bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 24
2 Kings 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 25 →
1
Tamin’ny andro nanjakan’i Jôiakima no nidiran’i Nebôkadnetsara mpanjakan’i Babilôna ny tanin’i Joda, ka dia voatery nanoa azy telo taona i Jôiakima. Taorian’izany kosa izy dia nikomy taminy.
2
Tamin’izay i Jôiakima dia nandefasan’ny TOMPO andian-dahalo babilônianina sy andian-dahalo sirianina ary andian-dahalo môabita sy hamônita hamely ny tanin’i Joda ka nandrava azy araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’ireo mpaminany.
3
Baikon’ny TOMPO mihitsy no nahatonga ireny loza ireny tamin’ny fanjakan’i Joda mba hanesorany azy tsy ho hitan’ny masony noho ny fahotana rehetra nataon’i Manase mpanjaka,
4
ary koa noho ireo olona maro tsy manan-tsiny izay novonoiny ho faty; nanenika faty an’i Jerosalema izy ka izany no tsy netezan’ny TOMPO hamela heloka.
5
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôiakima ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.
6
Ary rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôiakima, dia i Jôiakina zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
7
Tsy sahy nivoaka ny taniny intsony ny mpanjakan’i Ejipta, satria lasan’ny mpanjakan’i Babilôna ny tany rehetra teo ambany fahefàn’i Ejipta hatreo amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony Eofrata.
8
Feno 18 taona i Jôiakina fony tonga mpanjaka; ary telo volana ihany no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Nehostà zanakavavin’i Elnatàna avy ao Jerosalema.
9
Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO tahaka izay rehetra nataon’ireo razany izy.
10
Tamin’izany fotoana izany dia tonga nanao fahirano an’i Jerosalema ny tafika babilônianina izay notarihin’ireo manamboninahitr’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna.
11
Raha mbola natao fahirano ny tanàna, dia mba tonga teo koa i Nebokadnetsara;
12
ary nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna i Jôiakina mpanjakan’i Joda sy ny reniny mbamin’ny manamboninahiny sy ny filohan-bahoakany ary ny tandapany. Dia nogadrain’ny mpanjakan’i Babilôna ireo tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
13
Fa araka ny efa nambaran’ny TOMPO dia nentin’i Nebokadnetsara ny zava-tsarobidy rehetra tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka, ary novakiny avokoa ny fanaka rehetra volamena izay nataon’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tempolin’ny TOMPO.
14
Nataony sesitany i Jerosalema iray manontolo, dia ny filoham-bahoaka rehetra sy ny mpanankarena rehetra, izany hoe voasesitany miisa 10 000 ankoatra ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy; ireo vahoaka madinika sy mahantra no sisa navelany.
15
Nataony sesitany avy ao Jerosalema ho any Babilôna koa i Jôiakina mpanjaka mbamin’ny reniny sy ireo vadiny ary ny tandapa mbamin’ireo filohan’i Joda.
16
Nentiny nankany Babilôna avokoa ny mpanankarena rehetra miisa fito arivo lahy, mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy miisa arivo lahy, ary ny miaramila rehetra afaka miantafika.
17
Ary notendren’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka handimby an’i Jôiakina i Matanià rahalahin-drainy, ka novany ho Tsedekià ny anarany.
18
Feno 21 taona i Tsedekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala zanakavavin’i Jeremià avy any Libnà.
19
Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy tahaka izay rehetra nataon’i Jôiakima.
20
Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no nahatonga izany loza izany tamin’i Jerosalema sy tamin’i Joda, ka niafara tamin’ny fandroahany an’ireo Jodeanina hiala teo anatrehany.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25