bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 12
Luke 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 13 →
1
Tamin’izany, raha niangona ny vahoaka betsaka, an’arivony maro, ka nifanitsa-kitro, dia niteny tamin’ny mpianany aloha Jesosy hoe: Mitandrema ianareo amin’ny masirasiran’ny Fariseo, dia ny fihatsarambelatsihy.
2
Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
3
Koa na inona na inona teneninareo ao amin’ny maizina dia ho re eo amin’ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin’ny efitrano dia hotorìna eny amin’ny tampon-trano.
4
Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa aorianan’izany dia tsy mahavita na inona na inona mihoatra noho izany.
5
Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manampahefana hanary any amin’ny afobe, rehefa nahafaty; eny, hoy Aho aminareo: Matahora Azy.
6
Tsy asariona roa va no vidin’ny tsintsina dimy? Nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
7
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
8
Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia heken’ny Zanak’Olona izy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra;
9
fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ny olona dia holavina kosa izy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra.
10
Fa na zovy na zovy no hiteny hanohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.
11
Ary raha entina ho ao amin’ny sinagoga sy ny mpitsara ary ny manampahefana ianareo dia aza manahy izay havalinareo na izay holazainareo;
12
fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin’izany ora izany izay tokony holazainareo.
13
Nisy olona iray teo amin’ny vahoaka niteny tamin’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
14
Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara eo aminareo?
15
Ary hoy Izy tamin’ny olona: Mitandrema ianareo ka miarova tena amin’ny fitiavan-karena; fa ny ain’ny olona dia tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.
16
Dia nilaza fanoharana taminy Izy hoe: Nahavokatra be ny tanin’ny lehilahy manankarena iray.
17
Ary nihevitra tao am-pony izy hoe: Ahoana no hataoko fa tsy manana toerana hamoriako ny vokatro aho?
18
Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitahirizako aho ka hanangana izay lehibe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
19
Dia hilaza amin’ny fanahiko aho hoe: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
20
Fa Andriamanitra kosa niteny taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, koa ho an’iza izay zavatra noharìnao?
21
Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manankarena ny amin’Andriamanitra.
22
Hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo.
23
Fa ny aina dia mihoatra noho ny hanina ary ny tena noho ny fitafiana.
24
Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitahirizana, nefa Andriamanitra no mamelona azy ireny; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
25
Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia hakiho iray aza?
26
Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin’ny sisa?
27
Hevero ny fanirin’ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia i Solomona teo amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny iray amin’ireny.
28
Koa raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
29
Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahiahy foana.
30
Fa ny Jentilisa amin’izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; nefa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
31
Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.
32
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
33
Amidio ny fanananareo ka atolory ho fiantrana, manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ny mpangalatra atonina sady tsy misy kalalao manimba.
34
Fa izay itoeran’ny harenanareo dia ho any koa ny fonareo.
35
Aoka hisikina ianareo, ary aoka hirehitra ny jironareo;
36
aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ny fampakaram-bady izy, koa nony tonga sy mandondòna izy dia vohàny miaraka amin’izay.
37
Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony dia hampipetraka azy ireo hisakafo, ary ho avy ka hanompo azy.
38
Ary na amin’ny fotoam-piambenana faharoa amin’ny alina izy no tonga na amin’ny fotoam-piambenana fahatelo ka mahita toy izany dia sambatra ireo mpanompo ireo.
39
Fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hovakina.
40
Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak’Olona amin’izay ora tsy ampoizinareo.
41
Hoy i Petera: Tompoko, ho anay va no ilazanao izany fanoharana izany sa ho an’ny olona rehetra?
42
Hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara sakafo ara-potoana?
43
Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony fa indro, manatanteraka izany, raha avy izy.
44
Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpiandraikitra ny fananany rehetra izy.
45
Fa raha miteny anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy; dia mikapoka ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
46
dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ny ora izay tsy fantany, dia hofaiziny mafy izy ka homeny anjara any amin’ny tsy mahatoky.
47
Ilay mpanompo izay mahafantatra ny sitrapon’ny tompony ihany nefa tsy miomana na manatanteraka izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
48
Fa izay tsy nahafantatra kosa ka nanatanteraka izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be no hitadiavana be; ary izay nampitahirizina be no hitakina bebe kokoa.
49
Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ny tany Aho; koa toy inona ny faniriako mba hirehetan’izany sahady?
50
Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho; koa toy inona ny tebitebiko ambara-pahatanterany!
51
Heverinareo va fa tonga hanome fihavanana etỳ ambonin’ny tany Aho? Tsia, hoy Aho aminareo fa fampisarahana.
52
Fa hatramin’izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao amin’ny trano iray, ny telo dia hanohitra ny roa ary ny roa dia hanohitra ny telo.
53
Hisara-tsaina ireo, koa ny ray dia hanohitra ny zanakalahy ary ny zanakalahy dia hanohitra ny ray; ny reny dia hanohitra ny zanakavavy ary ny zanakavavy dia hanohitra ny reny; ny rafozam-bavy dia hanohitra ny vinantovaviny, ary ny vinantovavy dia hanohitra ny rafozam-bavy.
54
Hoy Jesosy tamin’ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin’izay, dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.
55
Ary raha avy any atsimo ny rivotra dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.
56
Ianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin’ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?
57
Nahoana ianareo no tsy mahay mitsara izay marina?
58
Fa raha miara-mandeha amin’ny manana ady aminao ianao hanatrika ny lehibe, raha mbola any an-dalana, dia ezaho izay hifanarahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin’ny mpitsara izy, ary ny mpitsara dia hanolotra anao amin’ny mpamatotra, ary ny mpamatotra dia hampiditra anao any an-tranomaizina.
59
Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny kaodiranta farany indrindra.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24