bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 13
Luke 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 14 →
1
Tamin’izany andro izany dia nisy ny sasany teo izay nanambara tamin’i Jesosy ny nanjo ireo Galiliana izay naharoharon’i Pilato tamin’ny fanatiny ny rany.
2
Fa Jesosy namaly azy hoe: Heverinareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra satria niharan’izany zavatra izany?
3
Tsia, hoy Aho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo rehetra dia ho ringana toy izany koa.
4
Ary ireny valo amby folo ireny, izay nianjeran’ny tilikambo tao Siloama ka maty, heverinareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
5
Tsia, hoy Aho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo rehetra dia ho ringana tahaka izany koa.
6
Nilaza ity fanoharana ity koa Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo amin’ny tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy fa tsy nahita.
7
Dia hoy izy tamin’ny mpikarakara ny tanim-boaloboka: Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin’ity aviavy ity fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?
8
Fa namaly ny mpikarakara hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin’ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy ka hasiako zezika;
9
mety mbola hamoa izy; fa raha tsy izany dia hokapainao ihany.
10
Nampianatra tao amin’ny sinagoga iray Jesosy tamin’ny Sabata.
11
Ary indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy nandritra ny valo amby folo taona; nanjoko izy ka tsy afa-nitraka mihitsy.
12
Rehefa nahita azy Jesosy dia niantso azy ka niteny hoe: Ravehivavy, afaka amin’ny rofinao ianao.
13
Dia nametraka ny tanany taminy Izy; ary niaraka tamin’izay dia nitraka Ravehivavy ka nankalaza an’Andriamanitra.
14
Tezitra anefa ny mpanapaka ny sinagoga satria nanasitrana tamin’ny Sabata Jesosy ka niteny tamin’ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa mandritra izany no tongava hositranina fa tsy amin’ny andro Sabata.
15
Fa ny Tompo namaly azy hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin’ny fihinanam-bilona va ianareo amin’ny Sabata ka mitondra azy hisotro rano?
16
Koa ity vehivavy zanak’i Abrahama ity, izay efa nafatotr’i Satana nandritra ny valo amby folo taona, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata va?
17
Ary raha nilaza izany Izy dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra dia nifaly noho ny zavatra malaza rehetra izay nataony.
18
Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan’Andriamanitra? Ary inona no hanoharako azy?
19
Tahaka ny voantsinapy izy, izay nalain’olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga hazo; ary ny voromanidina dia nanorina ny akaniny teo amin’ny rantsany.
20
Hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan’Andriamanitra?
21
Tahaka ny masirasira izy, izay nalain’ny vehivavy iray ka nafangarony tamin’ny koba intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny masirasira azy rehetra.
22
Nandeha nitety tanàna sy vohitra Jesosy ka nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.
23
Dia hoy ny olona iray taminy: Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin’ny olona:
24
Misisiha hiditra amin’ny varavarana ety ianareo; fa hoy Aho aminareo: Maro no hitady hiditra fa tsy ho afaka.
25
Raha vao mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary mijanona eo alatrano ianareo ka manomboka mandondòna ny varavarana ka miteny hoe: Tompoko, vohay izahay! Dia hamaly Izy ka hilaza aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
26
ary amin’izay ianareo dia hilaza hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay ary nampianatra teny an-dalambenay Ianao.
27
Fa Izy hiteny aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao heloka.
28
Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, rehefa mahita an’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba sy ny mpaminany rehetra eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianareo, fa ianareo kosa dia voaroaka any ivelany.
29
Ary ho tonga ny avy any atsinanana sy ny avy any andrefana ary ny avy any avaratra sy ny avy any atsimo ka hipetraka hisakafo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
30
Ary indro, misy izay farany ho voalohany ary izay voalohany ho farany.
31
Tamin’izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin’i Jesosy ka niteny taminy hoe: Mandehana Ianao ka mialà eto; fa ta hamono Anao i Heroda.
32
Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin’izany amboahaolo izany hoe: Indro, mandroaka demonia sy manasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny Amiko.
33
Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso ary raha afaka ampitso; fa ny mpaminany dia tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
34
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho any aminao, impiry Aho no ta hanangona ny zanakao tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany fa tsy nety ianareo!
35
Indro, avela ho lao ny tranonareo! Ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: «Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO» (Sal 118.26).
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24