bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Luke 10
Luke 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 11 →
1
Taorianan’izany dia nanendry olona hafa koa ny Tompo, fitopolo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ny tanàna sy ny toerana rehetra izay nokasainy haleha.
2
Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany, mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba handefa mpiasa hanangona ny vokatra.
3
Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo ampovoan’ny amboadia.
4
Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
5
Ao amin’izay trano idiranareo dia milazà aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity!
6
Raha misy zanaky ny fiadanana ao dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany dia hiverina ho aminareo ihany izany.
7
Ary mitoera ao amin’izany trano izany ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano.
8
Ary ao amin’izay tanàna idiranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay aroso anareo.
9
Sitrano izay marary ao ka lazao amin’ny olona hoe: Efa akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.
10
Fa ao amin’izay tanàna idiranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eny amin’ny lalambe ka lazao hoe:
11
Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin’ny tongotray, dia ahintsanay ho anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.
12
Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’i Sodoma amin’izany andro izany noho ny ho amin’izany tanàna izany.
13
Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! Fa raha mba tany Tiro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela izy ka nanao akanjo fisaonana sy nipetraka tamin’ny lavenona.
14
Fa ho moramora kokoa ny ho amin’i Tiro sy i Sidona amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
15
Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin’ny fitoeran’ny maty ianao.
16
Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.
17
Niverina tamin’ny fifaliana ny fitopolo lahy ka nilaza hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.
18
Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an’i Satana nilatsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.
19
Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
20
Kanefa aza mifaly ianareo satria manaiky anareo ny fanahy, fa mifalia satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
21
Tamin’izany ora izany dia ravoravo tamin’ny Fanahy Masina Jesosy ka niteny hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.
22
Ny zavatra rehetra dia natolotry ny Raiko Ahy; tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
23
Ary nitodika tamin’ny mpianatra Izy dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo.
24
Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo fa tsy nahita, ary naniry hahare izay renareo fa tsy nahare.
25
Ary indro, nisy mpahay lalàna iray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako ny fiainana mandrakizay?
26
Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna? Ahoana no famakianao azy?
27
Ary hoy izy hoe: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo sy ny herinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5); ary, «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
28
Dia hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany dia ho velona ianao.
29
Fa izy ta hanamarin-tena ka niteny tamin’i Jesosy hoe: Iza ary no namako?
30
Ary Jesosy namaly hoe: Nisy lehilahy iray nidina avy any Jerosalema hankany Jeriko ka nifanojo tamin’ny jiolahy, dia nendahany sady nokapohiny, ary nilaozany, rehefa saika maty.
31
Ary sendra nisy mpisorona iray nidina tamin’izany lalana izany; ary raha nahita an-dRalehilahy izy dia nandalo azy.
32
Ary toy izany koa ny levita iray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.
33
Fa nisy kosa Samaritana iray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy dia onena.
34
Dia nanatona izy ka nofeheziny ny feriny sady nasiany diloilo sy divay; dia napetrany teo ambonin’ny borikiny izy ka noentiny ho any amin’ny tranom-bahiny dia nokarakarainy.
35
Ary ny ampitson’iny dia naka vola denaria roa izy ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny sady hoy izy taminy hoe: Karakarao izy; ary na ohatrinona na ohatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako rehefa miverina aho.
36
Iza moa amin’izy telo lahy no heverinao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?
37
Dia hoy izy: Ilay niantra azy. Hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao ka mba manaova toy izany koa.
38
Raha nandeha izy ireo dia niditra teo amin’ny vohitra iray Jesosy; ary nisy vehivavy iray antsoina hoe Marta, nampiantrano Azy.
39
Nanana rahavavy antsoina hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny.
40
Fa i Marta kosa dia sahirana tamin’ny fanompoana maro; dia avy izy ka niteny hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Koa teneno izy mba hanampy ahy.
41
Fa ny Tompo namaly azy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao;
42
nefa zavatra iray loha no ilaina; fa i Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24