bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 13
2 Kings 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 14 →
1
Tamin’ny faha-23 taona nanjakan’i Jôasy zanakalahin’i Ahazià mpanjakan’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely tany Samaria i Jôahaza zanakalahin’i Jehò; ary naharitra 17 taona no nanjakany.
2
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, satria nanahaka ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata ireo Israelita.
3
Koa dia tezitra tamin’ny Israelita ny TOMPO, ka natolony an’i Hazaela mpanjakan’i Siria sy an’i Beny-Hadada zanany izy nandritra ny fotoana ela.
4
Nifona tamin’ny TOMPO anefa i Jôahaza, dia nihaino azy IZY satria hitany ny fampahorian’ny mpanjakan’i Siria an’i Israely;
5
ary ny TOMPO kosa nanome mpamonjy izay hanafaka ny Israelita amin’ny fifehezan’ny Sirianina. Dia nandry feizay toy ny teo aloha ny Israelita.
6
Saingy tsy nialany fa nizorany hatrany ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama mianakavy ireo Israelita; ary na dia ilay tsatokazo fanajana an’i Aserà aza dia mbola nijoro tao Samaria ihany.
7
Tamin’ny farany ny tafik’i Jôahaza dia tsy nisy afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimampolo sy kalesy folo ary miaramila mpandeha an-tongotra antokony folo; fa maro taminy no efa naringan’ny mpanjakan’i Siria sy nataony ho toy ny vovoka hohitsahin’ny olona.
8
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôahaza ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny herimpo nasehony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
9
Rehefa maty i Jôahaza, dia nalevina tao Samaria; ary i Jôasy zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
10
Tamin’ny faha-37 taona nanjakan’i Jôahaza mpanjakan’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Jôasy zanakalahin’i Jôahaza; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao.
11
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, satria tsy nialany fa nizorany hatrany ny fahotana rehetra izay nitarihan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata ireo Israelita.
12
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôasy ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny herimpo nasehony, fony izy niady tamin’i Amatsià mpanjakan’i Joda, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
13
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia nalevina tao Samaria, tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely; ary i Jerôbohama no nitoetra teo amin’ny sezafiandrianan’i Jôasy.
14
Raha voan’ny aretina hahafaty azy i Elisà, dia lasa hamangy azy i Jôasy mpanjakan’i Israely ary nihohoka teo ambony tavan’i Elisà izy ka sady nitomany no nanao hoe: –Ry dada ô! Ry dada ô! Mahery mihoatra noho ny kalesin’i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra ianao!
15
Ary hoy i Elisà taminy: –Makà tsipîka iray sy zana-tsipîka maro ianao. Dia nampaka ireo ny mpanjaka.
16
Fa hoy indray i Elisà hoe: –Vohay ny varavarankely atsinanana. Dia novohan’ny mpanjaka izany. Ary hoy koa ny mpaminany hoe: –Raiso dia henjano ny tsipîkanao. Dia nohenjanin’ny mpanjaka ny tsipîka; napetrak’i Elisà teo amin’ny tanan’ny mpanjaka ny tanany ary nobaikoiny izy mba hitifitra. Rehefa nitifitra ny mpanjaka, dia nilazan’ny mpaminany hoe: –Zana-tsipîka manambara ny fandresena omen’ny TOMPO iny, dia fandresena ny tafika sirianina. Eny, hamely ny Sirianina ao Afèka ianao mandra-paharingany.
18
Dia hoy i Elisà tamin’i Jôasy: –Raiso indray ny zana-tsipîka hafa. Dia noraisin’ny mpanjaka ireo. Ary hoy ny mpaminany taminy: –Kapohy ny tany. Ary nokapohin’ny mpanjaka intelo ny tany, dia nijanona izy.
19
Tezitra taminy anefa ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Raha mba nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nahavoa ny Sirianina mandra-paharingany; ankehitriny anefa dia intelo ihany no hahafahanao mamely azy.
20
Ary maty i Elisà ka nalevina. Isan-taona dia tonga mamakivaky ny tanin’i Israely ny tontakely môabita.
21
Indray andro, dia nisy olona nandevina fatin-dehilahy ka sendra nahatazana tampoka andiany iray tamin’ireo tontakely. Ary nanipy faingana ny faty tao am-pasan’i Elisà ny mpandevina, dia lasa nandositra. Saingy vao nahakasika ny taolan’i Elisà io faty io, dia velona indray ary nitsangana.
22
Nandritra ny andro rehetra nanjakan’i Jôahaza, dia nampahory ny Israelita i Hazaela mpanjakan’i Siria.
23
Nefa niantra azy ihany ny TOMPO sady namindrafo taminy noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba; ka tsy ta handringana azy Izy ary tsy mbola nandroaka azy ho voasesitany lavitra ny fanatrehany.
24
Nony maty i Hazaela mpanjakan’i Siria, dia i Bena-Hadada zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
25
Tamin’izay dia norombahin’i Jôasy zanakalahin’i Jôahaza teo an-tanan’i Bena-Hadada zanakalahin’i Hazaela indray ny tanàna izay efa nalain’i Hazaela teo an-tanan’i Jôahaza rain’i Jôasy. Intelo no nandresen’i Jôasy an’i Bena-Hadada, ka dia azony indray ny tanànan’i Israely.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25