bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 21
2 Kings 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 22 →
1
Feno 12 taona i Manase fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 55 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hefitsibà.
2
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy fa naka tahaka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon’ireo firenena izay noroahin’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.
3
Naorin’i Manase indray manko ny toeram-panasinana izay efa noravan’i Hezekià rainy; ka nanangana alitara ho an’i Bahala izy sady nanao tsatokazo fanajana an’i Aserà tahaka izay nataon’i Ahaba mpanjakan’i Israely; dia niankohofany sy nanaovany fanompoam-pivavahana koa ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.
4
Ary nanorenany alitara hafa aza tao an-tranon’ny TOMPO, dia tao amin’ilay nolazain’ny TOMPO hoe: «I Jerosalema no hampitoerako ny voninahitro».
5
Tao anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’ny TOMPO tokoa no nanorenany alitara hafa ho fanajana ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.
6
Ary na ny zanany lahy aza dia natolony ho sorony dorana; ankoatra izany dia mbola nanandro sady nisikidy ary naka hevitra tamin’ny olona tsindrian-javatra sy mpanao fitokavana koa izy. Nahery nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, ka nampahatezitra Azy.
7
Ny sarivongan’ny andriamani-bavy Aserà, izay nampanamboariny, dia napetrany tao amin’ny tempoly izay efa nolazain’ny TOMPO tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Ato amin’ity tempoly ity sy eto Jerosalema izay tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra ity no hampitoerako mandrakizay ny voninahitro.
8
Koa tsy hampirenireny ny Israelita hiala amin’ny tany izay nomeko ny razany intsony Aho, raha imasoany hotanterahina ny didiko rehetra sy ny lalàna manontolo izay nandidian’i Mosesy mpanompoko azy.»
9
Kanefa tsy nihaino izany ny Jodeanina, fa vao mainka aza notaomin’i Manase hanao ratsy mihoatra noho ny hafa firenena izay naringan’ny TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Israelita.
10
Koa ny TOMPO dia nampiteny an’ireo mpaminany mpanompony hoe:
11
«Satria nahavita izao fanompoan-tsampy maharikoriko izao i Manase mpanjakan’i Joda ka nanao ratsy mihoatra noho ny nataon’ny Amôrita teo alohany sady nampanota ny Jodeanina tamin’ny sampiny,
12
dia izao kosa no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Hitondra loza amin’i Jerosalema sy amin’ny Jodeanina Aho ka hampangintsina ny sofin’izay rehetra mandre izany.
13
Horavako tahaka ny nandravako an’i Samaria sy ny fianakavian’i Ahaba i Jerosalema. Hodioviko toy ny fanadio lovia izay faohina sy ahohoka i Jerosalema ka tsy hisy mponina intsony ao.
14
Ary hafoiko ny sisa tavela amin’ny vahoakako ka hatolotro amin’ny fahavalony rehetra mba hosamboriny sy hobaboiny,
15
satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin’ny andro nialan’ny razany tany Ejipta ka mandraka androany.»
16
Marobe ny olona tsy manantsiny nampamonoin’i Manase ho faty ka nanerana an’i Jerosalema manontolo ny rany; izany moa dia ankoatra ny fahotana nitarihany an’ireo Jodeanina tamin’ny nanaovany izay ratsy eo imason’ny TOMPO.
17
Ny sisa amin’ny tantaran’i Manase ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony ary ny fahotana vitany dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.
18
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Manase, dia nalevina tao an-jaridainan’ny lapa na koa «Zaridainan’i Hozà»; ary i Amôna zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
19
Feno 22 taona i Amôna fony tonga mpanjaka; ary naharitra roa taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mesolemeta zanakavavin’i Harotsa avy any Jôtvà.
20
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO tahaka an’i Manase rainy i Amôna.
21
Narahiny avokoa ny toetran-drainy fa nanompo ireo sampy izay notompoin-drainy izy sady niankohoka teo anatrehany.
22
Nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy fa tsy nanaraka ny sori-dalan’ny TOMPO.
23
Nikomy tamin’i Amôna ireo manamboninahiny ka namono azy ho faty tao an-dapany.
24
Fa mba nataon’ny mponin’i Joda maty kosa izay rehetra nikomy tamin’ny mpanjaka; ka dia i Josià zanany lahy no voatendriny ho mpanjaka handimby azy.
25
Ny sisa amin’ny tantaran’i Amôna ary koa ny zavatra hafa nataony dia voasoratra ao amin’ny Boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.
26
Dia nalevina tao amin’ny fasany tao an-jaridainan’i Hozà izy; ary i Jôsià zanany lahy no nanjaka handimby azy.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25