
15
na dia i Heroda koa aza dia tsy nahita, fa namerina Azy ho atỳ amintsika izy; ary indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy;
16
koa hofaiziko Izy dia halefako.
17
Fa tsy maintsy manafaka olona iray ho an’ny vahoaka izy amin’ny andro firavoravoana.
18
Fa izy rehetra dia niantso mafy indray miredona hoe: Vonoy Io ka i Barabasy no alefaso ho anay!
19
Io Barabasy io dia natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana tao an-tanàna sy noho ny vonoan’olona.
20
Ary satria tian’i Pilato hafahana Jesosy dia nifandahatra tamin’ireo indray izy.
21
Fa ny olona kosa dia niantsoantso hoe: Homboy, homboy amin’ny hazofijaliana Izy!
22
Dia niteny tamin’izy ireo fanintelony izy hoe: Inona ary no ratsy nataony? Tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy; koa hofaiziko Izy dia halefako.
23
Fa mbola niantsoantso tamin’ny feo mahery ihany ny olona ka nangataka ny hanomboana an’i Jesosy amin’ny hazofijaliana. Ary nihanahery ny feon’ny olona.
24
Dia nanapa-kevitra hanaiky izay nangatahin’izy ireo i Pilato.
25
Koa nanafaka ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan’olona izy satria io no nangatahin’ny olona; fa Jesosy kosa natolony araka ny sitrapon’ireo.
26
Raha nitondra an’i Jesosy izy ireo dia nisambotra lehilahy kireniana iray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra azy ny hazofijaliana tao aorianan’i Jesosy.
27
Dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary nisy koa vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.
28
Fa Jesosy nitodika tamin’izy ireo ka niteny hoe: Ry zanakavavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
29
Fa indro, ho avy ny andro izay hilazana hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy nitoeran-jaza ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.
30
Dia hilaza amin’ny tendrombohitra ny olona hoe: «Mianjerà aminay; ary amin’ny havoana hoe: Saròny izahay» (Hos 10.8).
31
Fa raha ataony amin’ny hazo maitso izao, inona no hanjo ny hazo maina?
32
Ary nisy koa olon-dratsy roa lahy noentina hiaraka hovonoina Aminy.
33
Rehefa tonga teo amin’ny toerana atao hoe Ikarandoha izy ireo dia teo no nanomboany an’i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny iray dia teo ankavanany ary ny iray dia teo ankaviany.
34
Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany antsapaka no fizara ny fitafiany.
35
Nijanona teo ny olona ka nijery. Ireo loholona koa dia nandatsa hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny koa ny tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, dia Ilay voafidy.
36
Ary nihomehy Azy koa ny miaramila, dia nanatona ka nanome Azy vinaingitra
37
sady niteny hoe: Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.
38
Ary nisy soratra koa teo amboniny hoe: ity no mpanjakan’ny jiosy.
39
Ny iray tamin’ireo olon-dratsy nahantona teo dia niteny ratsy Azy hoe: Tsy Ianao va no Kristy? Vonjeo ny tenanao sy izahay.
40
Fa niteny kosa ilay iray sady nananatra ny namany hoe: Moa tsy mba matahotra an’Andriamanitra va ianao na dia ianao voaheloka izao koa aza?
41
Marina ny anamelohana antsika satria mandray ny valin’ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa, tsy mba nanao ratsy na dia kely akory aza.
42
Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa tonga any amin’ny fanjakanao Ianao.
43
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hiarahanao Amiko any Paradisa.
44
Rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina dia nisy haizina nandrakotra ny tany manontolo ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany
45
satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba tao amin’ny tempoly.
46
Dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy hoe: «Ray ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko» (Sal 31.5); rehefa niteny izany Izy dia afaka ny ainy.
47
Raha nahita izay zava-nitranga teo ny kapiteny dia nankalaza an’Andriamanitra hoe: Tena olona marina tokoa io Lehilahy io.
48
Ary ny vahoaka rehetra dia niara-nirohotra mba hijery izay niseho, ary raha nahita ny zava-nitranga ireo dia niverina sady niteha-tratra.
49
Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia kosa dia nijanona teny lavidavitra teny nijery izany zavatra izany.
50
Ary indro, nisy lehilahy antsoina hoe Josefa, izay isan’ny mpanolotsaina tao amin’ny Sinedriona, lehilahy tsara fanahy sady marina.
51
Izany lehilahy izany dia tsy mba nanaiky ny hevitra sy ny zavatra nataon’ny sasany; avy tany Arimatia tanànan’ny Jiosy izy sady niandry ny fanjakan’Andriamanitra.
52
Nankao amin’i Pilato izy ka nangataka ny fatin’i Jesosy.
53
Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny lamba hariry madinika, dia naleviny tao amin’ny fasana voalavaka tao amin’ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
54
Andro fiomanana izany andro izany, fa efa antomotra ny Sabata.
55
Ary ny vehivavy, izay niaraka Taminy hatrany Galilia, dia nanaraka tao aoriana ka nahita ny fasana sy izay fomba nametrahany ny faty.
56
Ary niverina ireo ka nanomana zavamanitra sy menaka manitra. Ary tamin’ny Sabata dia nitsahatra ihany izy ireo araka ny lalàna.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24