bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 25
2 Kings 25
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
1
Koa tonga tao Jerosalema niaraka tamin’ny tafiny manontolo i Nebokadnetsara. Nitoby manoloana ny tanàna ireo miaramilany, ary nanao tovon-tany manodidina an’i Jerosalema. Taona fahasivy nanjakan’i Tsedekià tamin’izay, ary andro fahafolon’ny volana fahafolo.
2
Naharitra hatramin’ny taona faha-11 nanjakan’i Tsedekià ny fanaovana fahirano.
3
Mafy dia mafy ny mosary tao an-tanàna ka tsy nanan-kohanina ny mponina; ary tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra
4
dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ireo miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ireo ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka; ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna i Tsedekià mpanjaka.
5
Kanjo nenjehin’ny miaramila babilônianina izy ary tratrany teo amin’ny lemak’i Jerikao; dia nihahaka nandao an’i Tsedekià ny tafiny manontolo.
6
Rehefa voasambotra ny mpanjaka, dia nentina tany amin’ny mpanjakan’i Babilôna izay tao Riblà, ary namoahana didim-pitsarana.
7
Novonoina ho faty teo imason-drainy ireo zanakalahin’i Tsedekià. Avy teo dia nasain’i Nebokadnetsara nopotsirina ny mason’i Tsedekià; ary nasainy nafatotra gadra halimo izy ka nentina nankany Babilôna.
8
Tamin’ny taona faha-19 nanjakan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, nony andro fahafiton’ny volana fahadimy, dia tafiditra tao Jerosalema i Nebozaradàna filohan’ny mpiambina sady manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna.
9
Izy no nandoro ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka ary ireo trano tao an-tanàna, indrindra ny an’ny olona ambony rehetra.
10
Ny manda manodidina an’i Jerosalema dia narodan’ny miaramila babilônianina rehetra izay niaraka tamin’ny filohan’ny mpiambina.
11
Dia nentin’i Nebozaradàna ho babo ireo mponina sisa tao an-tanàna sy ireo olona nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ary ny sisa tamin’ireo mpahay taozavatra.
12
Kanefa dia nisy ampahan’ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.
13
Nopotehin’ny Babilônianina ireo andry halimo tao an-tranon’ny TOMPO mbamin’ireo kalesy ary ilay fitobian-drano halimo goavana teo an-kianja; dia nentiny nankany Babilôna avokoa ny halimo tamin’izany.
14
Nalainy koa ny fanaka halimo rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny vilany fasian-davenona sy ny sotron’afo mbamin’ny antsy sy ny lovia.
15
Nentin’ny filohan’ny mpiambina koa ny fitaovana volamena sy volafotsy rehetra toy ny fandoroana zava-manitra sy ny tsatokaty famafazana.
16
Tsy hita lanja ny halimo tamin’ireo fanaka rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia ireo andry anankiroa sy ilay fitobian-drano goavana ary ireo kalesy.
17
Ny andry tsirairay dia sivy metatra ny haavony ary misy lohany halimo izay mahatratra iray metatra sy sasany ny haavony sady voaravaka harato sy ampongabendanitra halimo ny manodidina azy. Mitovy ireo andry roa sy ny ravaka natao taminy.
18
Dia nosamborin’ny filohan’ny mpiambina i Seraià mpisorombe sy i Tsefanià lefiny ary ireo mpisorona telo lahy mpiandry varavarana.
19
Nosamboriny koa ny mpiasam-panjakana mpiandraikitra ny miaramila sy ny olona dimy lahy mpanolotsainan’ny mpanjaka, sy ny mpitantsoratr’ilay manamboninahitra misahana ny fiantsoana ho miaramila, ary ny teratany jodeanina miisa enimpolo lahy; fa samy hitany tao Jerosalema avokoa ireo.
20
Nentin’i Nebozaradàna ho any amin’ny mpanjakan’i Babilôna tao Riblà anatin’ny faritr’i Hamata izy rehetra,
21
ary nasain’ny mpanjaka hovonoina ho faty tao ihany. Toy izany no nitondrana ny vahoaka Jodeanina ho babo lavitry ny taniny.
22
Namela ampahan’ny vahoaka tao amin’ny tanin’i Joda ihany i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna; ka notendreny hifehy ireo olona ireo i Gedalià zanakalahin’i Ahikama sady zafikelin’i Safàna.
23
Rehefa fantatry ny manamboninahitra sy ny miaramila jodeanina izay tsy nitolo-batana tamin’ny Babilônianina izany fanapahan-kevitr’i Nebokadnetsara izany, dia nankany amin’i Gedalià tany Mitsepà izy. Ireo manamboninahitra ireo dia i Jismahela zanakalahin’i Netanià, i Jôhanàna zanakalahin’i Karea, i Seraià zanakalahin’i Tanehometa avy any Netôfà, ary i Jaazanià avy any Mahekà.
24
Dia nanizingizina tamin’ireo sy tamin’ny olom-peheziny i Gedalià nanao hoe: –Aza matahotra ho anisan’ny mpanompon’ny Babilônianina ianareo; monena amin’ny tany ary maneke ny mpanjakan’i Babilôna, fa hahasoa anareo izany.
25
Kanjo tamin’ny volana fahafiton’io taona io ihany dia tonga tao Mitsepà niaraka tamin’ny olona folo lahy i Jismahela zanakalahin’i Netanià, ka namono nahafaty an’i Gedalià mbamin’ny Jodeanina sy ny Babilônianina izay tao aminy.
26
Dia niainga nankany Ejipta ny olon-drehetra na kely na lehibe mbamin’ny manamboninahitra noho ireo natahotra ny Babilônianina.
27
Fony 37 taona taorian’ny fanaovana sesitany an’i Jôiakina mpanjakan’i Joda, dia i Evila-Merôdaky no tonga mpanjakan’i Babilôna; koa tamin’ny volana faha-12, dia nomeny famotsoran-keloka i Jôiakina ka nasainy navoaka ny tranomaizina.
28
Dia nanaovany teny mamy izy ary nomeny toerana ambony kokoa noho ny an’ireo mpanjaka hafa niaraka taminy tany Babilôna.
29
Tsy navela hanao ny fitafian’ny mpigadra intsony izy, ary niara-nisakafo tamin’ny mpanjakan’i Babilôna nandritra ny andro sisa rehetra niainany.
30
Izany koa no nahazoan’i Jôiakina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ny zavatra nilainy araka ny sahaza azy isan’andro mandra-pahafatiny.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25