bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Kings 22
2 Kings 22
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 23 →
1
Feno valo taona i Jôsià fony tonga mpanjaka ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jedidà zanakavavin’i Hadaià avy any Bôtsekàta.
2
Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôsià; ka narahiny avokoa ny toetran’i Davida razambeny fa tsy mba nivily hiala tamin’izany izy.
3
Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jôsià mpanjaka no nanirahany an’i Safàna mpitantsoratra zanakalahin’i Atsalià ary zafikelin’i Mesolama ho any an- tranon’ny TOMPO sady nilazany hoe:
4
–Mankanesa any amin’i Hilkià mpisorombe, ka asaivo angoniny ny vola izay naterin’ny olona tao an-tranon’ny TOMPO na noraisin’ny mpiandry varavarana taminy.
5
Aoka hatolotra ny mpandraharaha voatendry hanamboatra ny tranon’ny TOMPO izany vola izany mba hanomezany ny karaman’ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ireo mpiasa hafa, ary koa hividianany hazo sy vato voapaika ilaina amin’izany fanamboarana ny simba izany.
7
Kanefa aza ampamoahina ny amin’ny vola natolotra azy izy, satria mahatoky amin’ny asany.
8
Rehefa voarain’i Hilkià mpisorombe izany hafatra izany, dia nanambara tamin’i Safàna mpitantsoratra koa izy ny nahitany ny Bokin’ny Lalàna tao an-tranon’ny TOMPO; ary natolony azy ny boky ka novakiny.
9
Avy eo dia niverina nanao tatitra tamin’ny mpanjaka i Safàna nilaza hoe: –Efa nangonin’ireo mpisorona ny vola azo tao an-tempoly ary natolony ny mpandraharaha voatendry hanao ny fanamboarana.
10
Dia nilazan’i Safàna koa ny mpanjaka hoe: –Misy boky nomen’i Hilkià mpisorombe ahy ity! Ary novakiny teo anatrehan’ny mpanjaka izany.
11
Nony ren’i Jôsià mpanjaka ny teny tao amin’ilay Bokin’ny Lalàna, dia nandriatra fitafiana izy.
12
Ary nomeny baiko i Hilkià mpisorombe sy i Ahikama zanakalahin’i Safàna mbamin’i Hakbôra zanakalahin’i Mikaià mbamin’i Safàna mpitantsoratra sy i Hasaià mpandraharahany ka nilazany hoe:
13
–Ndeha anontanio ny TOMPO ho ahy sy ho an’ny vahoaka manerana an’i Joda manontolo ny amin’ny teny raketin’ity boky vao hita ity. Ireo razantsika manko tsy nihaino ny tenin’ity boky ity sady tsy nanao araka izay rehetra voasoratra ao anatiny, hany ka hirehitra mafy amintsika ny fahatezeran’ny TOMPO.
14
Dia lasa nankany amin’i Holdà mpaminanivavy i Hilkià mpisorona sy i Ahikama mbamin’i Hakbôra sy i Safàna ary i Hasaià. I Holdà, izay nonina tao Antanambaon’i Jerosalema, dia vadin’i Saloma zanakalahin’i Tikvà sy zafikelin’i Harahasa sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkià,
15
dia nasainy miteny amin’ny mpaniraka hoe:
16
«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: ‹Indro Aho hahatonga loza amin’ity tanàna ity sy ny mponiny, dia araka izay rehetra voalaza ao anatin’ilay boky novakin’ny mpanjakan’i Joda.
17
Efa nandao Ahy manko ny mponin’i Jerosalema sady efa nampanetona srona ho an’ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampy rehetra nataon’ny tanany. Izany no nirehetan’ny fahatezerako tamin’ity tanàna ity, ka tsy mbola itoniany.
18
Fa ny mpanjakan’i Joda, izay naniraka anareo hanatona Ahy TOMPO, dia anambarao fa Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia milaza izao: Ny amin’ny teny izay efa renao,
19
dia nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehako, rehefa nihaino izay voalazako momba ny hanjo ity tanàna ity sy ny mponiny, dia ny hanaovana azy ho lao sy ho oha-panozonana; eny, nandriatra fitafiana ianao sady nitomany teo anatrehako, ka dia efa nihaino anao koa Aho; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
20
Indro hangoniko any amin’ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy hahita maso ny loza rehetra hamelezako an’i Jerosalema.› » Dia nitondra izany valinteny izany ho an’ny mpanjaka i Hilkià sy ireo namany.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25