bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 1
2 Kings 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 2 →
1
Taorian’ny nahafatesan’i Ahaba dia nikomy tamin’i Israely i Môaba.
2
Indray andro i Ahazià mpanjakan’i Israely dia nianjera avy teny an-davarangan’ny efitrano ambony amin’ny lapany tao Samaria ka naratra mafy. Dia naniraka olona izy hanontany an’i Bahala-Zeboba andriamanitry ny tanànan’i Hekrôna, raha toa ka ho sitrana amin’izao ratra nahazo azy izao na tsia.
3
Fa hoy kosa ny anjeli n’ny TOMPO tamin’i Elià avy any Tisbe: –Mandehana mihaona amin’ny iraky ny mpanjakan’i Samaria ka lazao izy hoe: «Moa tsy misy Andriamanitra ve any Israely no mandeha hanontany an’i Bahala-Zeboba andriamanitr’i Hekrôna ianareo?»
4
Dia ampio koa hoe: «Izao no tenin’ny TOMPO ho an’ny mpanjakan’i Israely: ‹Tsy hiala eo am-parafara izay nandrianao intsony ianao, fa ho faty tokoa.› » Ary lasa i Elià nampita hafatra.
5
Dia niverina tany amin’ny mpanjaka ireto iraka. Rehefa nanontany ny anton’ny niverenany kosa i Ahazià, dia novaliany hoe:
6
–Nisy lehilahy iray nanatona anay sady nanome baiko anay mba hiverina atỳ aminao ka hilaza aminao izao tenin’ny TOMPO izao: «Moa tsy misy Andriamanitra ve any Israely no maniraka hanontany an’i Bahala-Zeboba andriamanitr’i Hekrôna ianareo? Noho izany, dia tsy hiala eo am-parafara izay nandrianao intsony ianao, fa ho faty tokoa!»
7
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ireo: –Fa manao ahoana izay lehilahy tonga nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?
8
Dia novaliany hoe: –Manao akanjo volom-biby sy fehikibo hoditra izy. Dia hoy ny mpanjaka: –I Elià avy any Tisbe izay!
9
Dia nandefa manamboninahitra iray miaraka amin’ny miaramila dimampolo ny mpanjaka mba hisambotra an’i Elià. Ary ireo niakatra terỳ an-tampon-tendrombohitra izay nipetrahan’i Elià. Dia nitenenan’ilay manamboninahitra izy hoe: –Ry olon’Andriamanitra ô, midîna ianao, hoy ny mpanjaka!
10
Fa novalian’i Elià hoe: –Raha olon’Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny miaramila dimampolo fehezinao! Dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ilay manamboninahitra sy ny miaramilany dimampolo.
11
Ary nalefan’ny mpanjaka indray ny manamboninahitra iray hafa miaraka amin’ny miaramila dimampolo hankany amin’i Elià. Dia nitenenan’ilay manamboninahitra izy hoe: –Ry olon’Andriamanitra, midîna faingana ianao, hoy ny mpanjaka!
12
Fa novalian’i Elià hoe: –Raha olon’Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny miaramila dimampolo fehezinao! Dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ilay manamboninahitra sy ny miaramilany dimampolo.
13
Mbola nalefan’ny mpanjaka koa ny manamboninahitra iray hafa miaraka amin’ny miaramila dimampolo. Dia niakatra ny tendrombohitra ilay manamboninahitra; rehefa tonga izy, dia nandohalika teo anatrehan’i Elià ka nitalaho taminy nanao hoe: –Ry olon’Andriamanitra ô, mba tsimbino re ny aiko sy ny an’ireto miaramilako dimampolo ireto!
14
Fantatro fa efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra izay nandevona ireo manamboninahitra roa talohako mbamin’ny miaramila feheziny avy. Ankehitriny kosa mba tsimbino re ny aiko!
15
Ary hoy ny anjeli n’ny TOMPO tamin’i Elià: –Midîna miaraka aminy, fa aza matahotra azy. Dia nidina niaraka tamin’ilay manamboninahitra ho any amin’ny mpanjaka i Elià,
16
ka nilaza tamin’i Ahazià ny tenin’ny TOMPO hoe: –Satria naniraka olona hanontany an’i Bahala-Zeboba andriamanitr’i Hekrôna ianao, hoatra ny hoe tsy misy Andriamanitra mba azo anontaniana eto amin’i Israely, dia tsy ho tafala eo am-parafara izay nandrianao intsony ianao fa ho faty tokoa.
17
Dia maty tokoa araka ny tenin’ny TOMPO voalazan’i Elià i Ahazià; ary satria tsy mba niteraka izy, dia i Jôrama rahalahiny no nanjaka nandimby azy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jôrama zanakalahin’i Jôsafata sady mpanjakan’i Joda.
18
Ny sisa amin’ny tantaran’i Ahazià ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25