bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 19
Luke 19
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 20 →
1
Rehefa tafiditra tao Jeriko Jesosy dia nandeha namakivaky ny tanàna.
2
Ary indro, nisy lehilahy iray antsoina hoe Zakaiosy izay lehiben’ny mpamory hetra sady mpanankarena.
3
Nitady hahita izy hoe iza moa Jesosy, kanefa tsy afaka noho ny vahoaka satria fohy izy.
4
Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika tamin’ny aviavy iray mba hahatazanany an’i Jesosy; fa efa handalo tamin’izany lalana izany Izy.
5
Rehefa tonga teo Jesosy dia niandrandra ka niteny taminy hoe: Ry Zakaiosy, midìna haingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.
6
Dia nidina haingana izy ka nampiantrano Azy sady faly.
7
Ary raha nahita izany ny rehetra dia nimonomonona ka niteny hoe: Lasa nandeha hiantrano amin’izay lehilahy mpanota Izy.
8
Fa i Zakaiosy kosa dia nitsangana ka niteny tamin’ny Tompo hoe: Indro Tompoko, ny antsasaky ny fananako, omeko ho an’ny mahantra; ary raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakana dia honerako avo efatra heny izany.
9
Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’i Abrahama koa.
10
Fa efa tonga ny Zanak’Olona hitady sy hamonjy ny very.
11
Raha mbola nihaino izany ny olona dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nilaza fanoharana, satria efa akaiky an’i Jerosalema Izy ka noheverin’ny olona fa hiseho haingana ny fanjakan’Andriamanitra.
12
Dia hoy Izy: Nisy olona ambony iray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia mbola hiverina.
13
Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy ary nanome azy mina folo ka niteny taminy hoe: Manaova varotra mandra-piaviko.
14
Fa nankahala azy ny vahoakany, dia nampitondra teny nanaraka azy nilaza hoe: Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay.
15
Nony tafaverina avy nandray fahefana hanjaka izy dia nasainy nantsoina hankeo aminy ireo mpanompo izay nomeny izany vola izany mba hahafantarany izay tombony azony.
16
Dia tonga ny voalohany ka niteny hoe: Tompoko, ny mina iray taminao dia efa nahazoana tombony mina folo.
17
Dia hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin’ny kely indrindra ianao dia manàna fahefana amin’ny tanàna folo.
18
Tonga koa ny iray ka nilaza hoe: Tompoko, ny mina iray taminao dia efa tonga mina dimy.
19
Ary hoy koa izy tamin’io: Mifeheza tanàna dimy koa ianao.
20
Fa tonga kosa ny iray ka niteny hoe: Tompoko, inty ny mina taminao, izay notahiriziko voafono tapa-damba.
21
Fa natahotra anao aho satria olona mila voa tsy ary ianao ka maka izay tsy napetrakao ary mijinja izay tsy nafafinao.
22
Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy. Fantatrao fa izaho dia olona mila voa tsy ary ka maka izay tsy napetrako ary mijinja izay tsy nafafiko;
23
koa nahoana no tsy napetrakao tamin’ny mpampanjanaka vola ny volako, koa rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy miaraka amin’ny zanany?
24
Ary hoy izy tamin’ireo izay nitsangana teo anilany: Alaivo ny mina eny aminy ka omeo ilay manana mina folo.
25
Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana mina folo izy.
26
Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza, dia halaina aminy.
27
Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo dia ento atỳ ka vonoy eto anatrehako.
28
Rehefa niteny izany Izy dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.
29
Raha nanakaiky an’i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianatra
30
ka niteny hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan’olona; vahao izy ka ento atỳ.
31
Raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahànareo io? Dia izao no holazainareo: Misy raharaha ilàn’ny Tompo azy.
32
Nony nandeha ireo nirahina dia nahita araka izay nolazainy taminy.
33
Rehefa namaha ny zana-boriky izy dia hoy ireo tompony taminy: Nahoana no vahànareo ny zana-boriky?
34
Dia hoy ireo: Misy ilàn’ny Tompo azy.
35
Dia nitondra azy ho any amin’i Jesosy izy ireo ary nametraka ny lambany teo ambonin’ny zana-boriky ka nampitaingeniny azy Jesosy.
36
Ary raha nandroso Jesosy dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy ireo.
37
Rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin’ny tendrombohitra Oliva dia faly avokoa ny mpianatra marobe ka nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany
38
ka niteny hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Ilay avy amin’ny anaran’NY TOMPO. Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin’ny avo indrindra!
39
Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin’ny vahoaka, dia niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao!
40
Fa Izy namaly hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo dia ny vato no hiantsoantso.
41
Raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna dia nitomany azy
42
ka niteny hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao, na anio ihany aza, ny amin’izay momba ny fiadanana! Nefa ankehitriny, nafenina tamin’ny masonao izany.
43
Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hihodidina aminao izy ka hanery anao avy amin’ny lafiny rehetra
44
ary hamongotra anao sy ny zanakao ao aminao izy ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ny tsy nahafantaranao ny fotoana namangiana anao.
45
Ary niditra teo amin’ny tempoly Jesosy dia nandroaka izay nivarotra
46
ka niteny taminy hoe: Voasoratra hoe: «Ny tranoko dia trano fivavahana (Isa 56.7); fa ianareo kosa dia nampiasa azy ho zohy fieren’ny jiolahy» (Jer 7.11).
47
Ary nampianatra isanandro teo amin’ny tempoly Izy. Fa ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary ny loholona dia nitady hahafaty Azy;
48
nefa tsy hitan’izy ireo izay hatao satria ny vahoaka rehetra dia liana nihaino Azy.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24