bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 12
2 Kings 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 13 →
1
Tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Jehò tamin’i Israely no tonga ho mpanjakan’i Joda i Jôasy; vao fito taona izy tamin’izay, ary naharitra efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Tsibià avy any Beera-Seba.
3
Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO tamin’ny androny rehetra i Jôasy, satria nampianatra azy tsara i Jôiadà mpisorona.
4
Saingy tsy nofoanany ny toeram-panasinana, ka mbola tonga nitondra sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona.
5
Indray andro dia hoy i Jôasy tamin’ireo mpisorona: –Angoninareo izay vola rehetra entina ato an- tranon’ny TOMPO, dia ny vola nandoavan’ny olona ny hetrany na ny vola natolotra an-tsitrapo. Asaivo hangonin’ireo mpandray vola voatendry izany ka hampiasainareo hanamboarana izay hitanareo fa simba amin’ny tempoly.
7
Kanjo tamin’ny taona faha-23 nanjakan’i Jôasy dia tsy mbola voavoatr’ireo mpisorona ihany ny simba tamin’ny tempoly.
8
Koa nampiantso an’i Jôiadà sy ny mpisorona hafa i Jôasy mpanjaka ka nanao taminy hoe: –Nahoana no tsy namboarinareo ny simba tamin’ny tempoly? Noho izany dia tsy mahazo maka vola amin’ny mpandray volanareo intsony ianareo, fa avelao kosa izany hanamboarana ny tempoly.
9
Dia nanaiky tsy handray vola amin’ny olona intsony sy tsy hiandraikitra ny fanamboarana ny tempoly ny mpisorona.
10
Fa naka vata iray i Jôiadà mpisorona, dia noloahiny ny sarony ka napetrany teo akaikin’ny alitara teo ankavanan’ny fidirana amin’ny tranon’ny TOMPO; dia nalatsaky ny mpisorona mpiandry varavarana tao ny vola rehetra nentina tao an-tranon’ny TOMPO.
11
Rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia nangonin’ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny mpisorombe ny vola tao an-tranon’ny TOMPO ka nisainy.
12
Rehefa voaisa ny vola, dia natolony ny mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO izay nampiasa izany hanakaramana ny mpandrafitra sy ny mpanao mari-trano niasa tao an-tranon’ny Tompo
13
mbamin’ny mpandatsa-biriky sy ny mpipai-bato ary koa hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin’ny tranon’ny TOMPO sy hiantohana izay fandaniana hafa rehetra ilaina amin’izany.
14
Nefa tsy mba nanaovana koveta na antsy na tsatokaty famafazana, na trompetra na zavatra hafa vita volamena na volafotsy ireny fanomezana nentina tao an-tranon’ny TOMPO ireny.
15
Dia nomena ny mpanao raharaha izany hanamboarana ny tranon’ny TOMPO.
16
Tsy nampamoahina ny mpanome karama ny mpiasa satria nahatoky tamin’ny fiasany.
17
Ny vola narotsaky ny olona ho solon’ny sorom-panonerana na sorona fanalana ny ota dia tsy mba natolotra ho an’ny tranon’ny TOMPO, fa an’ny mpisorona kosa izany.
18
Tamin’izany dia niakatra nanafika ny tanànan’i Gata i Hazaela mpanjakan’i Siria, ka nahazo azy; rehefa izany, dia niomana hanafika an’i Jerosalema ihany koa izy.
19
Fa nangonin’i Jôasy mpanjakan’i Joda avokoa ny zava-tsarobidy rehetra izay natolony na natolotr’ireo razany mpanjakan’i Joda, dia i Jôsafata sy i Jôrama ary i Ahazià ho an’ny TOMPO, mbamin’ireo volamena napetraka tao amin’ny efitrano firaketan’ny tempoly sy tao an-dapan’ny mpanjaka; ka nampanateriny ho an’i Hazaela izay nisinda tsy nanafika an’i Jerosalema.
20
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôasy ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.
21
Ary nioko hanohitra an’i Jôasy ny manamboninahiny; ka ny anankiroa taminy, dia i Jôzabada zanakalahin’i Simehata sy i Jehôzabada zanakalahin’i Sômera no namono azy ho faty tao Bety-Milao iny Jôasy nidina hankany Silà iny. Dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an- Tanànan’i Davida izy; ary i Amatsià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25