bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 15
2 Kings 15
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 16 →
1
Tamin’ny taona faha-27 nanjakan’i Jerôbohama tamin’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Hazarià zanakalahin’i Amatsià;
2
feno 16 taona izy fony vao nanjaka, ary naharitra 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jekôlià izay avy ao Jerosalema ihany.
3
Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Hazarià, tahaka izay rehetra nataon’i Amatsià rainy;
4
nefa tsy mba nofoanany ny toeram-panasinana, ka mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona.
5
Namely ny mpanjaka tamin’ny aretina ny TOMPO; ka tonga boka mandra-pahafatiny izy ary voatery nitoka-monina tao amin’ny trano anankiray. Ka dia i Jôtama, zanany lahy sady efa mpifehy ny tao an-dapa no nitondra ny tany sy ny fanjakana.
6
Ny sisa amin’ny tantaran’i Hazarià ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.
7
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Hazarià, dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an- Tanànan’i Davida; ary i Jôtama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
8
Tamin’ny taona faha-38 nanjakan’i Hazarià tamin’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Zakarià zanakalahin’i Jerôbohama; ary enim-bolana ihany no nanjakany tao.
9
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO tahaka ny nataon’ireo razany izy, satria tsy nialany ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata ireo Israelita.
10
Fa nikomy taminy kosa i Saloma zanakalahin’i Jabesa ka nahafaty azy tao Jiblehama ary nanjaka nandimby azy.
11
Ny sisa amin’ny tantaran’i Zakarià dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
12
Izany ilay nolazain’ny TOMPO tamin’i Jehò hoe: «Hitoetra eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely hatramin’ny taranaka fahefatra ny taranakao, ka dia tanteraka.»
13
Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Hazarià tamin’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely i Saloma zanakalahin’i Jabesa; ary iray volana ihany no nanjakany tao Samaria.
14
Fa tonga tao Samaria avy any Tiritsà kosa i Menahema zanakalahin’i Gadỳ ka nahafaty an’i Saloma tao, ary dia nandrombaka ny fahefana.
15
Ny sisa amin’ny tantaran’i Saloma ary koa ny fiokoany nanohitra an’i Zakarià dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
16
Tamin’izay no niala tao Tiritsà i Menahema ka nanafika ny tanànan’i Tifsa, ary nandringana ny mponina tao sy nandrava ny faritaniny manontolo. Rehefa misy tanàna tsy amohana vavahady an’i Menahema, dia tafihiny; ary tatahany koa ny kibon’ny vehivavy bevohòka rehetra ao.
17
Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Hazarià tamin’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely i Menahema zanakalahin’i Gadỳ; ary naharitra folo taona no nanjakany tao Samaria.
18
Nandritra ny androm-piainany rehetra, dia nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, fa tsy nialany ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata ireo Israelita.
19
Niditra an-keriny tao amin’ny tanin’i Israely i Pola mpanjakan’i Asiria; ka nomen’i Menahema volafotsy telopolo taonina izy mba hanampiany azy hanamafy orina ny fahefàm-panjakany.
20
Mba hahazoana izany volafotsy izany, dia nampandoavin’i Menahema hetra ny mpanankarena rehetra tany Israely, dia sekela volafotsy dimampolo avy mba homena ny mpanjakan’i Asiria. Rehefa nandray izany izy, dia niverina nody fa tsy nijanona teo amin’ny tany.
21
Ny sisa amin’ny tantaran’i Menahema ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
22
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia i Pekahià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
23
Tamin’ny taona fahadimampolo nanjakan’i Hazarià tamin’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Pekahià zanakalahin’i Menahema; ary roa taona ihany no nanjakany tao.
24
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, satria tsy nialany ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata ireo Israelita.
25
Ary nikomy tamin’i Pekahià i Peka dekàny sady zanakalahin’i Remalià, ka nanafika azy mbamin’i Argôba sy Aria tao amin’ny tilikambon’ny tranon’ny mpanjaka; tamin’izay i Peka dia nombàn’ny vatan-dehilahy dimampolo taranaky ny Gilehadita; rehefa avy namono an’i Pekahià ho faty izy, dia nanjaka nandimby azy.
26
Ny sisa amin’ny tantaran’i Pekahià ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
27
Tamin’ny taona faha-52 nanjakan’i Hazarià tamin’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely i Peka zanakalahin’i Remalià; ary naharitra roapolo taona no nanjakany tao Samaria.
28
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, satria tsy nialany ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata ireo Israelita.
29
Tamin’ny andro nanjakan’i Peka tamin’i Israely no nahatongavan’i Tiglata-Pilesera mpanjakan’i Asiria haka ny tanànan’i Hiôna sy i Abela-Bety-Mahakà mbamin’i Janôka sy i Kedesa ary i Hatsôra; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin’ireo.
30
Fa nikomy tamin’i Peka zanakalahin’i Remalià i Hôsea zanakalahin’i Elà ka nahafaty azy; ary nanjaka nandimby azy izy tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Jôtama zanakalahin’i Hozià.
31
Ny sisa amin’ny tantaran’i Peka ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
32
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Peka zanakalahin’i Remalià tamin’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Jôtama zanakalahin’i Hazarià.
33
Feno 25 taona izy fony nanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jerosà zanakavavin’i Tsadôka.
34
Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôtama, tahaka izay rehetra nataon’i Hozià rainy.
35
Kanefa ny toeram-panasinana tsy noravany ka mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona. I Jôtama no nanamboatra ny vavahady ambony tamin’ny tranon’ny TOMPO.
36
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôtama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.
37
Tamin’ny andro nanjakan’i Jôtama no nanombohan’ny TOMPO nandefa an’i Retsina mpanjakan’i Siria sy i Peka mpanjakan’i Israely hanafika an’i Joda.
38
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôtama, dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an- Tanànan’i Davida; ary i Ahaza zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25