bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 8
2 Kings 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 9 →
1
Indray andro dia niteny tamin’ilay vehivavy nanan-janakalahy maty nefa novelominy indray i Elisà, ka nanao hoe: –Mialà eto ianao sy ny fianakavianao ka mifindrà monina any amin’izay azonareo onenana; fa ny TOMPO handefa mosary eto amin’ny tanin’i Israely, ary efa ho tonga izany ka haharitra fito taona.
2
Dia niala teo ilay vehivavy ka nanao araka ny tenin’ilay olon’Andriamanitra taminy; ary lasa izy sy ny fianakaviany nifindra monina nandritra ny fito taona tany amin’ny tanin’ny Filistinina.
3
Nony afaka fito taona dia nody avy tany amin’ny tanin’ny Filistinina ravehivavy ka nangataka hihaona amin’ny mpanjaka mba hitaky ny tranony sy ny taniny.
4
Tamin’izay kosa ny mpanjaka dia niresaka tamin’i Gehazỳ mpanompon’i Elisà. Nangatahiny izy mba hilaza aminy izay zava-dehibe rehetra nataon’ny mpaminany.
5
Raha mbola notantarain’i Gehazỳ tamin’ny mpanjaka ny amin’ilay zaza maty izay novelomin’i Elisà, dia indro tonga nitaky ny tranony sy ny taniny tamin’ny mpanjaka ilay vehivavy. Ary hoy i Gehazỳ: –Io ilay vehivavy sy ny zanany izay novelomin’i Elisà indray, ry andriamanjaka!
6
Dia nanontanian’ny mpanjaka ilay vehivavy, ka nitantara ny zava-drehetra. Ary nasain’ny mpanjaka nokarakarain’ny manamboninahitra iray ny raharahan-dravehivavy, ka hoy izy: –Avereno aminy avokoa ny fananany rehetra ary onero ny vokatry ny taniny manomboka amin’ny andro nandaozany azy ka mandraka ankehitriny.
7
Indray andro dia tonga tany Damasy i Elisà. Narary i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria tamin’izay; ary rehefa nisy nilaza taminy fa ao an-tanàna ilay olon’Andriamanitra,
8
dia hoy izy tamin’i Hazaela: –Mitondrà fanomezana ka mandehana mihaona amin’i Elisà; dia asaivo manontany ny TOMPO izy raha toa ka ho sitrana amin’izao aretiko izao ihany aho.
9
Dia lasa nihaona tamin’i Elisà i Hazaela nombàm-panomezana nentin’ny rameva efapolo, dia izay zava-tsoa isan-karazany tao Damasy. Rehefa tonga izy, dia nitsangana teo anatrehan’ny mpaminany sady nanao hoe: –I Bena-Hadada, mpanoa anao sady mpanjakan’i Siria, no naniraka ahy hankatỳ aminao mba hanontany anao raha ho sitrana amin’izao aretina izao ihany izy.
10
Ka hoy ny navalin’i Elisà: –Mandehana lazao izy fa ho sitrana marina tokoa! Kanefa ny TOMPO efa nanambara tamiko fa ho faty izy.
11
Dia nifantoka fijery sy ankona endrika ilay olon’Andriamanitra; avy eo izy vao nitomany.
12
Fa nanontany azy i Hazaela hoe: –Nahoana ianao no mitomany, tompoko? Ka hoy ny navalin’i Elisà: –Satria fantatro ny ratsy izay hataonao amin’ny Israelita: hodoranao ny tanànamimandany; hovonoinao ho faty amin’ny sabatra ny tanorany, homontsaninao ny ankizikeliny, ary hotatahinao kibo ny vehivavy bevohòka eo aminy.
13
Dia hoy i Hazaela: –Fa zinona moa ity tenako tsy manam-pahefana sady bitika ity no dia hahavita zavatra toy izany? Ary i Elisà namaly hoe: –Efa nambaran’ny TOMPO tamiko fa ho mpanjakan’i Siria ianao.
14
Dia nandao an’i Elisà i Hazaela ka niverina tany amin’ny tompony izay nanontany azy hoe: –Ahoana hoy i Elisà taminao? Hoy kosa ny navalin’i Hazaela: –Nilaza tamiko izy fa ho sitrana tokoa ianao.
15
Nony ampitso anefa, dia naka bodofotsy anankiray i Hazaela; natsobony tao anaty rano izany ka nasarony ny tavan’i Bena-Hadada hanempotra azy. Dia maty ny mpanjaka, ary i Hazaela no nanjaka nandimby azy.
16
Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba sady mpanjakan’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Jôrama zanakalahin’i Jôsafata, na dia mbola mpanjakan’i Joda aza i Jôsafata. Feno 32 taona izy fony vao nanjaka,
17
ary naharitra valo taona no nanjakany tao Jerosalema.
18
Ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely no narahiny, dia tahaka ny fanaon’ny taranak’i Ahaba, satria nanambady ny zanakavavin’i Ahaba izy ka nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO.
19
Tsy nandringana an’i Joda anefa ny TOMPO noho ny amin’i Davida mpanompony, izay efa nampanantenainy fa ny taranany dia hanjaka mandrakizay ao Jerosalema.
20
Tamin’ny andron’i Jôrama no nikomian’ny Edômita tamin’ny fahefana jodeanina ka nananganany mpanjaka ho azy.
21
Nankany Tsahirà niaraka tamin’ny kalesiny rehetra manko i Jôrama. Nony voahodidin’ny Edômita ny tenany mbamin’ireo komandin-kalesiny, dia voatery nitsoaka nanao latsaka alina tamin’ny Edômita; ary nandositra nankany an-dainy ny tafika jodeanina.
22
Hatreo dia nanohitra ny fahefana jodeanina ny Edômita mandraka androany. Tamin’izay fotoana izay koa no nikomian’ny tanànan’i Libnà.
23
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôrama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.
24
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôrama, dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an- tanànan’i Davida; ary i Ahazià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
25
Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba sady mpanjakan’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Ahazià zanakalahin’i Jôrama.
26
Feno 22 taona i Ahazià fony vao nanjaka, ary herintaona ihany no nanjakany tany Jerosalema. Hatalià no anaran-dreniny izay vavimatoan’i Hômrỳ mpanjakan’i Israely.
27
Ny toetran’ireo taranak’i Ahaba no narahin’i Ahazià; ka nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO tahaka ny nataon’ireo izy sady vinanton’ny taranak’i Ahaba ihany.
28
Niara-dia tamin’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba izy mba hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria tany Ramôta Gilehada kanjo naratran’ny Sirianina i Jôrama.
29
Ary niverina tao Jizrehela i Jôrama mpanjaka mba hotsaboina tamin’ny ratra nahavoa azy tany Ramôta, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Dia nankany Jizrehela i Ahazià, zanakalahin’i Jôrama sady mpanjakan’i Joda, mba hamangy an’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba noho izy narary.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25