bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 5
2 Kings 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 6 →
1
Nahamàna no anaran’ny filohan-tafiky ny mpanjakan’i Siria. Lehilahy mendri-kaja sy to teny teo anatrehan’ny tompony izy satria ny Sirianina efa nampandresen’ny TOMPO tamin’ny alalany. Marary hoditra anefa izany lehilahy maherifo izany.
2
Ary nisy mpandroba sirianina nitsofoka an-keriny tany amin’ny tanin’i Israely ka nitondra zazavavikely iray ho babo, izay lasa mpanompon’ny vadin’i Nahamàna.
3
Ary hoy io tamin’ny tompovaviny: –Raha mba afaka mankany amin’ny mpaminany any Samaria manko ny tompoko, dia hositraniny amin’izao aretin-koditra izao.
4
Dia lasa i Namahàna nilaza tamin’ny mpanjaka ny zavatra nambaran’ilay zazavavikely israelita taminy.
5
Ka hoy ny mpanjakan’i Siria: –Mandehana àry mankany amin’ny mpanjakan’i Israely, fa hampitondra taratasy ho azy aho. Dia lasa i Nahamàna nitondra volafotsy telonjato kilao sy volamena enimpolo kilao ary akanjo fitondra mianjaika folo.
6
Natolony ny mpanjakan’i Israely ny taratasy milaza hoe: «Alefako atỳ aminao miaraka amin’ity taratasy ity i Nahamàna filohan-tafiko mba hositraninao amin’ny aretin-kodiny.»
7
Raha vao voavakin’ny mpanjakan’i Israely ilay taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy sady niteny hoe: –Andriamanitra angaha aho ka hahafaty na hahavelona, no andefasan’ilehiny olona hositranina amin’ny aretin-kodiny? Jereonareo tsara fa mila ady amiko mihitsy izy.
8
Raha ren’i Elisà olon’Andriamanitra fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan’i Israely, dia naniraka hankany amin’ny mpanjaka izy nanao hoe: –Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka hankatỳ amiko i Nahamàna mba hahafantarany fa misy mpaminany tokoa amin’i Israely.
9
Dia tonga àry i Nahamàna niaraka tamin’ny kalesy aman-tsoavaliny ka niandry teo anoloan’ny varavaran’ny tranon’i Elisà.
10
Ary i Elisà naniraka olona hankany aminy hilaza hoe: –Mandehana mandro impito ao Jôrdàna, fa hiverina amin’ny toetrany taloha indray ny hoditrao, ka hadio ianao.
11
Fa tezitra i Nahamàna, dia lasa sady nanao hoe: –Noheveriko fa mba hankatỳ amiko tokoa ilay mpaminany ka hivavaka amin’ny TOMPO Andriamaniny sy hanevaheva ny tanany eo amin’ny faritra marary ary hanasitrana ny aretin-koditro.
12
Tsy tsara noho ny renirano rehetra amin’i Israely ve i Abanà sy i Farpara reniranon’i Damasy? Moa tsy azoko atao ve ny mandro ao amin’ireo mba hampahadio ahy? Dia nihodina i Nahamàna ka lasa tamim-pahatezerana.
13
Fa nanatona azy ny mpanompony ka nanao taminy hoe: –Ry ikaky ô, raha toa ka zavatra sarotra no nampanaovin’ny mpaminany anao, moa va tsy ho nataonao izany? Koa nahoana no tsy hataonao izay lazainy aminao hoe: «Mandroa, dia hadio ianao?»
14
Dia nidina i Nahamàna ka nisitrika impito tao Jôrdàna araka ny tenin’ilay olon’Andriamanitra; ary ny hodiny dia tonga tahaka ny hodi-jazakely indray, ka nadio izy.
15
Dia niverina nankao amin’ilay olon’Andriamanitra izy mbamin’ireo rehetra mpanaraka azy; ary niseho teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe: –Fantatro ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra eto ambonin’ny tany tontolo afa-tsy ato amin’i Israely ihany. Koa mba raiso ny fanomezana atolotro anao.
16
Fa hoy ny navalin’i Elisà: –Velona ny TOMPO izay tompoiko, ka manizingizina aminao aho fa tsy handray izany. Nitambezo azy handray ihany i Nahamàna, saingy nanda hatrany kosa i Elisà,
17
ka nilazany hoe: –Satria nolavinao ny fanomezako, dia avelao aho mba hitondra tany kely zakan’ny boriky roa avy amin’ny taninao; fa izaho tsy mba hanolotra intsony sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana amin’ny andriamani-kafa afa-tsy amin’ny TOMPO ihany.
18
Saingy mangata-pamelana mialoha amin’ny TOMPO aho momba izao zavatra izao: Raha miditra mba hivavaka ao amin’ny tempolin’i Rimôna andriamaniny ny tompoko mpanjakan’i Siria, dia tsy maintsy hiankohoka hitehi-tany miaraka aminy koa aho satria mitehina amin’ny tanako izy. Ny TOMPO anie hamela heloka ahy amin’izany fihetsiko izany!
19
Ary hoy i Elisà taminy: –Mandehana ombàm-piadanana. Ary lasa nandeha i Nahamàna. Raha mbola tsy lasa lavitra akory i Nahamàna,
20
dia niteny anakampo i Gehazỳ mpanompon’i Elisà hoe: «Nalefan’ny tompoko tamin’izao fotsiny lahy i Nahamàna ilay Sirianina fa tsy nakany na inona na inona tamin’ny zavatra nentiny. Velona ny TOMPO, ka milokaloka aho fa tsy maintsy hotratrariko iny hahazoako zavatra.»
21
Dia lasa i Gehazỳ nanenjika an’i Nahamàna; ary nony nahita azy mihazakazaka manatona kosa i Nahamàna, dia niala faingana tamin’ny kalesiny hitsena azy ka nanao hoe: –Tsara ihany va ianao?
22
Ary hoy ny navaliny: –Tsara ihany aho; saingy nirahin’ny tompoko fotsiny aho hilaza aminao, fa misy zatovo roa lahy anisan’ny andia- mpaminany tonga ao aminy avy any amin’ny faritra havoan’i Efraîma. Koa miangavy anao izy mba hanome azy roa lahy volafotsy telopolo kilao ary akanjo fitondra mianjaika roa.
23
Dia hoy i Nahamàna: –Volafotsy enimpolo kilao re entina e! Notereny handray izany i Gehazỳ, ary dia nataony tao anaty kitapo roa tsara fehy ny volafotsy enimpolo kilao sy ny akanjo roa; ka nasainy nentin’ny mpanompony roa lahy izay nanaraka an’i Gehazỳ ireo rehetra ireo.
24
Rehefa tonga teo amin’ny toerana atao hoe Hôfela izy, dia nalain’i Gehazỳ ny kitapo sy ny akanjo ka napetrany tao an-tranony; ary nasainy niverina ireo mpanompon’i Nahamàna, ka lasa.
25
Nony tafaverina teo anatrehan’ny tompony kosa i Gehazỳ, dia nanontanian’i Elisà hoe: –Avy taiza ianao, ry Gehazỳ? Ka hoy ny navaliny: –Tsy avy taiza tsy avy taiza aho, tompoko.
26
Fa hoy indray i Elisà: –Moa ataonao tsy ho hitako am-panahy ve iny lehilahy izay niala tamin’ny kalesiny hitsena anao iny? Tsy fotoana fandraisam-bola na fitafiana, na tanin’ôliva na tanimboaloboka, na ondry aman’osy, na omby, na mpanompolahy na mpanompovavy izao;
27
satria ny aretin-koditr ’i Nahamàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao hatrany hatrany. Rehefa niala teo anatrehan’i Elisà i Gehazỳ, dia indro fa niempaka fotsy toa oram-panala ny hodiny.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25