bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 4
2 Kings 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 5 →
1
Indray andro dia nisy vehivavy vadina lehilahy anisan’ny andia- mpaminany, tonga nitaraina tamin’i Elisà nanao hoe: –Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa nanaja ny TOMPO izy. Tonga ao anefa ny tompon-trosa haka ny zanako roa lahy mba handevoziny.
2
Dia hoy i Elisà taminy: –Inona àry no hataoko ho anao? Lazao ahy izay anananao ao an-trano. Fa hoy ny navalin’ilay vehivavy: –Tsy manana na inona na inona aho afa-tsy ilomanitra indray mihosotra ihany.
3
Ary hoy indray i Elisà: –Mandehana mindrana tavoara foana amin’izay mpiara-monina aminao rehetra, kanefa aza atao vitsy.
4
Rahefa izany, dia mihidia aman-trano miaraka amin’ireo zanakao; koa aidino amin’ireo tavoara rehetra ireo ny ilomanitra, ary atokano izay feno.
5
Dia lasa ravehivavy nihidy aman-trano niaraka tamin’ny zanany; ary ireto zanany nanolotra ny tavoara, fa izy kosa nameno izany.
6
Rehefa elaela, dia hoy ravehivavy tamin’ny zanany anankiray: –Mbola itondray tavoara hafa koa aho. Kanjo feno avokoa ireo tavoara teo, ka hoy izy hoe: –Tsy misy intsony! Dia tankina teo koa ny ilomanitra.
7
Ary lasa ravehivavy nitantara ny zava-nitranga tamin’ilay olon’Andriamanitra, izay nilaza taminy hoe: –Andeha amidio izany ilomanitra izany hanefanao ny trosan’olona; fa izay vola sisa kosa dia hivelomanao sy ireo zanakao.
8
Indray andro dia nandalo tao Sonema i Elisà. Nisy vehivavy mpanankarena iray tao izay nanery azy mafy mba hisakafo ao aminy. Ary isaky ny mandalo eo izy, dia nivily ao aminy mba hisakafo.
9
Ary hoy izany vehivavy izany tamin’ny vadiny: –Fantatro fa tena mpaminany masin’Andriamanitra iny lehilahy mpankàto amintsika matetika iny.
10
Tokony hanaovantsika efitrano kely ao ambony tafo marin-tampona ao ka hasiantsika farafara sy latabatra sy seza ary fitoeran-jiro ho azy. Ao no hipetrahany isaky ny mandalo eto amintsika.
11
Indray andro dia tonga tao amin-dry zareo i Elisà ary niakatra tany amin’ilay efitrano ambony ka natory tao.
12
Dia hoy izy tamin’i Gehazỳ mpanompony: –Antsoy ilay vehivavy sonemita. Rehefa nantsoiny ravehivavy, dia tonga teo anoloan’ilay efitrano;
13
ary niangavian’i Elisà i Gehazỳ hilaza aminy hoe: –Efa nisahirana betsaka taminay ianao; koa inona kosa no hataonay ho anao? Tianao ve ny hiresahanay anao amin’ny mpanjaka na amin’ny filohan-tafika? Dia hoy ny navaliny: –Tsia! Fa eto anivon’ny mpiray foko amiko aho, ka monina feizay.
14
Ka hoy i Elisà: –Fa mba inona àry no hatao ho azy? Dia namaly i Gehazỳ hoe: –Indrisy fa tsy manan-janaka izy sady efa antitra ny vadiny.
15
Ary hoy i Elisà: –Antsoy indray àry izy. Rehefa nantsoiny ravehivavy, dia tonga teo anoloan’ny varavaran’ilay efitrano
16
ary nilazan’i Elisà hoe: –Amin’ny herintaona tahaka izao dia hitrotro zazalahy ianao. Fa hoy kosa ravehivavy: –Tsia, tompoko ô! Olon’Andriamanitra ianao ka aza mandainga amiko!
17
Bevohòka tokoa anefa ravehivavy; ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy araka ny fotoanandro nolazain’i Elisà taminy.
18
Nihalehibe ny zaza; koa indray andro dia nankany amin-drainy tany am-pijinjam-barimbazaha izy,
19
ary vetivety eo dia niteny taminy hoe: –Dada ô! Maharary ahy loatra izany lohako izany! Ary hoy ny rainy tamin’ny mpanompony anankiray: –Ento haingana any amin-dreniny izy.
20
Dia notrotroin’ilay mpanompo izy ka nentiny ho any amin-dreniny; ary nampofoin-dravehivavy izy mandra-pitataovovonan’ny andro, dia maty.
21
Ary niakatra tao amin’ny efitranon’i Elisà ravehivavy ka nampandry ny zaza teo am-parafarany; dia nakatony ny varavarana. Avy teo izy lasa
22
ka niantso ny vadiny nanao hoe: –Mba andefaso mpanompo iray miaraka amin’ny borikivavy iray aho; fa handeha faingana ho any amin’ilay olon’Andriamanitra aho, dia hiverina indray.
23
Fa hoy ny vadiny taminy: –Nahoana ianao no hankany aminy anio, nefa tsy fetin’ny tsinam-bolana na sabata akory ny andro? Hoy kosa ny navaliny: –Aza manahy ianao!
24
Dia nanisy lasely ny borikivavy izy ary niteny tamin’ny mpanompony hoe: –Andeha tariho ny boriky, ka aza mijanona mihitsy raha tsy baiko avy amiko.
25
Ary lasa ravehivavy nankany amin’ilay olon’Andriamanitra any an-tendrombohitra Karmela. Raha vao tazan’ilay olon’Andriamanitra avy lavitra ravehivavy, dia hoy i Elisà tamin’i Gehazỳ mpanompony: –Jereo fa ilay vehivavy sonemita iry.
26
Mba mihazakazaha ianao hitsena azy ary anontanio raha toa ka tsara ihany izy sy ny vady aman-janany. Dia namaly an’i Gehazỳ ilay vehivavy fa tsara ihany izy mianakavy.
27
Rehefa tonga teo akaikin’i Elisà teo an-tendrombohitra anefa izy, dia niantoraka teo an-tongony; nanatona hampiala azy i Gehazỳ, saingy nitenenan’i Elisà hoe: –Aoka ihany izy, fa vonton’alahelo; ary nafenin’ny TOMPO ahy ny anton’izany fa tsy nampahafantariny ahy.
28
Tamin’izay indrindra, dia hoy ilay vehivavy: –Moa nangataka zanaka taminao va aho, tompoko? Tsy efa nilazako ve ianao hoe: «Aza mampanantena volana ahy.»
29
Hoy i Elisà tamin’i Gehazỳ: –Mivonòna ianao handeha! Raiso ny tehiko maha mpaminany ahy, dia mankanesa any Sonema. Raha mifanena amin’olona ianao eny an-dalana, dia aza mijanona hiarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, dia aza mamaly akory. Rehefa mby any ianao, dia atehefo eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko.
30
Fa hoy ny renin’ny zaza tamin’i Elisà: –Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, ka manizingizina aho fa tsy hiala eto raha tsy tafaraka aminao. Ary lasa tokoa ilay olon’Andriamanitra ka niara-dia taminy.
31
Efa tonga talohany kosa i Gehazỳ ka nametraka ny tehin’i Elisà teo amin’ny tavan’ny zaza, nefa tsy nisy feo na koa fihetsehana. Dia niverina tany amin’ny mpaminany izy ka tojo azy ary nilaza taminy hoe: –Tsy nahatsiaro akory ny zaza.
32
Rehefa tonga tao an-trano i Elisà, dia mbola mivalampatra eo ambony farafara ilay zaza maty.
33
Dia niditra izy ka nihidy aman-trano niaraka tamin’ny zaza ary nivavaka tamin’ny TOMPO.
34
Dia nandry teo ambonin’ny zaza izy ka vava tandrifin’ny vavany sy maso tandrifin’ny masony ary tanana tandrifin’ny tanany. Koa raha mbola nijanona teo amboniny izy dia nihanafana ny tenan’ilay zaza.
35
Nitsangana i Elisà ka niasa dia eran-trano ary niverina niampatra indray teo ambonin’ny zaza. Tampoka teo anefa dia nievina impito ilay zaza ka nihiratra.
36
Nantsoin’i Elisà i Gehazỳ ka nitenenany hoe: –Ndeha antsoy ilay Sonemita! Dia laza izy niantso azy; koa nony nankao amin’i Elisà ravehivavy dia nilazany hoe: –Raiso ny zanakao.
37
Dia nandroso ravehivavy ka niantoraka teo an-tongotry ny mpaminany sady niankohoka nitehi-tany ho fanajana azy. Noraisiny ny zanany ary lasa izy nivoaka ny efitrano.
38
Niverina nankany Gilgala i Elisà. Nanjakan’ny mosary ny tany tamin’izay ka novoriny teo anatrehany ny andia-mpaminany; sady hoy izy tamin’ny mpanompony: –Ataingeno eo ambony fatana ny vilany lehibe ary manaova lasopy ho an’ny andia- mpaminany.
39
Dia lasa hitsongo anana tany an-tsaha ny mpaminany iray, ka nahita zava-maniry mandadina niotazany voatangom-bazaha; dia nahangona iray trotroana tamin’izany izy. Ary nony tafaverina izy, dia notetehiny madinika ireo ka narotsany am-bilany fa tsy nisy nahafantatra.
40
Rehefa naroso anefa izany lasopy izany, ka samy nanandrana ny olona, dia nitaraina hoe: –Voapoizina ny lasopy, ry olon’Andriamanitra ô! Ary tsy azo nohanina tokoa izany.
41
Fa niangavian’i Elisà kosa ny hitondrana lafarinina. Dia nandrotsaka izany tao am-bilany izy, vao niteny hoe: –Andoary amin’izay ny olona ary aoka izy hihinana! Koa nanjary fihinana indray ny tao am-bilany.
42
Nisy lehilahy tonga avy any Bahala-Salisà izay nitondra mofo ôrza roapolo sy varim-bazaha iray kitapo santa-bokatra ho an’ity olon’Andriamanitra. Dia nilazan’i Elisà ny mpanompony mba hizara ireo hohanin’ny olona;
43
fa hoy kosa ilay mpanompony: –Fomba ahoana no hamahanako olona zato amin’ireo? Ary hoy indray i Elisà: –Zarao amin’ny olona rehetra ireo hohaniny, satria izao no lazain’ny TOMPO: «Hihinana sahaza ny olona ary mbola hisy aza sisa tsy lany.»
44
Dia notsinjarain’ilay mpanompo tamin’ny olona ny mofo ka samy nihinana avokoa ny tsirairay ary mbola nisy aza sisa tsy lany araka ny voalazan’ny TOMPO.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25