bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 4
Luke 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
1
Ary feno ny Fanahy Masina Jesosy dia niverina avy tany Jordana, ary noentin’ny Fanahy tany an-tany efitra nandritra ny efapolo andro Izy
2
ka nalain’ny devoly fanahy. Tsy nihinana na inona na inona akory Izy nandritra izany andro izany, koa rehefa tapitra izany dia noana Izy.
3
Ary hoy ny devoly Taminy: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
4
Fa Jesosy namaly azy hoe: Voasoratra hoe: «Tsy mofo ihany no iveloman’ny olona» (Deo 8.3).
5
Ary nitondra Azy niakatra ny devoly dia naneho Azy indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao.
6
Hoy ny devoly Taminy: Homeko Anao izao fahefana rehetra izao mbamin’ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany ka izay tiako no omeko azy;
7
koa raha hiankohoka eto anatrehako Ianao dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
8
Fa Jesosy namaly azy hoe: Voasoratra hoe: «NY TOMPO Andriamanitrao no hiankohofanao ary Izy irery ihany no hotompoinao» (Deo 6.13; 10.20).
9
Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy dia nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly ka niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mivarìna avy eto mankany ambany any;
10
fa voasoratra hoe: «Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;
11
ary eny an-tanany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao» (Sal 91.11, 12).
12
Fa Jesosy namaly azy hoe: Voalaza hoe: «Aza maka fanahy NY TOMPO Andriamanitrao» (Deo 6.16).
13
Rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly dia nandao Azy izy aloha.
14
Ary niverina tamin’ny herin’ny Fanahy nankany Galilia Jesosy; dia niely tamin’ny faritra rehetra manodidina ny lazany.
15
Nampianatra teny amin’ny sinagogan’ny olona koa Izy ka nankalazain’izy rehetra.
16
Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy, Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny sinagoga Izy tamin’ny andro Sabata ka nitsangana hamaky teny.
17
Dia natolotra Azy ny bokin’Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy dia nahita ny teny voasoratra hoe:
18
«Ny Fanahin’NY TOMPO no ato Amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mahantra Izy; naniraka Ahy hitory fanafahana amin’ny gadra Izy sy fampahiratana amin’ny jamba, hamerina izay nampahorina ho amin’ny fahafahana,
19
hitory taona ankasitrahan’NY TOMPO» (Isa 61.1, 2).
20
Rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ny mpanao raharaha dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason’izay rehetra tao amin’ny sinagoga.
21
Dia hoy Jesosy taminy: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
22
Ary izy rehetra dia niaiky Azy sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, koa hoy izy: Tsy Zanak’i Josefa va Ity?
23
Hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo Amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Ry mpitsabo, sitrano ny tenanao! Izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ny taninao koa.
24
Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin’ny taniny.
25
Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elia, raha tsy nilatsaka ny orana nandritra ny telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin’ny tany manontolo;
26
nefa tsy mba nirahina na dia ho any amin’ny iray tamin’ireo aza i Elia, afa-tsy tany Zarefata, any amin’ny tanin’i Sidona ho any amin’ny vehivavy mpitondratena iray.
27
Ary maro no boka teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza, afa-tsy i Namàna Siriana ihany.
28
Ary feno hatezerana izay rehetra teo amin’ny sinagoga, raha nandre izany,
29
dia nitsangana izy ireo ka nandroaka Azy ho any ivelan’ny tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon’ny havoana niorenan’ny tanàna mba hazerany amin’ny hantsana.
30
Nefa namakivaky teo afovoan’izy ireo Izy ka lasa nandeha.
31
Nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin’ny Sabata.
32
Dia talanjona tamin’ny fampianarany ny olona satria nisy fahefana ny teniny.
33
Nisy olona nanana fanahin’ny demonia maloto tao amin’ny sinagoga, izay niantso tamin’ny feo mahery hoe:
34
Indrisy! Moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Ianao? Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Ianao.
35
Fa niteny mafy azy Jesosy hoe: Mangìna ianao ka mialà aminy. Ary nony nampianjera azy teo afovoan’ny olona ny demonia dia niala taminy nefa tsy nandratra azy.
36
Dia talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Ahoana izao teny izao! Fa amim-pahefana sy hery no andidiany ny fanahy maloto dia miala ireny.
37
Ary niely teny amin’ny faritra manodidina rehetra ny lazany.
38
Nony nitsangana niala tao amin’ny sinagoga Jesosy dia niditra tao an-tranon’i Simona. Ary tratry ny tazo mafy ny rafozambavin’i Simona; koa nangataka Taminy izy ireo mba hanasitrana azy.
39
Dia niondrika teo aminy Izy ka noteneniny mafy ny tazo dia niala tamin-dRavehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nanompo azy ireo.
40
Rehefa nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ny aretina samihafa, dia nitondra azy teo Aminy; dia nametra-tanana tamin’izy rehetra tsirairay Izy ka nanasitrana azy.
41
Ary nisy demonia niala tamin’ny maro ka niantso hoe: Ianao no Zanak’Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
42
Nony maraina ny andro dia niala teo Jesosy ka nankany an-tany efitra; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo Aminy ka te hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
43
Nefa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.
44
Ary nitoriteny tany amin’ny sinagoga manerana an’i Galilia Izy.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24