bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 3
2 Kings 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 4 →
1
Tonga mpanjakan’i Israely i Jôrama zanakalahin’i Ahaba tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jôsafata mpanjakan’i Joda; ary naharitra 12 taona no nanjakany tao Samaria.
2
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy; ka nifikirany fa tsy nialany akory ny fahotana izay nampanaovin’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata ny Israelita. Kanefa tsy dia ratsy tahaka an-drainy sy reniny izy, satria nanaisotra ny tsangambato izay nataon-drainy hanajana an’i Bahala.
4
Ary niompy ondry maro i Mesà mpanjakan’i Môaba ka nandoa hetra zanak’ondry 100 000 sy ondrilahy 100 000 mbamin’ny volony ho an’ny mpanjakan’i Israely.
5
Rehefa maty anefa i Ahaba mpanjaka, dia nikomy tamin’ny mpanjakan’i Israely ny mpanjakan’i Môaba.
6
Ary niala tao Samaria i Jôrama tamin’izay mba hampanao matso ny tafik’i Israely manontolo.
7
Dia nandefa iraka hilaza amin’i Jôsafata mpanjakan’i Joda izy nanao hoe: «Nikomy tamiko ny mpanjakan’i Môaba; koa hiaraka amiko hanafika ny taniny ve ianao?» Ary hoy ny navaliny: «Eny, ho avy aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao ary ny soavaliko dia soavalinao.»
8
Fa hoy ihany izy: «Aiza àry no lalana halehantsika?» Ary namaly i Jôrama hoe: «Ilay mamaky ny taniefitr’i Edôma ».
9
Dia niainga ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Joda ary ny mpanjakan’i Edôma. Rehefa nandeha lalana fito andro ireo, dia tsy nahita rano intsony ho an’ny miaramila sy ny biby niaraka taminy.
10
Dia hoy ny mpanjakan’i Israely: –Indrisy fa ny TOMPO mihitsy no nitaona antsika mpanjaka telo lahy ireto mba hatolotra eo an-tanan’ny Môabita!
11
Fa hoy kosa i Jôsafata: –Moa tsy misy mpaminani n’ny TOMPO va eto mba hanontaniantsika ny TOMPO? Ary nisy manamboninahitry ny mpanjakan’i Israely namaly hoe: –Miaraka amintsika ao i Elisà zanakalahin’i Safata sady mpiara-niasa akaiky tamin’i Elià mpaminany.
12
Hoy i Jôsafata: –Miloatra avy aminy tokoa ny tenin’ny TOMPO. Dia nankany amin’i Elisà ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata ary ny mpanjakan’i Edôma.
13
Ka hoy i Elisà tamin’ny mpanjakan’i Israely: –Nahoana no mankatỳ amiko ianao? Mandehana any amin’ireo mpaminanin-drainao na ireo mpaminanin-dreninao! Fa novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Tsia, fa ny TOMPO mihitsy no nitaona anay mpanjaka telo lahy ireto mba hatolotra eo an-tanan’ny Môabita.
14
Dia hoy indray i Elisà: –Velona ny TOMPOn’izao rehetra izao sady tompoiko, ka manizingizina aho fa ny fanajàko an’i Jôsafata mpanjakan’i Joda ihany no anatrehako anao sy ijereko anao.
15
Ankehitriny, itondray mpitendry mozika aho. Raha mbola niangaly mozika ilay mpitendry, dia tonga tamin’i Elisà ny herin’ny TOMPO,
16
ka nampiteny azy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Andoahy lavaka maro ity hady ity,
17
satria Izaho TOMPO no efa nilaza fa tsy handre rivotra na hahita orana ianareo, nefa ho feno rano izany hady izany mba hisotroanareo, dia ny tenanareo sy ny miaramilanareo ary ny biby mpitondra ny entanareo.»
18
Saingy mbola zavatra kely eo imason’ny TOMPO ihany izany; fa hanolotra ny tanin’i Môaba eo an-tananareo koa Izy.
19
Horavanareo ny tanànamimanda sy ny tanàna soa rehetra, hokapainareo ny hazo fihinam-boa rehetra, hotampenanareo ny loharano rehetra ary hanipazanareo vato ny saha voavoly rehetra ho fanimbana azy.
20
Ny ampitso maraina, tamin’ny fotoana fanoloran-tsorona, dia indro fa nikoriana avy any Edôma ny rano ka nandrakotra ny tany.
21
Rehefa ren’ny Môabita rehetra fa avy hanafika azy ireto mpanjaka telo lahy, dia nantsoiny avokoa izay lehilahy mahatam-piadiana rehetra ka naka toerana teo amin’ny sisin-tany.
22
Nony nifoha ny Môabita ny ampitso maraina, dia notarafin’ny masoandro izany rano izany ka mena toy ny ra no fahitany azy teo anoloany;
23
ary hoy izy hoe: –Ra io! Niady sy nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo sy ny tafiny; koa mitsangàna, ry Môaba, ka mandrobà!
24
Kanjo, rehefa nanatona ny tobin’i Israely ny Môabita, dia notampohin’ny miaramila israelita izay namely azy ka nitsoaka nandositra teo anoloany. Nanenjika azy hatrany amin’ny taniny kosa ny Israelita ka naharesy azy.
25
Noravany ny tanàna ary samy nanipazany vato avokoa ny saha voavoly rehetra mandra-pahatototra azy, notampenany ny loharano rehetra ary nokapainy ny hazo fihinam-boa rehetra. Ny tanànan’i Kira-Harôseta no sisa tsy rava, nefa na io aza dia nohodidinin’ny mpandefa antsamotady ka notafihiny ihany koa.
26
Ary rehefa hitan’ny mpanjakan’i Môaba fa tsy hahatohitra ny fanafihana izy, dia namory miaramila fitonjato lahy mpitan-tsabatra hiaraka aminy mba hanavatsava hankany amin’ny mpanjakan’i Siria, nefa tsy nahomby.
27
Ary nalainy ny zanany lahimatoa izay tokony hanjaka handimby azy ka nataony sorona dorana manontolo teo ambonin’ny mandan’ny tanàna; natahotra mafy ny Israelita ka nandao ny fahirano ary nody any amin’ny taniny.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25