bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 10
2 Kings 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 11 →
1
Nanan-taranaka fitopolo lahy izay nipetraka tany Samaria i Ahaba. Fa nanoratra taratasy i Jehò mba halefa any Samaria ho an’ireo lehibe mpifehy ny tanàna mbamin’ireo loholona sy ireo mpanabe ny taranak’i Ahaba. Ka hoy i Jehò tamin’ny taratasiny:
2
«Eo aminareo ny taranaky ny tomponareo sy ny kalesy aman-tsoavaly ary ny fiadiana; sady tanànamimanda no onenanareo.
3
Vantany vao voarainareo ity taratasy ity, dia jereo izay tsara sy mendrika indrindra amin’ny fianakavian’ny tomponareo ka apetraho eo amin’ny sezafiandrianan-drainy, ary miadia ho an’ny fianakavian’ny tomponareo.»
4
Raiki-tahotra avokoa ireo olon-drehetra ireo, ka nifampilaza hoe: «Hataontsika ahoana ny hahatohitra an’i Jehò, nefa mpanjaka roa aza tsy nahatohitra azy?»
5
Dia nampitondra izao valin-teny izao ho an’i Jehò ilay lehiben’ny tandapa sy ilay mpanapaka ny tanàna mbamin’ireo loholona sy ireo mpanabe nanao hoe: «Mpanomponao izahay ka vonon-kanao izay rehetra andidianao anay; ary tsy hanangana olona ho mpanjaka izahay, koa ataovy izay sitrakao.»
6
Dia nanoratra taminy fanindroany i Jehò nanao hoe: «Raha momba ahy tokoa ianareo ary mankato ny baikoko, dia tapaho avokoa ny lohan’ireo taranaky ny tomponareo, ka ento atỳ amiko atỳ Jizrehela rahampitso toy izao.» Izy fitopolo lahy taranaky ny mpanjaka dia voatsinjara tamin’ireo olom-baventin’ny tanàna izay nitaiza azy avy.
7
Vao voarain’ireo mpitondra ireo ny taratasy, dia nampiantsoiny izy fitopolo lahy taranaky ny mpanjaka ka novonoiny ho faty; ary nafatrany an-tsobika ny lohany ka nalefany tany amin’i Jehò tany Jizrehela.
8
Dia nisy iraka tonga nanambara taminy ny nitondrana ireo lohan’ny taranaky ny mpanjaka ireo. Ary hoy i Jehò: –Ataovy toko roa mifanongoa eo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna mandra-paharain’ny andro ireo.
9
Nony maraina, dia nivoaka ny tanàna i Jehò ka niato nijaridina izy no niteny tamin’ny vahoaka rehetra teo hoe: –Tsy manan-tsiny ianareo! Fa izaho no tompon’andraikitra nioko tamin’i Jôrama mpanjaka sady nahafaty azy. Fa mba iza kosa no nahafaty an’ireto rehetra ireto?
10
Aoka ho fantatrareo àry fa tsy hisy raraka an-tany ny teny izay nolazain’ny TOMPO ny amin’ny taranak’i Ahaba! Fa ny TOMPO efa nanatanteraka izay nampilazainy an’i Elià mpanompony.
11
Dia nataon’i Jehò maty tao Jizrehela avokoa izay sisa rehetra tamin’ny taranak’i Ahaba mbamin’ireo olom-baventy rehetra mpomba azy ary ny havany sy ny mpisorony; ka tsy nasiany niangana na dia iray aza.
12
Avy teo dia lasa nankany Samaria i Jehò; ary nony tonga tany Bety-Hekeda toeram-pihaonan’ny mpiandry ondry izy,
13
dia nifanena tamin’ireo rahalahin’i Ahazià mpanjakan’i Joda, ka nanontany azy hoe: –Fa iza ange ianareo? Ary hoy ny navaliny: –Rahalahin’i Ahazià izahay, ka tonga mba hamangy ireo zanakalahin’i Jezebela mpanjakavavy sy ny hafa rehetra taranaky ny mpanjaka.
14
Ary hoy i Jehò: –Ataovy sambo-belona ireo. Dia nataon’ny naman’i Jehò sambo-belona izy 42 lahy ka novonoiny ho faty teo akaikin’ny lava-pantsakan’i Bety-Hekeda ary tsy nasiany niangana na dia iray aza.
15
Rehefa niala teo i Jehò, dia nahita an’i Jônadaba zanakalahin’i Rekaba izay tamy nanatona azy. Ary noarahabain’i Jehò izy ka nitenenany hoe: –Mba mahitsy fo amiko tahaka ny tenako aminao koa ve ianao? Ary hoy ny navalin’i Jônadaba: –Eny. Dia hoy i Jehò: –Raha izany àry, dia aoka isika hifandray tanana. Dia nifandray tanana izy roa lahy. Ary nampiakarin’i Jehò teo amin’ny kalesiny i Jônadaba
16
sady nilazany hoe: –Andeha hiaraka amiko fa hahita ny hafanampoko amin’ny fanompoana ny TOMPO ianao. Dia nentiny tamin’ny kalesiny izy.
17
Rehefa tonga tany Samaria i Jehò, dia nataony maty avokoa izay tamingan’i Ahaba sisa rehetra tao an-tanàna mandra-paharingany, araka ny teny nambaran’ny TOMPO tamin’i Elià.
18
Ary novorin’i Jehò ny mponina rehetra tao Samaria ka nilazany hoe: –Mba nanompo an’i Bahala kelikely ihany i Ahaba, fa izaho Jehò no hanompo azy fatratra.
19
Koa ankehitriny, vorio eto amiko avokoa ny mpaminanin ’i Bahala sy ny mpivavaka aminy ary ny mpisorony; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray aza, fa hanao fety lehibe hanaovan-tsorona amin’i Bahala aho. Koa izay rehetra tsy tonga dia hatao maty. Kanjo hafetsena no nanaovan’i Jehò izany mba handringanana ireo mpivavaka amin’i Bahala.
20
Ary hoy i Jehò: –Aoka hisy fivoriana manokana hankalazana an’i Bahala! Dia natao ny fiantsoana.
21
Ary nandefa iraka tamin’i Israely manontolo i Jehò, ka tonga avokoa ny mpivavaka amin’i Bahala fa tsy nisy tsy tonga na dia iray aza. Ary niditra tao an-tempolin’i Bahala ireo, ka feno hika ny trano.
22
Dia hoy i Jehò tamin’ny mpitahiry ny fanamiana: –Amoahy fanamiana avokoa ireo mpivavaka amin’i Bahala. Dia namoaka fanamiana ho azy izy.
23
Rehefa izany dia nankao an-tempolin’i Bahala i Jehò sy i Jônadaba zanakalahin’i Rekaba; ka i Jehò no niteny tamin’ireo mpivavaka amin’i Bahala hoe: –Hamarino tsara mba tsy hisy mpivavaka amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely aminareo ireo, fa mpivavaka amin’i Bahala ihany.
24
Teo ivelan’ny tempolin’i Bahala dia nametrahan’i Jehò miaramila valopolo lahy izay nilazàny hoe: «Hatao eo an-tananareo ireo olona ireo; koa raha misy aminareo mamela handositra ny anankiray amin’ireo, dia izy no hatao maty hisolo ilay nandositra.» Dia nandroso hanolotra ny sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo i Jehò sy i Jônadaba.
25
Rehefa vita izany, dia hoy i Jehò tamin’ny miaramila sy mpifehy azy: –Midira ka vonoy ho faty tsy hisy miangana ireo na dia iray aza! Dia nasian’ny miaramila tamin’ny lelan-tsabatra ireo, ka nariany tany ivelan’ny tanàna ny fatiny. Avy eo ireto miaramila dia niverina tao amin’ny faritra nisy ny tempolin’i Bahala.
26
Dia navoakany avokoa ny andry hazo tao amin’io tempoly io ka nodorany,
27
ary nomontsaniny ny tsangambaton’i Bahala; noravany koa ilay tempoly ary lasa toerana nanaovana trano fivoahana izay mbola fampiasa mandraka ankehitriny.
28
Toy izany no namongoran’i Jehò tsy ho eo amin’i Israely intsony ny fivavahana amin’i Bahala.
29
Saingy tsy nialan’i Jehò ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata ireo Israelita, dia ny fivavahana amin’ny ombilahikely volamena tao Betela sy tao Dana.
30
Koa hoy ny TOMPO tamin’i Jehò: –Satria tsara ny nanaovanao izay mahitsy teo imasoko sy ny nampiharanao tamin’ny taranak’i Ahaba ny famaizana noeritreretiko, dia hitoetra eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely hatramin’ny taranaka fahefatra ny taranakao.
31
Tsy notandreman’i Jehò akory anefa ny handeha araka ny lalànan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely amin’ny fony manontolo, fa tsy nialany akory ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama an’i Israely.
32
Tamin’izany fotoana izany no nanombohan’ny TOMPO nanakely ny tanin’i Israely, satria navelany handresy azy amin’ny sisin-taniny rehetra i Hazaela.
33
Lasan’io mpanjakan’i Siria io avokoa ny faritra atsinanan’i Jôrdàna sy avaratr’i Harôhera izay tanàna eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna, izany hoe i Gilehada sy i Basàna, dia ny tanin’ny Gadita sy ny Reobenita ary ny Manasita.
34
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jehò ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny herimpo nasehony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
35
Nanjaka 28 taona tamin’i Israely tao Samaria i Jehò. Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia nalevina tao Samaria; ary i Jôahaza zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25