bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 9
2 Kings 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 10 →
1
Indray andro i Elisà mpaminany dia niantso tovolahy iray anisan’ny andia-mpaminany ka nanao taminy hoe: –Mivonòna ianao handeha, ka ento ity tavoara feno menaka ity, ary mankanesa any Ramôta-Gilehada.
2
Rehefa mby any ianao, dia ataovy izay hahitana an’i Jehò zanakalahin’i Jôsafata sady zafikelin’i Nimsỳ. Antsoy hiala amin’ny namany izy, dia ento any amin’ny efitrano anatiny indrindra.
3
Ary horaisinao ny tavoara ka hararakao eo ambony lohany ny menaka sady hombanao teny hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Manosotra anao ho mpanjakan’i Israely aho!» Dia hovohanao avy eo ny varavarana mba handosiranao avy hatrany.
4
Koa dia nankany Ramôta-Gilehada ilay tovolahy mpaminany.
5
Nony tonga tany izy, dia ireo filohan-tafik’i Israely niara-nivory no hitany ary nitenenany hoe: –Manan-javatra hambara aminao aho, ry filoha! Ka hoy i Jehò: –Iza aminay ireto moa izany? Dia hoy ny navalin’ilay tovolahy: –Aminao ihany, ry filoha ô!
6
Dia nitsangana i Jehò ka niditra tao amin’ny efitrano; ary nandraraka ny menaka teo an-dohany ny mpaminany sady nanao hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Manosotra anao ho mpanjakan’i Israely vahoakako Aho.
7
Ianao no handringana ny taranak’i Ahaba tomponao fahiny, mba hamaliako ny ran’ireo mpanompoko rehetra izay nalatsak’i Jezebela, na mpaminany izy na olon-kafa.
8
Eny, ho fongotra avokoa ny fianakavian’i Ahaba; ary haringako ny lehilahy rehetra eo aminy na kely na lehibe,
9
ka ny taranany hataoko tahaka ny nanaovako ny taranak’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata sy ny taranak’i Bahasà zanakalahin’i Ahià.
10
Fa i Jezebela kosa tsy hisy handevina, satria hohanin’ny alika ao amin’ny sahan’i Jizrehela ny fatiny.» Rehefa avy nilaza izany ilay tovolahy mpaminany, dia namoha ny varavarana ka lasa nandositra.
11
Ary nivoaka ny efitrano i Jehò, dia niverina nankeo amin’ny manamboninahitra hafa ka nanontanian’ireo hoe: –Tsara ihany ve ianao? Fa inona no notadiavin’ilay adala iny taminao? Hoy kosa ny navalin’i Jehò azy: –Fantatrareo ihany iny lehilahy iny sy ny redirediny.
12
Fa hoy indray ireo: –Mandainga ianao. Ambarao aminay izay tena marina. Dia novaliany hoe: –Ireto avy no teny nataony tamiko: «Izao no lazain’ny TOMPO: Manosotra anao ho mpanjakan’i Israely Aho!»
13
Dia samy nanala faingana ny akanjobeny avy ny manamboninahitra rehetra ka namelatra azy teo amin’ny faratampon’ny tohatra anankiray mba hipetrahan’i Jehò. Ary notsofin’ny mpiangaly azy ny anjomara fa ny besinimaro teo kosa niantsoantso hoe: «I Jehò no mpanjaka.»
14
Tamin’izany fotoana izany, ny tafik’i Israely manontolo dia niaro ny tanànan’i Ramôta-Gilehada tamin’ny fanafihan’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Kanjo raha niady tamin’i Hazaela i Jôrama mpanjaka, dia naratran’ny Sirianina. Koa dia nankao Jizrehela izy hotsaboina tamin’ny ratra nahavoa azy. Ary nioko tamin’i Jôrama i Jehò zanakalahin’i Jôsafata sady zafikelin’i Nimsỳ ka niteny tamin’ireo manamboninahitra hafa hoe: –Raha vonona hanohana ahy ianareo, dia aza avela hisy olona hiala ny tanàna ka handeha hilaza izao zava-nitranga teto izao any Jizrehela.
16
Dia nitaingina ny kalesiny i Jehò ka nankany Jizrehela izay nisy an’i Jôrama notsaboina sy i Ahazià mpanjakan’i Joda tonga namangy azy.
17
Nahatazana olona betsaka tamy niaraka tamin’i Jehò ilay mpitily izay teo an-tampon’ny tilikambon’i Jizrehela, ka nilaza tamin’ny mpanjaka hoe: –Mahatazana olona betsaka aho. Dia hoy i Jôrama: –Mandefasa mpitaingin-tsoavaly hitsena azy ireo ka hanontany azy hoe: «Fihavanana ve no ahatongavanareo?»
18
Dia lasa ny mpitaingin-tsoavaly iray nitsena ireo olona ireo ka niteny hoe: –Izao no lazain’ny mpanjaka: «Fihavanana ve no ahatongavanareo?» Ary hoy ny navalin’i Jehò: –Ahoanao inona izay fihavanana? Fa mankanesa ato aoriako ianao. Tamin’izay kosa ilay mpitily no nilaza hoe: –Tonga teo amin-dry zareo ny iraka, nefa tsy niverina.
19
Nandefa mpitaingin-tsoavaly faharoa indray i Jôrama, ka nony tonga teny amin-dry zareo io, dia nanao hoe: –Izao no tenin’ny mpanjaka: «Fihavanana ve no ahatongavanareo?» Ary hoy ny navalin’i Jehò: –Ahoanao inona izay fihavanana? Fa mankanesa ato aoriako ianao!
20
Tamin’izay kosa ilay mpitily no nilaza indray hoe: –Tonga teo amin-dry zareo koa ny iraka faharoa, nefa tsy niverina. Saingy fantatro izao i Jehò zafikelin’i Nimsỳ, araka ny fampiriotran-kalesiny: mampiriotra kalesy hoatra ny olona adala manko izy.
21
Nasain’i Jôrama novononina ny kalesin-tsoavaliny; dia natao izany. Dia samy niainga nitaingina ny kalesiny avy i Jôrama mpanjakan’i Israely sy i Ahazià mpanjakan’i Joda, ka lasa nitsena an’i Jehò, ary tojo azy teo amin’ny sahan’i Nabôta avy any Jizrehela.
22
Raha vao nahita an’i Jehò i Jôrama, dia nanontany azy hoe: –Fihavanana ve no ahatongavanao, ry Jehò? Fa hoy ny navaliny: –Tsy hisy fihavanana, raha mbola manompo ireo andriamani-tsiizy sy manao majika i Jezebela reninao.
23
Dia nihodina i Jôrama ka nandositra sady niteny tamin’i Ahazià hoe: –Famadihana io, ry Ahazià!
24
Noraisin’i Jehò ny tsipîkany, dia nitifitra izy ka nahavoa an’i Jôrama teo anelanelan’ny sorony; ary tafavoaka ny zana-tsipîka rehefa niboroaka tamin’ny fony. Dia maty nikorosy tao anaty kalesiny i Jôrama.
25
Ary hoy i Jehò tamin’i Bidkara dekàny: –Raiso ny fatiny ka atsipazo ao amin’ny sahan’i Nabôta avy any Jizrehela. Tsarovy fa, fony isika roa lahy niara-nitondra kalesy nanaraka an’i Ahaba rain’i Jôrama, dia izao no nambaran’ny TOMPO tamin’i Ahaba:
26
«Hitako tokoa ny namonoanao ho faty an’i Nabôta sy ireo zanany omaly; koa Izaho TOMPO no manao teny hentitra fa hamaly anao eto amin’ity saha ity.» Noho izany, ry Bidkara, dia raiso ny fatiny ka atsipazo ao amin’io saha io araka ny tenin’ny TOMPO.
27
Raha nahita izany i Ahazià mpanjakan’i Joda, dia nandositra tamin’ny lalan’i Bety-Gany; kanefa nanenjika azy i Jehò sady nibaiko namana hoe: «Asio ihany koa iny». Dia nasian’ireo izy iny nitondra ny kalesiny teo am-piakaran’i Gora akaikin’i Jiblehama iny. Ary afa-nandositra nankany Megidao i Ahazià ka maty tao.
28
Dia nentin’ny mpanompony tamin’ny kalesiny ho any Jerosalema izy ka nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an- Tanànan’i Davida.
29
Tamin’ny faha-11 taona nanjakan’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba no tonga mpanjakan’i Joda i Ahazià.
30
Dia tonga tany Jizrehela i Jehò. Ary raha nandre izany i Jezebela dia nanao manjamaso sady nandravaka ny lohany ka nankeo am-baravarankely.
31
Koa raha niditra ny vavahady i Jehò, dia hoy i Jezebela: –Fihavanana ve no ahatongavanao, ry karazan’i Zimrỳ mpamono ny tompony?
32
Ary niandrandra ny varavarankely i Jehò sady nanontany hoe: –Iza no momba ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo nitsirika azy.
33
Ka hoy izy taminy: –Azerao avy eny io vehivavy io! Dia natosiny avy eny am-baravarankely i Jezebela ka nianjera, ary nifantsitsitra tamin’ny rindrina sy ny soavaly ny rany; ka dia nohitsahin’i Jehò tamin’ny kalesiny izy.
34
Ary niditra tao an-dapa i Jehò ka nihinana sy nisotro; avy eo izy nilaza tamin’ny namany hoe: –Ndeha karakarao ny fandevenana an’io vehivavy voaozona io, fa mba zanaka mpanjaka ihany izy.
35
Dia lasa ireo mba handevina azy; kanjo tsy nisy afa-tsy ny karandohany sy ny tongotra aman-tanany sisa no hitany teo.
36
Ary niverina ireo ka nanambara izany tamin’i Jehò, izay loa-bolana hoe: –Izao mihitsy no nampilazain’ny TOMPO an’i Elià avy any Tisbe sady mpanompony hoe: «Ao amin’ny sahan’i Jizrehela no hihinanan’ny alika ny nofon’i Jezebela.
37
Ary ny fatiny kosa haely amin’ity saha ity toy ny zezika aparitaka amin’ny tany, ka tsy hisy afaka hilaza hoe i Jezebela iny.»
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25